Tantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro

Ny tantaran' ny Tamba-nosin' i Kômôro dia tantara efa ela, ka ny tena fantatra dia nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany.

Efa nisy ny mponina nanorim-ponenana tao amin' ireo nosin' i Kômôro nanomboka tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonarivo voalohany. Nitovitovy ny tantaran' ireo nosy ireo na dia tsy nitambarany aza. I Frantsa, izay firenena mpanjana-tany tamin' ny fotoanandrony, no nampiray ara-panjakana azy ireo talohan' ny hisarahany indray taorian' ny taona 1976 raha nanapa-kevitra tsy hiala amin' i Frantsa i Mayotte fa ny nosy telo kosa nitambatra nahaleo tena ka nitondra ny anarana hoe Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro (République Fédérale Islamique des Comores). Tsy nisy ny fahamarinan-toerana ara-pôlitika fa fahasahiranana no nanjaka nandritra ity repoblika ity izay nahitana fanonganam-panjakana miisa telopolo nadritra ny roapolo taona. Nisy ny fanavaozana teo amin' ny pôliltika sy ny toekarena ary niova anarana ho Firaisan' i Kômôro (Union des Comores) ilay repoblika tamin' ny taona 2001.

Tantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro
Tangoro-nosin' i Kômôro

Tamin' ny Andro Antenatenany

Tokony ho tany amin' ny taonjato faha-7 no nisy olona voalohany tao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro. Tamin' ny taonjato faha-8 sy faha-9 dia nanomboka nisy olona niorim-ponenana. Ny mponina voalohany dia toa ireo mponina soahily voalohany, izay manana kolontsaina banto niely tamin' ny sisin' i Afrika Atsinanana avy any Sômalia ka hatrany Môzambika, izay nanam-pifandraisana tsy tapaka (izay mbola tsy tena fantatra mazava) tamin' ny Malagasy manam-piaviana aostrôneziana.

Taty aoriana i Mayotte sy i Nzwani no nisy mponina satria ireo nosy roa ireo dia miavaka amin' ny nosy sisa noho ny fivoarana ara-piteny azy manokana, sy ny fisian' ny fianjadiana malagasy izay miavaka. Ny raharaham-barotra an-dranomasina, izay niroborobo tamin' izany fotoana izany, dia manaporofo ireo fifandraisana tamin' ny Atsinanana Afovoany miozolmana, indrindra i Persia (na Persa) sy i Ômàna. Ny mponina voalohany dia toa tsy Miozolmana, ary tsy nandray ny finoana silamo raha tsy taty aoriana, tamin' ny fifampikasohana tamin' ny mpivarotra arabo.

Ny Tangoro-nosin' i Kômôro dia fetra atsimo amin' ny faritra ara-kolontsaina soahily izay mandroso nanomboka amin' ny Andro Antenatenany tao amin' io faritra io izay nantsoina hoe Zanguebar tamin' izany fotoana izany; i Mayotte dia teboka fihaonana ao amin' io faritra io amin' ny kolontsaina malagasy, izay hafa tanteraka, izay nahatonga an' io nosy io ho fihaonan' ireo kolontsaina samihafa - nefa koa lasibatry ny ady. Ny fianjadiana avy amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana manontolo, sy avy amin' ny morontsiraka afrikana, izay voakorontan' ny fipoiran' ny vahoaka banto tampoka, sy ny morontsiraka malagasy, dia tsy mitsahatra namolavola ny fiarahamonina soahily a-nosy. Ny fifidrà-monina banto sy malagasy (Sakalava) dia nanombola moramora.

Araka ny lovantsofina dia ny Antalaotra, izay vahoaka vokatry ny fifampikasohan' ny mponina eo an-toerana sy ny mpiavy avy any Arabia sy avy any Atsinanana, no mponina niorim-ponenana tao Kômôro. Niova finoana ho amin' ny fivavahana silamo, vokatry ny fahatongavan' ny Arabo, ny mponina tao nanomboka tamin' ny taonjato faha-12. Ireo Arabo ireo no nanome anarana ireo nosin' i Kômôro io (izay atao amin' ny teny arabo hoe Jazayr al-Qamar "Nosin' ny Volana"). Ny Tambanosin' i Kômôro dia tafakambana tao amin' ny raharaham-barotra soahily mampifandray ny morontsiraka atsinanana amin' i Afrika sy ny Atsinanana Akaiky ary ny Atsinanana.

Tamin' ny taonjato faha-13 sy faha-15 dia lehibe miozolmana (ny Fani) no nitarika ny fandaminana ny tamba-nosy. Lehibe dia lehibe ny fifampikasohana ara-kolontsaina amin' ny morontsiraka soahily sy amin' i Madagasikara.

Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy Persiana avy any Chiraz izay efa tao Zanzibar sy tao Kilwa ary tao amin' ny morontsiraka afrikana, izay niorim-ponenana tao Kômôro, ka tao izy ireo no namorona fatoram-pihavanana tamin' ny lehibe tao an-toerana, ka namorona foko izay nihananjary soltanata.

Andro klasika

Tamin' ny taona 1453, tamin' ny faharavan' i Kônstantinôpla dia nikatona tampoka ny lalana ara-barotra izay nampitohy an' i Eorôpa amin' ny Tontolo Atsinanana. Nisokatra ny andro volamena ho an' ny raharaham-barotra an-dranomasina, izay mihodidina an' i Afrika mba hankanesana any India sy Sina: ny Lakandranon' i Môzambika dia lasa eo afovon' ny lalan' ny raharaham-barotra lehibe maneran-tany, izay niteraka vanimpotoam-piroboroboan' ny toekarena tao amin' ny nosy maro sy tanàna-fanjakana ao amin' ny faritra ara-kolontsaina soahily.

Tamin' ny taona 1470 ny soltàna shirazy (avy any Persia) dia nanorim-ponenana tsikelikely tao amin' ireo nosin' i Kômôro, izay nekem-pahefana hatramin' ny taonjato faha-19. Izany vanimpotoana izany no niorenan' ny fivavahana sonita safeita izay mbola arahina hatramin' izao.

Tamin' izany fotoana izany dia lasa nosy mandroso indrindra tamin' ireo tangoro-nosy i Nzwani, satria namporisihin' ny tantsambo: noho izy manana morontsiraka telo, ny tantsambo dia natoky fa afaka mialoka tsy ho azon' ny rivotra, ary ny fiantsonana ao dia tsara dia tsara; ny Pôrtogaly dia nanao an' izany ho toeram-piatoana amin' ny lalana mankany amin' ireo India, ary nametraka fifandraisana ara-barotra amin' ny mponina.

Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-16 no nanombohan' ny fifandraisana mivantana amin' ny vahoaka eorôpeana, ary voalohany ny tantsambo pôrtogey, nefa koa ireo tantsambo ôtômàna toa an' i Piri Reis.

Ny tamba-nosy dia fantatry ny Eorôpeana tsara tamin' ny taona 1751. Ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia vanimpotoana nampiroborobo ny toekaren' i Kômôro, izay mipetraka eo amin' ny lalan' ny varotra mandroso teo amin' i Eorôpa sy izay ho lasa Empira Ômaney. Izany harena izany dia niteraka fifanandrinana ara-pôlitika eo amin' ireo nosy efatra (izany no niteraka ny fitenenana hoe "soltàna mpiady lava"), izay niteraka fifanafihana am-pitaka maro sy ady misokatra: tamin' ny taona 1742 hatramin' ny taona 1791 dia nanatanteraka andrana hahazoana ny soltanatan' i Mayotte ny soltànan' i Nzwani, ary nangalatra ny minbar vita amin' ny hazo voasokitra tao amin' ny môskean' i Tsingoni.

Tamin' ny taona 1795 hatramin' ny 1820 dia nahalao monina ny nosy telo madinika ny fanafihan' ny jiolahin-tsambo malagasy (Sakalava sy Betsimisaraka), ka niteraka fahasahiranana ara-toekarena lehibe miampy korontana ara-pôlitika, izay nahitana famonoana soltàna maro sy fakana fahefana avy amin' ireo andriamanjaka vahiny (malagasy, zazibariana, ômaney, sns). Ny mpanjaka sakalavan' i Boina taty Madagasikara, Andriantsoly, dia nanome ny fiarovany any soltànan' i Mayotte, Bwana Combo, izay notakalozana ny antsasaky ny nosiny, nefa nandroaka azy hiala an' i Mwali.

Andriantsoly dia nanandrana niaraka tamin' ny soltàna manam-piaviana malagasy merina Ramanetaka (izay lasa mpanapaka an' i Mwali ka naka ny anarana hoe Abderahmane), izay nisafidy ny hamabo azy mba ho lasa soltàna miara-manapaka an' i Mayotte hisolo azy. Nandroaka an' Andriantsoly avy ao Mayotte tamin' ny taoa 1836 izy mba hanjaka tokana eo amin' ny nosy, nefa nankany Mwali indray. Andriantsoly dia niaraka tamin' ny soltàna Abdallah ao Nzwani mba haka an' io nosy io indray. Andriantsoly dia nirary ny hitandro ny fizakan-tenan' ny nosiny manoloana ireo andriamanjaka kômôriana, ary ny hiaro azy amin' ny fanafihan' ny jiolahin-tsambo: nefa raha tsy misy mpiara-dia hanohitra ireo farany ireo sy hanohitra ny fanjakà-mpanjaka malagasy izay notohanan' ny Britaina Lehibe, nahatsiaro tena ho voarahona izy. Nitodika tany amin' ny fahavalon' ny Britanika izy, dia ny Frantsay, izay tao Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1643, izay tonga naka an' i Nosy Be.

Tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-18 dia nanakarama jiolahin-tsambo eorôpeana voaenjika avy any amin' ny Ranomasin' ny Antilia ireo soltàna ireo, ka izany dia nanokatra varavarana amin' ireo mpikarama an' ady sy ireo mpitady zava-baovao izay tsy nitsahatra niditra an-tsehatra tamin' ny raharaha pôlitika teo an-toerana. Ny jiolahin-tsambo malagasy dia nandravarava an' i Nzwani tamin' ny taona 1790.

Tamin' ny 25 Avrily 1841, ny soltàna Andriantsoly, izay nahatsikaritra fa tsy ho azony arovana intsony ny nosiny izay saika tsy misy olona intsony vokatry ny ady tsy an-kijanona (ny tanàna madinika rehetra dia nilaozan' olona afa-tsy i Dzaoudzi), dia nivarotra an' i Mayotte amin' i Frantsa (1843), izay natakalo fandoavam-bola mandra-pahafatiny sy fanomezana alalana ny hitaizana ireo zanany any La Réunion antohan' ny Frantsay. Tamin' izany fotoana izany, i Louis-Philippe I, mpanjaka frantsay farany, dia nanambatra an' i Mayotte amin' i Frantsa.

Tamin' izany fotoana izany ihany dia tonga ny Eorôpeana voalohany, dia ny Pôrtogey, izay niantsona tao amin' ilay tamba-nosy, ka ny sasany tamin' izy ireo dia nanao ny asan' ny jiolahin-tsambo nokaramain' ireo soltàna, izay tsy nitsahatra ny niady tamin' izy samy izy sady ny tanin' izy ireo dia nianjadian' ny famelezan' ny Malagasy. Tamin' ny farany dia ny nosy Nzwani (Anjouan) no nanjakazaka tamin' ilay tamba-nosy manontolo, izay matetika teo ambany fanapahan' ireo soltàna.

Tamin' ny taona 1843 dia nividy an' i Mayotte tamin' ny soltànany i Frantsa. Natsangana ny prôtektôrata izay niitatra tamin' ireo nosy telo sisa tamin' ny taona 1885 sy 1886.

Andro Ankehitriny

Nifamatotra amin' i Frantsa ny hoavin' i Mayotte nanomboka tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-19, fa ny nosy telo kosa dia nanana ny fahaleoban-tenany nandrintra ny fotona iray, nefa nitsiriritra sy nanambitamby azy ireo ny firenena matanjaka any ivelany. Tamin' ny taona 1851, tamin' ny alalan' ny Expédition d'Anjouan dia nanao fifanaraham-barotra mana-tobony manojana an-tery tamin' i Nzwani i Etazonia.

Maro ireo Eorôpeana izay niorim-ponenana miandalana tao Kômôro,nividy tany sy andevo tao, ka lasa nanan-karena, toa an' i Léon Humblot (tonga tamin' ny taona 1884) izay nanao fanekena tamin' ny soltànan' i Bambao atao hoe Said Ali bin Said Omar ka lasa nantsoina hoe "soltàna fotsin' i Kômôro" izay nanapaka an' i Ngazidja sy nanorina ny fanapahany tamin' ny fanandevozana.

Nalain' ny Eorôpeana ny tany mamokatra ka niteraka fikomiana lehibe maro izany tamin' ny taona 1889 tao Nzwani sy tamin' ny taona 1902 tao Mwali (Mohéli).

Ny mba hampisy fandanjalanjana eo amin' izany fanirian-daza isam-batan' olona izany no nahatonga an' i Frantsa nametraka prôtektôrata tao Kômôro izay nankatoavin' ny soltànan' i Ngazidja tamin' ny taona 1886. Nanomboka tamin' ny taona 1892 dia ny Résidents izay teo ambany fanapahan' ny governoran' i Mayotte (eo ambany fanapahan' ny filoham-pirenenan' ny Repoblika Frantsay) no nanapaka ny nosin' i Kômôro, izay naka tsikelikely ny fahefana sady nanafoana ny fanandevozana (nesorina tamin' i Humblot ireo tombontsoany manokana tamin' ny taona 1896).

Ny fitrandrahana nataon' ny mpanjanatany dia nahasahana ny 50 %n' ny tanin' i Ngazidja sy ny 40 %n' ny an' i Nzwani ary ny 20 %n' ny an' i Mwali. Lasa zana-tany ireo nosy ireo ka nantsoina hoe "colonie de Mayotte et dépendances". Ny fiteny frantsay no lasa fiteny ôfisialy, tsy natao amin' ny teny arabo intsony ny fampianarana fa amin' ny teny frantsay. Niohy ihany anefa ny fampiasana ireo endriky ny fiteny soahiky teo amin' ny raharaham-barotra.

Tamin' ny taona 1904 dia nakambana ara-dalàna ireo nosy ireo. Tamin' ny 25 Jolay 1912 dia nisy ny didim-panjakana faharoa izay nanakambana an' i "Mayotte et ses dépendances" tamin' i Madagasikara. Navarina tsikelikely tamin' ny Kômôriana ny tany, ary nisy manampahaizana teratany izay nisandratra tsikelikely (ny ankamaroany dia nianatra tany La Réunion alohan' ny norenana ny Lycée de Moroni).

Lasa zanatany fratsay ny Tangoro-nosin' i Kômôro izay nakambana tamin' i Madagasikara taorian' ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin' ny taona 1946 dia nosarahina tamin' i Madagasikara ilay tamba-nosy ka lasa tany frantsay an-dafin-dranomasina.

Andron' ny fahaleovan-tenan' i Kômôro

Tamin' ny taona 1946, ilay vondron-tany antsoina hoe "Colonie de Madagascar et dépendances", izay zana-tany frantsay, dia tsy niankina ara-panjakana amin' i Madagasikara, fa lasa nahaleo tena, ka lasa "territoire d'autre-mer" (TOM). Tsy nahafaly ny Mahôrey izany, izay efa tamin' ny taoa 1946 nahita an' i Guadeloupe, i Guyane, i La Réunion ary i Martinique izay efa lasa departemanta, ka nitaky ampahinemaso tamin' ny governemanta ny hanovana ny nosiny ho departemanta koa.

Taorian' ny fahazoan' ny firenena afrikana fahaleoban-tena mifanesy nandritra ireo taona 1960, nisy ireo avara-pianarana nanomboka nitaky ny fahaleovan-tenan' i Kômôro.

Nahazo fizakan-tena anatiny i Kômôro tamin' ny taona 1961.

Tamin' ny fifanarahana tamin' ny 15 Jona 1973, izay nametraka ho tanjona ny fahaleovan-tena iaraha-midinika, i Frantsa dia nitsapa ny hevi-bahoaka tamin' ny taona 1974. I Mayotte, izay tany frantsay efa ho taranaka roa talohan' ireo nosy telo sisa, sady nahita maminy kokoa tamin' ny fiarahana amin' ny Frantsay, dia nihazona ny sata maha frantsay azy, fa ireo nosy hafa dia nisafidy ny fahaleovan-tena.

Tamin' ny 6 Jolay 1975 dia nanambara ny fahazoan' i Kômôro ny fahaleovan-tena ilay anjoaney Ahmed Abdallah (filohan' ny filan-kevitry ny governemanta nanomboka tamin' ny taona 1970), ka nitaky an' i Mayotte hakambana amin' ny tany kômôriana. Tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin' ny taona 1976 dia nisafidy ny hiaraka amin' i Frantsa hatrany i Mayotte ka lasa vondrom-paritra frantsay.

Taorian' ny nahazoany ny fajaleoban-tenany, ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro dia nianjadian' ny kotontana ara-pôlitika sy ny fanonganam-panjakana. I Ali Soilih izay sôsialista sy i Bob Denard izay mpikarama an' ady frantsay, dia nifanfimby niasa ho an' i Frantsa na ho an' ny tenany manokana. Nifandimby ny fitondrana tsy mampanjaka ny demôkrasia sy ny fanonganam-panjakana.

Tamin' ny taona 1997 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Nzwani sy i Mwali ka nanambara ny faniriany hikambana amin' i Frantsa izay tsy nanaiky izany. Izany andrana fisarahana izany dia niteraka fanaovana ankivy notarihin' ny RFIC sy ny OUA. Niverina nanaiky ny fahefan' i Moroni i Mwali tamin' ny taona 1998 rehefa nandamina ny OUA, i Nzwani kosa tsy nanaiky.

Tamin' ny volana Febroary 1999 dia naka ny fahefana tao Ngazidja ny kôlônely Azali Assoumani tamin' ny nanonganany ny filoha Tadjidine ben Saïd Massounde (izay Anjoaney). Niteraka fahasahiranana ara-pôlitika izany. Nanatanteraka fifampiraharahana nisy vokany kokoa tamin' ny kôlônely Mohamed Bacar avy ao Nzwani mba kamahana ilay fahasahiranana.

Izany fahasahiranana izany dia nivaha tamin' ny fifanaovan-tsonia ireo fifanarahana tao Fomboni tamin' ny taona 2000 sy 2001 sy ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 23 Desambra 2001. Natao ny fampihavanam-pirenana, nitambatra indray ireo nosy telo sady nandrafitra lalàm-panorenana vaovao teo ambany fitarihan' ny OUA: teraka ny Firaisan' i Kômôro (Union des Comores, amin' ny teny frantsay). Araka ny lalàm-panorenana dia nisy ny fifidianana tamin' ny taona 2006 izay nahazoan' i Ahmed Abdallah Mohamed Sambi fandresena.

Tamin' ny taona 2007, i Mohamed Bacar, izay filohan' i Nzwani nanomboka tamin' ny taona 2002, dia nanao indray ny hahazoan' io nosy io ny fahaleovan-tenany, na dia avy nahazo ny maha filohan' ny Firaisana azy izy, izay notoherin' i Ngazidja. Tamin' ny 23 Marsa 2008 dia nandefa tafika tany amin' ny nosy Nzwani ny filohan' i Kômôro Ahmed Abdallah Mohamed Sambi, notohanan' ny UA, ka nanafika an' i Nzwani. Azon' ny tafi-pannjakana ny renivohitra roa andro taorian' izay ka nandositra ny kôlônely Bacar.

Tamin' ny volana Mey 2009 dia nampanao fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana ny filoha Sambi, ka lany tamin' ny 93 %n' ny vato manan-kery izany. Nanamafy ny fahefan' ny filoham-pirenena izany lalàm-panorenana vcaovao izany, ary ny filohan' ireo nosy dia niova ho governora sady nanana fizakan-tena bebe kokoa, notovanana iray taona ny fe-pitoam-piasan' ny filoham-pirenena. Lasa fivavaham-panjakana ny fivavahana silamo, raha nanao io fivavahana io ho fakan-kevitra momba ny fitsipika sy ny foto-dalàna izay hitantanana ny Firaisan' i Kômôro fotsiny. Ny mpandimby azy, i Ikililou Dhoinine, izay filoha lefiny nanomboka tamin' ny taona 2006, dia voafidy tamin' ny 26 Desambra 2010 ka napetraka handimby azy tokoa tamin' ny 26 Mey 2011.

Tamin' ny fifidianana floham-pirenena natao tamin' ny taona 2016 dia ny filoha lefitr' i Ikililou Dhoinine no kandidàm-panjakana (i Mohamed Ali Soilihi). Resin' ilay mpanongam-panjakana teo aloha Azali Assoumani izy tamin' ny 41,43 %n' ny vato fa izy nahazo 39,67 % fotsiny.

Tamin' ny 30 Jolay 2018 ny Kômôriana dia nandany tamin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka ny fanavaozana ny lalàm-panorenana izay nanamafy indray ny fahefan' ny filoham-pirenena, izay manome alalana azy ho afaka milatsaka indroa. Nanafoana ny fisian' ny filoha lefitra sy ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana (Cour Constitutionnelle) izay nosoloana ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême).

Jereo koa

Tags:

Tantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro Tamin ny Andro AntenatenanyTantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro Andro klasikaTantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro Andro AnkehitrinyTantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro Andron ny fahaleovan-tenan i KômôroTantaran' Ny Tamba-Nosin' I Kômôro Jereo koaTantaran' Ny Tamba-Nosin' I KômôroAndro AntenatenanyFanonganam-panjakanaFrantsaKômôroMayotte

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Afrika AndrefanaFanonganam-panjakanaMpampitohy (fitsipiteny)AdizaozaEuryceros prevostiiRepoblika Demôkratikan' i KôngôPressyLoteranismaBaiboly amin' ny teny malagasyAzia Atsimo-AtsinananaGanàFiteny maanianyFanekem-pinoanaFamoranaHaifisaina sy hetsi-poRainisoalamboFokom-pirenen' i SimeônaBôtsoanaFaritra VatovavyBenoà XVStridônaTaom-baovao malagasyAlohotsyKabary tera-baoSihanakaKatro1900TendrombohitraAdy Lehibe VoalohanyLoka NobelSôdômaFirenena MikambanaAlikaJônà (mpaminany)Hartford, ConnecticutElefantaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaAlahamadyRepoblika MalagasyHasinaFaritra AnosyKalandrie GregorianaFokom-pirenen' i Dana1901Fiteny kazàkaAkohoAndrianaJodaismaFilipinaAnjelôlôjiaHavatsa-UPEMFiteny pôlôneySikidy malagasy1940FatranaAbidy latinaTsirintenyWikiDemôkrasiaAurangzebAnjara asa (fitsipiteny)Sorona masinaAdy Lehibe FaharoaAlan TuringFrank ZappaVoanihoWiki CommonsParakyRSSAndro farany🡆 More