Abidy Sirilika

Ny abidy sirilika dia abidy slavy.

Ankehitriny izy io dia ampiasaina amin'ny fanoratana ny fiteny rosiana, okrainiana, belarosiana, rosina, biolgara, masedôniana ary ny fiteny serba-krôata. Io abidy io koa dia abidy voaterin'ny Firaisana Sovietika ampiasain' ny fiteny tsy slava toa ireo teny tao Kaokazy sy Siberia ary ny faritra avaratr' i Rosia.


а б в г д е ё ж з и й ј к л м н о п р с т у ф х һ ц ч џ ш щ ъ ы ь э ю я
а б в г д е ё ж з и й ј к л м н о п р с т у ф х һ ц ч џ ш щ ъ ы ь э ю я

Ny abidy sirilika dia noforonin' i Ohrid sy i Clément tamin' ny taonjato faha-9, izay nampianarin' ny moanina (na monka) roa, dia i Kyrillos sy i Methodios. Ny fototr' io abidy io dia ny abidy grika. Ny soratra glagôlitika no nampiasaina talohan' ny abidy sirilika.

Fampiasana ny abidy sirilika

Ampiasaina amin' ny fanoratana ny fiteny slavy ny abidy sirilika. Indrindraindridra ireo foko slavy ôrtôdôksa (nampiasa ny abidy latina ny Slavy katôlika):

  • bielôrosiana
  • bolgariana
  • masedôniana
  • rotenianina (na rosina)
  • rosiana
  • serba, izay mampiasa ihany koa ny abidy latina
  • okrainiana
  • rosiana taloha, tsy misy mpiteny intsony ankehitriny
  • slavy taloha, tsy misy mpiteny intsony ankehitriny
  • iraisam-slava (na interslavic)

Maro ihany koa ireo fiteny tsy slavy na indô-eorôpeanina mampiasa ny abidy sirilika. Izy ireo dia matetika tenenina ao Rosia (teny odmorta, kanty, nenetsy, ôsety); misy ihany koa ireo teny tenenina any ivelan' i Rosia toa ny fiteny môngôly, kazàka, kirgizy, tajiky izay fiteny altaika ary tiorkika.

Nosoratana tamin' ny alalan' ny abidy sirilika novaina ny fiteny romaniana; naharitra hatramin' ny taona 1918 izany fomba izany tao Besarabia. Ankoatra izany, tamin' ny 1940 hatramin' ny 1989 (ary hatrain' izao fotoana izao ao Transnistria), dia noteren' ny fahefana sôvietika sy ny governemanta taorian' ny sôvietika ny fampiasana ny abidy sirilika adika amin' ny soratra latina ao Môldavia.

Famadihana amin' ny abidy latina ny abidy sirilika

Famakiana ny literan' ny abidy sirilika

Ireo litera sirilika anoratana ny fiteny rosiana amin' izao no voakasika eto. Ny fomba famakiana ireo litera ireo mateti-pitranga no omena eto satria afaka miova izany, indrindra ny an' ny zanatsoratra, arakaraka ny toerana misy azy, arakaraka ny fisian' ny tsindrimpeo na ny tsy fisiany.

Sorabaventy Soramadinika Fanononana Famadihana ho litera latina
malagasy fiteny hafa
А а [a] a a
Б б [b] b b
В в [v] v v
Г г [g] g g
Д д [d] d d
Е е [ʲe] ie ye (na je alemàna)
Ё ё [ʲo] io yo (na jo alemàna)
Ж ж [ʐ] zh ž (na j frantsay)
З з [z] z z
И и [i] i i
Й й [j] i ï na y
К к [k] k k
Л л [ɫ] l l
М м [m] m m
Н н [n] n n
О о [o] ô o
П п [p] p p
Р р [r] r r
С с [s] s s
Т т [t] t t
У у [u] o (na u)

(mifanohitra amin'ny ô)

u (na ou frantsay)
Ф ф [f] f f
Х х [x] kh (na h tononina tokoa) kh (na ch alemàna)
Ц ц [t͡s] ts ts na c
Ч ч [t͡ɕ] tsh č (na ch anglisy na tch frantsay)
Ш ш [ʂ] sh š na sh (na ch frantsay)
Щ щ [ɕ:] shtsh šč (na chtch frantsay na shch anglisy)
Ъ ъ
Ы ы [ɨ] i i
Ь ь i y
Э э [ɛ] è è
Ю ю [ʲu] io (na iu) yu (na ju alemàna na you frantsay)
Я я [ʲa] ia ya (na ja alemàna)

Jereo koa

Abidy Sirilika 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Abidy Sirilika Fampiasana ny abidy sirilikaAbidy Sirilika Famadihana amin ny abidy latina ny abidy sirilikaAbidy Sirilika Jereo koaAbidy SirilikaFiraisana SovietikaFiteny bielôrosianaFiteny bolgarianaFiteny okrainianaFiteny rosianaFiteny rosinaFiteny serbaKaokazyRosiaSiberia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana zandrinyRazana (finoana malagasy)SodànaSongosongoFanjakan' i MenabeDokotraVoalavoAntefasyHeresiôlôjiaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFiteny frantsayAdy MangatsiakaSinôgramaFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyBaiboly amin' ny teny malagasyNy Avana RamanantoaninaAurangzebTantaraToekaren' i Madagasikara(101120) 1998 RO531993Dakota AtsimoBlaogyFamoranaRio de Janeiro (tanàna)24 MeyAndringitraMahmoud TaleghaniPennsylvaniaTestamenta VaovaoPatrick EbertFaritra SavaArkôntikaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKôngô-BrazzavilleSelaOntarioApôkalipsy voalohan' i JakôbaMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyLaîkaFiteny betsimisaraka avaratraSorona masinaRanavalona IIZorofirarazanaBiraom-panisan'i EtazoniaTeboka roaTeam Fortress 2HazomangaWÔseaniaMpaminany lehibeMpamaritra (fitsipiteny)VoronaEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloTranonkalaHypertext Markup LanguageHiragasyAdizaozaFanjakan' ImerinaJapànaMozikaFanandroanaAntanosyEndolzansyNorman BorlaugTontolo iainanaFanalana faditraMadagasikara zanatany frantsay🡆 More