Fiteny Esperantô

Ny fiteny esperantô dia fiteny namboarinʼ i Ludwik Lejzer Zamenhof tamin' ny faranʼ ny taonjato faha-19; fantatry ny olona taminʼ io anarana io ny fiteny esperantô.

Fiteny esperantô
Isan'ny mpiteny 100 000 (teny nibeazana); 1 hetsy hatramin'ny 2 tapitrisa ny isan' ny mpampiasa io fiteny io ho fiteny faharoa
Faritany Eran' izao tontolo izao
Sata Ampiasain' ny olona vitsivitsy ho fiteny ifandraisana amin' ny vahiny
Mpandamina Akademio de esperanto
Kaodim-piteny eo, epo
Soratra latina

Ny fitsipitenin' ny fiteny esperantô dia miorina amina fototra miisa 16, tsy misy tsy manara-dalàna.

Tantara

Ny fiteny esperantô dia fiteny noforonin' i Ludwik Lejzer Zamenhof, dokotera manana razana jiosy mipetraka any Pôlônia. Tamin' ny faran' ny taompolo 1870-1880 tany Białystok. Tanàna ahitana olom-pirenena maro dia maro: Pôlôney, Jiosy, Alemàna ary Belarosiana. Tsy dia mifanaraka firy ireo olom-pirenena ireo ary ny antony namoronany voalohany ny fiteny esperantô dia mba hampifanaraka azy ireo amin' ny alalan' ny famoronana fiteny iray iraisany.

Fiteny Esperantô 
Sarin'iLudwik Lejzer Zamenhof

Noketrehiny mandritry ny folo taona manontolo ny fiteny esperantô, ary nandritra izay fe-potoana izay izy dia nandika boky tamin' ny fiteny esperantô avy tamin' ny fiteny maro. Ary nandritra izay fe-potoana izay koa no nanoratany ny boky manazava ny fitsipi-pitenenan' ny fiteny esperantô. Nosoratany tamin' ny fiteny rosiana aloha izay boky izay, ary noho izany dia nosoratana tamin' ny endri-tsoratra sirilika ny fiteny esperantô voalohany; io boky nosoratany io dia navoakany tamin' ny volana Jolay 1887 ary izy ihany no nandoa ny vola ilaina namoahana io boky io. Nanaraka taorian' izay boky voalohany izay ny santiôna hafan' ilay boky hatramin' ny taona 1889.

Nitombo tsimoramora ny isan' ny olona nianatra ny fiteny esperantô nandritra ny taompolo 1890: eran' ny Empira Rosiana, dia taty aoriana, eran' i Eorôpa Afovoany sy Amerika Avaratra.

Tonga tany Japana tamin' ny Ady Rosiana-Japôney ny fiteny esperantô tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-20. Ary tao Guangzhou (Canton) no nianarana ny fiteny esperantô voalohany indrindra tany Sina tamin' ny taona 1908. Ny olona miteny esperantô manerana izao tontolo izao dia afaka mifandray amin' ny alanan' ny gazety manokana voasoratra amin' ny fiteny esperantô.

Firy ny isan' ny olona miteny esperantô ?

Sarotra isaina ny mpiteny esperantô; ny faminavinana dia milaza fa eo anelanelan' ny 100 000 sy 2 000 000 izany; io no isa nomen' ny tranonkala Etnologue

Ny fiteny esperantô dia fiteny naorina sy natao hianaran' ny olombelona ho fiteny faharoa. Tsy misy manakana ny mpahay azy hampianatra io fiteny naorina io amin' ny zanany anefa, ka noho izany dia misy, na dia vitsy aza, ny olona manao ny fiteny esperantô ho fiteny nibeazana. Araka ny ambaran' ny gazetiboky ary araka ny mpanidinika ny fiteny esperantô:

  • arivo no isan' ny olona manao ny teny esperantô ho teny nibeazana;
  • iray aloha eo ho eo isan' ny olona manana fahalalana tsara ny fiteny esperantô;
  • iray hetsy ka hatramin' ny iray tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona mahaihay ny fiteny esperantô;
  • folo tapitrisa any ho any ny isan' ny olona mahalala ny fiteny esperantô na efa nandinika azy akaiky (fa tsy nianatra azy hahafahany mifandray aman' olona amin' ny alalan' io fiteny io).

Filamatry ny fiteny esperantô

Ny fiteny esperantô dia tsy mifatotra amina fianakaviam-piteny velona, fa ny ankabeazan' ny fitsipiky ny fitenenana dia avy amin' ny fiteny indô-eorôpeanina. Io vondrom-piteny io dia nanome hevitra an' i Ludwik Lejzer Zamenhof tamin' izy "nanamboatra" ny fiteny iraisam-pirenena.

Ny endri-tenin' ny fiteny esperantô dia manahatahaka ny fiteny indô-eorôpeana, fa tsy fiteny fleksiônaly izy; manana hasin-teny tsy miovaova mipetaka tsy misy tsy mahazo, izay mampitranga endriky ny fiteny manaratsaraka hasinteny. Ny fiteny esperantô dia tahaka ny teny sinoa, ahitana ny hoe "mia" (tompon-javatra "-ko" amin' ny teny malagasy) ary hoe "unua" (voalohany) dia avy any amin' ny hoe unu ("iray").

Feon-teny sy soratra

Manana hasimpeo 28 ny fiteny esperantô (renifeo 23 sy zanapeo 5) izy ireo dia voasoratra amin' ny litera miisa 22 amin' ny abidy latina, miaraka amin' ny mari-tsoratra (diakritika) roa namboarin' i Zamenhof: ĉ, ĝ, ĥ, ĵ, ŝ, ŭ; ara-drafi-peo ny tsipelina: ny litera iray na vondron-ditera iray dia mampiseo hasimpeo iray. Ilay litera q, w, x, ary y dia tsy miasa amin' ny fanoratana ny fiteny esperantô, fa miasa amin' ny fanisàna.

Ny litera misy tendro dia niteraka olana kely, ohatra amin' ny fanontana printy amin' ny infôrmatika. Io olana io dia efa voavaha amin' ilay lamiona infôrmatika ampiasana amin' izao tontolo izao.


Fiteny Esperantô 
ESPERANTO - Alfabeto de Esperanto
Fiteny Esperantô 
Abidy sperantô


Feo

Zanatsoratra

Ambany Afovoany Ambony
Mihidy [i] i [u] u
Afovoany [e] e [o] o
Mivoha [a] a

Lahatsoratra

  Bilabiale Labio-dentale Labio-vélaire Dentale Alvéolaire Post-alvéolaire Palatale Vélaire Glottale
Occlusive p p b b     t t d d       k k g g  
Affriquée         ʦ c ʧ ĉ ʤ ĝ      
Fricative   f f v v     s s z z ʃ ŝ ʒ ĵ   x ĥ h h
Nasale m m     n n          
Latérale         l l        
Roulée         ɾ r        
Approximante     w ŭ       j j    

Fitsipi-pitenenana

Ny fitsipi-pitenenanan' ny fiteny esperantô dia miorina amin' ny fototra 16 voadika ao anatin' ny Fundamento de esperanto. Ny teny dia miforona rehefa ampiana hasin-teny tsy miova toetra rehefa apetaka amin' ny fototeny, manome azy tondro:

Matoanteny

Ny matoanteny dia misy marika manome fitanisana manambara ny filazam-potoana sy ny filaza.

Ireo tovana ireo dia afaka mamadika teny ho matoanteny.

  • Ohatra voalohany: muziko [mu.zi.ko] ("mozika", "hira") → li muzikas [li.mu.zi.kas] ("milalao mozika izy")
  • Ohatra faharoa: ĝoja [ʤo.ja] ("ravoravo") → ĝoji [ʤo.ji] ("lasa falifaly")

Teny fiasàna

Mpisolo tena sy tompon-javatra

Ny mpisolo tena amin' ny fitsipiteny espêranto dia mi ("izaho"), vi ("ianao", "ianareo"), li, ŝi, ĝi ("izy"), si ("ny tena"), ili ("izareo") ary oni ("isika"). Amin' ny endrika fameno daholo izy raha tsy mitana ny anjara asa lazaina.

Mpanoritra

Iray ihany ny mpanoritra amin' ny fiteny esperantô: la ("ny"). Tsy misy mpanoritra hafa miasa.

Rafitry ny fehezanteny

Mitovy amin' ny fiteny rosiana sy ny latina, dia malalaka ny filaharan' ny teny. Ny lazaina sy ny matoanteny ary ny fameno (amin' ny endrika araka anjara asa fameno) mety miseho anatin' ny filaharana maro samihafa.

Rohy ivelany

Fandalinana

Tags:

Fiteny Esperantô TantaraFiteny Esperantô Firy ny isan ny olona miteny esperantô ?Fiteny Esperantô Filamatry ny fiteny esperantôFiteny Esperantô Feon-teny sy soratraFiteny Esperantô Fitsipi-pitenenanaFiteny Esperantô Rohy ivelanyFiteny EsperantôFiteny (heviny mivelatra)Ludwik Zamenhof

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bielôrosia2 DesambraZon' olombelonaFiteny espaniôlaMpampiankina fehezankevitraFiarahamoninaForyBokin'i HenokaDemôkrasiaTorkmenistànaSoavalyAlahasatyKataraAndry RajoelinaToetanin-jana-pehin-tanyWiki1188Fanahy MasinaVintana (finoan-drazana malagasy)Ray aman-drenyRepoblikan' i KôngôKuroisoSamgaraSorona masinaFaritra AnosyPio IVTestamenta TalohaAntesakaSinaMasikoroFiteny nepaleyJônà (mpaminany)FibebahanaTsirinteny sara-droaFiteny malayKôngô-Brazzaville1974Sôdôma1971GanàFaritany eto MadagasikaraFokom-pirenen' i BenjaminaFanagasianaRabibyFanjanahantanyNikôlà IIIFiteny sakalavaFanatitraAmbositraRSSAmbohimangaFivavahana eto MadagasikaraFoko folo veryAlakaraboLoteranismaSaolyTsirintenyPapaAfoSiriaMickey MouseFitampohaWiki CommonsRepoblika MalagasyFanandroana malagasyEorôpa AtsinananaAntemoroMpisolo tena (fitsipiteny)Théophile Seyrig🡆 More