Kiobà: Firenena any Amerika

I Kiobà dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ny vondronosy Antilia (Antilles), any amin' ny Ranomasina Karaiba.

Ny renivohiny dia i La Habana (na La Havane amin' ny teny frantsay). Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 109 887 km2 ny velarantaniny ary miisa 11 163 934 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' orany dia −5. Ny fiteny espaniôla no fiteny ôfisialy any.

Kiobà: Firenena any Amerika
Sainan' i Kiobà
Kiobà: Firenena any Amerika
Saritanin' i Kiobà eo anivon' izao tontoklo izao

Manodidina ny 66 % amin' ny Kiobàna no taranaky ny mpanjana-tany espaniôla. Ny ampahany be amin' ny toekaren' i Kiobà dia fehezin' ny fanjakana: 90 %-n' ny sehatry ny indostria ary 70%-n' ny tany fambolena dia tantanan’ ny fanjakana.

Ny nosin' i Kiobà dia hitan' ilay tantsambo espaniôla Christophe Columb tamin' ny taona 1492; ny Amerindiana no nonina tamin' izany fotoana izany. Ny fanjanahan-tany nataon' i Espaina dia nanomboka taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin' ny taona 1511. Tamin' ny taona 1902 vao lasa repoblika mahaleo tena i Kiobà. Raha vao tonga ny taona 1956 dia teraka ny fikomiana tamin' ny tafika maharitra. Anisan' ny mpikomy i Che Guevara sy i Fidel Castro; ity farany no nandray ny fahefana tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1959. Nampitsahatra ny fifandraisana rehetra tamin' i Etazonia ny mpitondra kiobàna fa nanatona ny Firaisana Sôvietika kôminista. Taorian' ny vanim-potoana fitokanana ara-diplômasia dia nipoitra indray teo amin' ny sehatra iraisam-pirenena i Kiobà, ary Kiobàna maro no nifindra monina tany Etazonia.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haitỳ - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kiobà - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Amerika AfovoanyAntiliaFiteny espaniôlaFiteny frantsayFiteny ôfisialyLa HabanaRanomasina Karaiba

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1925SinaAndriamasinavalonaBrexit2020AnthiyurAndrianampoinimerinaRavelonjanaharyMa Ying-jeouPoaceaeAlahamadyOzbekistànaHasina (hery tsy hita maso)Lisitry ny gazety ao MadagasikaraVictoire RasoamanarivoHoratio NelsonRoman PolanskiFanatontoloanaBetsileoTsekiaConstantin StanislavskiSadoseoRaki-pahalalanaFilôzôfiaFaritanin' AntananarivoMpampiankina fehezankevitraSydneySiansa ara-tsôsialyISO 4217Fiteny malagasyvietnamyBokin' ny GenesisyGoogleFerenc AndrásAngatra (aretina)Faritra AndroyTestamenta TalohaFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranySiansaEzraFady (malagasy)KiantenyFransiskanina1840LibiaKazakstànaFanalana faditra1968Bokin' i EzekielaSandam-bolaGaliaFiangonana Loterana MalagasyMalakiaKristianismaÔseaniaKalandrie litorjika katôlika rômaninaIràkaKilamba-KiaxiWilliam III an'i AngleteraZambiaFanambadianaVolana (fotoana)Isaia (mpaminany)Fifohazana (kristianisma malagasy)KainaSampan-tenyAntandroyVoahiranaJesoaFiteny tiorkaFanavakavahana🡆 More