Fiteny Ozbeka

Ny fiteny ozbeka dia fiteny anisan' ny vondrom-piteny torkika ao amin' ny fianakavian-piteny altaika, ampiasain' ny olona 50 tapitrisa mahery.

Ampiasaina indrindra any Azia Afovoany izy, indrindra any Ozbekistàna (28 tapitrisa eo ho eo amin' ny Ozbeka 30 tapitrisa sy Ozbekistaney 34 tapitrisa), izay manao azy ho fiteny ôfisialy, ary koa any Tajikistàna (1 300 000), any Kirgizistàna (1 000 000), any Torkmenistàna (500 000) sy any Afganistàna (4 500 000). Any Sina (faritany oigoro ao Xinjiang) (393 000) ihany koa dia itenenana azy.

Fiteny Ozbeka
Faritra itenenena ozbeka

Ny fiteny ozbeka ankehitriny dia avy amin' ny fiteny tsagatay (na jagatay), izay niandohan' ny fiteny oigoro ihany koa. Ny emira Mir Alisher Navoi, pôeta sy filôzôfa lehibe tamin' ny taonjato faha-16, dia nandray anjara betsaka tamin' ny famolavolana ny fiteny ozbeka môderina. Ny fiteny ozbeka ôfisialy amin' izao fotoana izao dia mifototra amin' ny fitenim-paritr' i Ferghana sy, amin' ny lafiny kely kokoa, amin' ny an' i Tashkent. Azo atao koa ny manamarika ny fitenim-paritra karloka, kiptsaka ary ôgoza.

Atao hoe Oʻzbekcha, Oʻzbek tili -- Ўзбекча, Ўзбек тили -- اۉزبېکچە, اۉزبېک تیلی / oʻzbekcha, oʻzbek tili ity fiteny ity amin' ny fiteny ozbeka sy amin' ny tarehin-tsoratra latina sy sirilika ary persô-arabo.

Jereo koa

Tags:

AfganistànaAzia AfovoanyFianakaviam-piteny altaikaFianakaviam-piteny torkikaFiteny ôfisialyKirgizistànaOigoro (vahoaka)Ozbeka (vahoaka)OzbekistànaRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaTajikistànaTorkmenistàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AlahasatyKristianisma eto MadagasikaraKabary tera-baoFifohazana AnkaramalazaSadoseo\BrexitCaliforniaAntambahoakaBokin' i DanielaNazaretaEorôpaTsikafonkafombazahaFifohazana SoatanànaWikiNôvambraFerenc AndrásBaiboly katôlikaAnatôliaBaraFiteny hindỳDarryl StarbirdKolontsainaMassachusettsFanandroana malagasyRepoblika MalagasyFiteny araboTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFiteny tamilyAntanosyFampakaram-bady tao KanàMontanaLambo diaFitsarana faranyJesoa1911Okraina1968Bokin' i IsaiaMerinaGaliaTetiandro malagasyTantaraRamevaw97csAmpiposahana (faritra)Ranavalona IIIAmpongaTerakaPetra-kevitraAast, Pyrénées-AtlantiquesOzbekistànaFahaterahanaSorona masinaPôlitika eto MadagasikaraKilamba-KiaxiMpampiankinaFiteny tiorkaWikipediaFiteny betsileoMpampitohy (fitsipiteny)TsekiaHypertext Markup LanguageBenjamin DisraeliOlombelonaZanabintanaJôbaAnanaRajoelina AndryFiteny hebreoBorondySilamo🡆 More