Fiteny Torkmena

Ny fiteny torkmena dia fiteny torkika ampiasain' ny Torkmena any Azia Afovoany, indrindra any Torkmenistàna sy any Iràna ary any Afganistàna.

Misy mpiteny teratany 5 tapitrisa eo ho eo io fiteny io ao Torkmenistàna, ny 719 000 fanampiny dia monina any avaratra-atsinanana amin' i Iràna, 1,5 tapitrisa ny any avaratra-andrefana amin' i Afganistàna ary 155 000 ny any Pakistàna. Indraindray izy dia atao hoe fiteny torkika torkmena na fiteny tiorka torkmena.

Fiteny Torkmena
Ny faritra itenenana ny fiteny torkmena ao Azia Afovoany.

Nosoratana tamin' ny abidy arabo nasiam-panamboarana ny fiteny torkmena, avy eo tamin' ny abidy latina hatramin' ny taona 1940. Noteren' ny fanjakana sôvietika ny famoronana karazana abidy sirilika hanoratana ny fiteny torkmena. Nanomboka tamin' ny 1 Janoary 1997, ny abidy ôfisialy ampiasaina dia abidy latina misy mari-tsoratra vitsivitsy, manakaiky ny an' ny fiteny tiorka.

Amin' ny fiteny torkmena io fiteny io dia atao hoe türkmençe, түркменче, تۆرکمنچه na türkmen dili, түркмен дили, تۆرکمن ديلی.

Manana sata ôfisialy ao Torkmenistàna ny fiteny torkmena, saingy tsy manana sata ôfisialy any Iràna sy Afganistàna ary any Pakistàna, izay misy fianakaviambe torkmena lehibe. Ny fiteny torkmena dia tenenina koa ao amin' ny fianakaviambe torkmena ao Ozbekistàna sy ao Tajikistàna ary amin' ny fianakaviambe am-pielezana, indrindra any Torkia sy any Rosia.

Fiteny iray ao amin' ny sampana ôgozy (na ôgoza) amin' ny fiteny torkika ny fiteny torkmena. Ny endrika manara-penitry ny fiteny torkmena (tenenina ao Torkmenistàna) dia mifototra amin' ny tenim-paritry ny foko Teke (Teke), raha ny fiteny torkmena iraniana kosa mampiasa ny ankamaroan' ny tenim-paritry ny foko Iômoda (Yomud), ary ny fiteny torkmena afgana dia mampiasa karazany ao amin' ny foko Esrary (Ersary). Mifandray akaiky amin' ny fiteny azerbaijany (na azery) sy ny fiteny tatara krimeana sy ny fiteny gagaoza sy ny fiteny kaskay ary ny fiteny tiorka ny fiteny torkmena, ny mpiteny azy ireo tsirairay dia afaka mifankahazo fiteny amin' ny ampahany be na kely.

Na izany aza, ny akaiky indrindra ny fiteny torkmena dia heverina ho ny fiteny torkika kôrasany (khorasani), izay ampiasaina any amin' ny faritra avaratra-atsinanana amin' i Iràna ary samy ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fiteny ôgoza, ary koa ny fiteny kôrazmy (khorazm) izay fitenim-paritra ao amin' ny fiteny ozbeka, ampiasaina indrindra ao amin' ny faritra Khorezm manaraka ny sisintanin' i Torkmenistàna.

Any amin' ny toerana hafa any Iràna, ny fiteny torkmena dia laharana faharoa aorian' ny fiteny azerbaijany (na azery) raha ny isan' ny mpiteny ny fiteny torkika ao Iràna no heverina.

Ny Torkmena irakiana sy ny Torkmena siriana dia miteny amin' ny fitenim-paritra izay mampitohy ny fiteny tiorka sy ny fiteny azerbaijany, amin' ireo tranga roa ireo dia misy fiantraikany ny fiteny arabo. Ireo karazany ireo dia tsy isaina ho fiteny torkmena ato amin' ity lahatsoratra ity.

Ny fiteny torkmena, tsy tahaka fiteny hafa ao amin' ny sampana ôgoza, dia nitahiry ny ankamaroan' ny endri-javatra miavaka sy tranainy amin' ny fiteny ampiasain' ny Tiorka Ôgoza tany am-boalohany, anisan' izany ny halavan' ny zanapeo.

Jereo koa

Tags:

AfganistànaAzia AfovoanyFianakaviam-piteny torkikaIrànaTorkmena (vahoaka)Torkmenistàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kilamba-KiaxiTorkmenistànaAhidamboFijyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoTestamenta VaovaoAndriamenaRichard I an'i AngleteraVatosoaPaiso (voany)HabakabakaPoaceae1989Anjara asa (fitsipiteny)FanahyFiteny tiorkaDarryl StarbirdTodyTsikafonkafombazahaFiraisana ara-nofoAsorotanyFiteny taỳWayback MachineTovaloTenerifeEzraSakalavaHypertext Markup LanguageMpampiankina fehezankevitraLibiaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)MôsikaoFahaterahanaSoratraSiansa ara-tsôsialyFanahy (kolontsaina malagasy)Hasina (zavamaniry)MadagasikaraEtazoniaSiddhartha GautamaHabakokaMain PageRy Tanindrazanay malala ôGnôstisismaGerd GanteförMerinaTambajotraKristianisma eto MadagasikaraFivavahanaFrantsaFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyLFiangonana Loterana MalagasyAntesakaOsyOraKanaana (faritra)Tobim-pifohazanaAmerikaPetra-kevitraRasoherinaFiteny kirondyLahatra (finoana malagasy)ÔseaniaMediaWikiLanitra (finoana)Fisoronana sy fanalana vintanaTrombaLisitry ny filohan' i MadagasikaraAlakaraboBaiboly amin' ny teny malagasyAmontana🡆 More