Vahoaka Ozbeka

Ny Ozbeka dia vahoaka any amin' ny faritra midadasika any Azia Afovoany, anisan' ny vondrom-poko tiorkika lehibe indrindra ao amin' ilay faritra, miteny amin' ny fiteny torkika, monina indrindra any Ozbekistàna, sy any Afganistàna ary Tajikistàna koa.

Miisa any amin' ny 35 tapitrisa izy ireo maneran-tany tamin' ny taona 2021. Atao hoe Oʻzbek, Ўзбек, اۉزبېک (raha maro: Oʻzbeklar, Ўзбеклар, اۉزبېکلر) izy ireo amin' ny teny ozbeka.

Vahoaka Ozbeka
Ozbeka eny amin' ny tenan' i Khiva, any Ozbekistàna

Faritra sy firenena ahitana azy

Ny ankamaroan' ny mponina ao Ozbekistàna dia Ozbeka (27,7 tapitrisa), makaiky ny foko vitsy anisa Kazàka sy Karakalpaka vitsy anisa. Ankoatr' ireo any Afganistàna (3,5 tapitrisa) sy any Tajikistàna (845 000) dia ahitana azy ireo ihany koa, fa vitsy anisa, any Kirgizistàna (970 000), any Kazakstàna (617 000), any Torkmenistàna (558 000), any Rosia (360 000), ary any Sina (14 800, ao amin' ny Faritanin' i Xinjiang). Misy koa ny zanaka am-pielezana ozbeka any Torkia (45 000), any Arabia Saodita (170 000), any Etazonia (70 000), any Okraina (22 400), any Aostralia (2 400), any Môngôlia (560) ary any amin' ny firenena maro hafa.

Tantara

Tahaka ny vahoaka maro hafa ao amin' ny faritra misy azy, ny Ozbeka dia avy any Môngôlia. Lasa tao anatin' ny Empiran' i Genghis Khan izy ireo, ka nanatevin-daharana ny Ulug Ulus ("Fanjakana Lehibe") tamin' ny taonjato faha-14. Niorim-ponenana any avaratr' i Amu-Daria izy ireo taorian' ny fahareseny teo anoloan' ny Persiana (taona 1510) ary nanangana ny Kanatan' i Khiva, ny an' i Bukhara ary ny an' i Kokand. Tamin' ny taonjato faha-19, ireo fanjakana madinika ireo, izay matetika niady tamin' izy samy izy, dia nampidirin' i Rosia tao amin' ny fanjakany. Niezaka namerina ny fahaleovantenany ny Ozbeka tamin' ny andron' ny Revôlisiôna Rosiana ary nanohitra ny Bôlsevika hatramin' ny taona 1924. Maro no tsy nanaiky ny fitondrana sôvietika ka nialokaloka tany Afganistàna.

Kolontsaina

Ny Ozbeka dia niaraha-miaina tamin' ny Tajiky (izay ahitana fifanoherana indraindray) ary nizara amin' izy ireo karazana fomba fiaina. Miteny tiorkika izy ireo sady Mozilmana sonita, nefa tsy nandao ny samanisma ny sasany aminy. Somary mpifindrafindra monina, mpamboly, na mpanao asa tanana (ireo nifindra monina tany Afganistàna) izy ireo.

Olom-poko sy olom-pirenena

Ny teny hoe Ozbeka dia manondro ny foko ozbeka, na any Ozbekistana na any an-kafa: 80 % amin' ny Ozbeka dia mipetraka ao Ozbekistana izay itanany ny 78 % amin' ny mponin' io firenena io. Ny teny hoe Ozbekistaney no manondro ny olom-pirenena rehetra ao Ozbekistàna na inona na inona fiaviany; ny foko hafa ao Ozbekistàna dia ny Tajiky, ny Rosiana, ny Karakalpaka, ny Kazaka, ny Tatara, ary ny foko madinika maro nafindran' i Joseph Stalin ao, toy ny Mesketiana, ny Grika ao Krimea na ny Oroma.

Jereo koa

Tags:

Vahoaka Ozbeka Faritra sy firenena ahitana azyVahoaka Ozbeka TantaraVahoaka Ozbeka KolontsainaVahoaka Ozbeka Olom-poko sy olom-pirenenaVahoaka Ozbeka Jereo koaVahoaka OzbekaAfganistànaAzia AfovoanyFianakaviam-piteny torkikaFiteny ozbekaOzbekistànaTajikistànaTorkika (vahoaka)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

BengkuluLisitry ny firenenaJesoa araka ny silamoSora-tanana tao Nag HammadiUrmia (farihy)Zanak' i IsraelySodànaApplePeròEmpira Mpanjanaka FrantsayDidy FoloGregor MendelBetsimisarakaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesAlakaosyDiana, Andriambavin'i ValesaBaianópolis1701Afrika AfovoanyLilleGorontaloFanjakan' i MenabeFanjakan' ImerinaMananasy (kaominina)Mozilla FirefoxSahih al-TirmidhiIsa miibaAlahasatyAnaranaHenryk KasperczakIsraelyStonehengeHermann LeyGineaEsenianaJogailaRanomasimbe IndianaFaritra SavaRadama VoalohanyFaritra SofiaFikomian' i Bar KokhbaNederlandyFandraisanaAjmerShoahTsuyamaAl-TirmidhiFiavian' i Kristy fanindroanyDavid PizarroMassimo Dallamano11 AprilyMiaramilaAsiriana (vahoaka)Arthur KrauseHerinandroMakyClarksville, TennesseeJônà (mpaminany)KalamaraFitiavanaKafe (maniry)Tafi-Piarovan' i Israely1964Siansa152516 FebroaryFiteny anglisyJesoa ara-tantaraTexasMarshall Lefferts🡆 More