Fiteny Tatara Krimeana: Fiteny

Ny fiteny tatara krimeana na fiteny krimeana dia fiteny torkika, ao amin' ny sampana kiptsaka ampiasain' ny Tatara Krimeana (na Tatara any Krimea), izay vahoaka niorim-ponenena tany amin' ny saikinosy Krimea any  Okraina.

Ity fiteny ity dia tenenina ao Krimea sy any amin' ny diapôra tatara (any Ozbekistàna, sy any Torkia, any Romania ary any Bolgaria) ary koa any amin' ireo vondrom-piarahamonina kely any Etazonia sy any Kanada. Atao hoe qırımtatar tili, къырымтатар тили na qırım tili, къырым тили io fiteny io amin' ny fiteny tatara krimeana.

Fiteny Tatara Krimeana: Fiteny tsy tokony hafangaro aminy, Isan ny mpiteny tatara krimeana, Fanakilasina sy fitenim-paritra
Fiteny tatara krimeana

Heverina ho fitenin' ny vitsy anisa ao Krimea (Okraina) sy ao Dobrogea (Romania) izy io, raha manodidina ny 2 tapitrisa ny mpiteny azy eran-tany, ka ny 90 000 amin' izany dia ao Torkia, any amin' ny faritanin' i Adana sy ny faritanin' i Eskişehir ary ny faritanin' i Ankara.*

Fiteny tsy tokony hafangaro aminy

Tsy tokony afangaro amin' ny fiteny tatara izay tenenina any Tatarstàna sy any amin' ny faritra maromaro mifanila aminy ao Rosia ny fiteny tatara krimeana; mifandray ireo fiteny nefa ao amin' ny vondrona roa samy hafa amin' ny fiteny kiptsaka, nefa ny mpiteny azy ireo dia mbola tena afaka mifankahazo fiteny. Nisy fiantraikany betsaka aminy ireo fiteny ôgoza manakaiky azy.

Ny fiteny tatara krimeana koa dia tsy tokony hafangaro amin' ilay fiteny torkika hafa, izay nampiasain' ny Karaima nifarana tamin' ny 1941, dia ny fiteny karaima, ary koa ny fitenin' ny Jiosy Krimtsaka, dia ny fiteny krimtsaka, izay mizara ho vondrona roa, dia ny fiteny krimtsaka atsinanana, tonga tao Krimea avy any Bizantioma miteny grika tamin' ny ny taonjato faha-12 sy ny fiteny krimtsaka andrefana, izay akaiky azy, nefa misy teny avy amin' ny fiteny hebreo sy avy amin' ny fiteny arameana.

Isan' ny mpiteny tatara krimeana

Amin' izao fotoana izao dia mihoatra ny 260 000 ny Tatara Krimeana monina ao Krimea. Manodidina ny 150 000 no monina any Azia Afovoany (indrindra ao Ozbekistàna), izay nanaovan' ny Firaisana Sôvietika sesitany ny razambeny tamin' ny taona 1944 nandritra ny Ady Lehibe II. Na izany aza, amin' ireo olona rehetra ireo, ny ankamaroan' ny taranaka taloha ihany no mbola miteny tatara krimeana.

Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho akaiky tsy hisy mpiteny intsony ilay fiteny, izay ampianarina any amin' ny sekoly miisa 15 eo ho eo monja ao Krimea. Nanome fanohanana an' i Okraina i Torkia amin' ny fampivoarana ny sekoly mampianatra ny fiteny tatara krimeana mba ho môderina. Tombanana ho 5 tapitrisa ny olona manam-piaviana krimeana monina any Torkia, taranak' ireo mpifindra monina tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Tombanana ho 110 000 amin' ireo no mbola mampiasa ny fiteny tatara krimeana. Misy vondrom-piarahamonina tatara krimeana kely hita any Romania (22 000) sy any Bolgaria (1 400). Ny fiteny tatara krimeana dia iray amin' ireo fiteny tena tandindomin-doza any Eorôpa.

Saika ny Tatara Krimeana rehetra dia miteny amin' ny fiteny roa na mihoatra izany, mampiasa ho fiteniny voalohany ny fiteny manjaka ao amin' ny firenena onenany, toy ny fiteny rosiana, ny fiteny tiorka, ny fiteny romaniana, ny fiteny ozbeka, ny fiteny bolgariana na ny fiteny okrainiana.

Fanakilasina sy fitenim-paritra

Ny fiteny tatara kimeana dia misy fitenim-paritra telo. Ny fiteny filamatra dia soratana amin' ny fitenim-paritra afovoany, izay anisan' ny sampana kiptsaka ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika ary izy no fitenim-paritra be mpampiasa indrindra. Misy koa ny fitenim-paritra atsimo, fantatra koa amin' ny hoe ny fitenim-paritra amorontsiraka, izay ao amin' ny sampana ôgoza ampiasaina any Torkia sy any Azerbaijàna, ary ny fitenim-paritra avaratra, antsoina koa hoe fitenim-paritra nôgay, izay tenenina any Kazakstàna.

Ny fiteny tatara krimeana dia manana toerana tsy manam-paharoa eo amin' ny fiteny torkika, satria ny "fitenim-paritra" telo dia an' ny zana-bondrona telo samy hafa ao amin' ny fiteny torkika. Izany dia manasarotra ny fanasokajiana ny fiteny tatara krimeana amin' ny ankapobeny.

Jereo koa

Tags:

Fiteny Tatara Krimeana Fiteny tsy tokony hafangaro aminyFiteny Tatara Krimeana Isan ny mpiteny tatara krimeanaFiteny Tatara Krimeana Fanakilasina sy fitenim-paritraFiteny Tatara Krimeana Jereo koaFiteny Tatara KrimeanaBolgariaEtazoniaFiteny kiptsakaFiteny torkikaKanadaKrimeaOkrainaOzbekistànaRomaniaTatara KrimeanaTatara any KrimeaTorkia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MarovatoVondrona EorôpeanaJodaismaBenjamin DisraeliTsindrimandry (fivavahana)Le BouscatConstantin StanislavskiJerosalemaOraEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)KabaryRégis Rajemisa RaolisonAKanaana (faritra)FamoranaAngatra (aretina)Mark JerrumTantaran' i MadagasikaraFanjakan' i Israely (mitambatra)SôlômônaFahababoana tany BabilônaRaki-pahalalanaTondra-dranoTambajotraEpistily ho an' ny RômanaMaleziaFanekem-pinoana apôstôlikaWilliam III an'i AngleteraTobilehibeFiarakodiaFiteny hindỳFahasalamanaFaritra MelakyFanalana faditraRepoblika Fahefatra (Madagasikara)FamadihanaZanabintanaFiteny tataraSilamoTsinyAmbatolampy TsimahafotsyHoratio Herbert KitchenerBorondyLibiaRoandaHavatsa-UPEMTsirintenyFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaFampakaram-bady tao KanàAlahasatyTendryFiteny betsileoFiteny malagasyTantaran'i MadagasikaraAnjara asa (fitsipiteny)FototenyIndiaHasina (hery tsy hita maso)ZanatenyHasinaDokuWikiLaurent CantetNMa Ying-jeouFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraJohn DaltonAsa AkiraFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyAostraliaFivavahanaAlakaosy🡆 More