Ny reny dia ilay vehivavy niteraka ny zaza anankiray, ny lehilahy niarahany nahafahany niteraka no antsoina hoe ray.
Ny ray aman-dreny (misaraka no fanoratra azy) no enti-milaza ireo lehilahy sy vehivavy ireo, ka antsoin'ny fiteny malagasy hoe "nahitana masoandro", na "masoandro amam-bolana". Tsy tokony hafangaro amin'ny teny hoe raiamandreny (soratana mikambana) izay enti-milaza olona na rafitra manana satan'ny ray aman-dreny eo amin'ny fiaraha-monina noho ny haja manokana ananany, kanefa tsy niteraka tamin'ny fomba biôlôjika; toy ny Raiamandreny FFKM.
Ny teny hoe neny na mama na endry no iantsoan'ny Malagasy ny reniny. Ireo voanteny ireo dia maneho fifandraisana akaiky sy ara-pitiavana tokoa eo amin'izy mianaka, ary mitaratra sahady ny andraikitry ny reny eo anivon'ny fiainan'ny zanany. Ny teny hoe mama moa dia avy amin'ny teny frantsay nogasiana, ary voanteny anisan'ny tononin'ny zaza voalohany koa eo amin'ny fiainany aorian'ny vaninteny hoe da sy ba. Ny voanteny hoe endry kosa indray dia any anindran-tany no tena ahenoana azy. Ny vaninteny ma dia fahita amin'ny ankamaroan'ny dikan'ny teny hoe neny amin'ny tenim-pirenena maro eran-tany.
Ny teny hoe reny dia enti-milaza :
Ho an'ny biby mampinono rehetra (anisan'ny voakilasy ao anatin'izany ny olombelona), dia entin'ny reny ao an-kibony ny zanany manomboka amin'ny famoronana azy ka mandra-pahatongan'ny fotoana haha-vory nofo sy taova azy ka ahafahany ho ateraka. Ho an'ny olombelona manokana, dia eo amin'ny sivy volana eo ho eo no fotoana itondran'ny reny ny zanany ao am-bohoka, ary anondroan'ny Malagasy ny reny ihany koa ny teny hoe "nitondra folo volana". Zazarano no iantsoana zanaka ao an-kibo raha mbola tsy teraka izy, ary ao amin'ny tranonjaza no ipetrahany. Aorian'ny fahaterahana, dia mamokatra ronono ho sakafon'ny zaza ny nonon'ilay reny.
Ho an'ny zava-manana aina tsy miteraka dia ny voanteny hoe reny no ilazàna ireo nipoirana, ho an'ny sela ohatra, dia antsoina hoe reny ilay sela anankiray nizara roa ka nahazoana sela anankiroa (zanany).
Manana andraikitra lehibe eo amin'ny fanabeazana ny zanany ny reny, ary indraindray ny sata hoe reny dia omena vehivavy izay tsy niteraka nefa miantsoroka ny adidin'ny reny manontolo sy manabe ilay ankizy. Amin'ny ankapobeny dia eo amin'ny fananganan-jaza no ahitana izany ka mety ho antsoina hoe renikely ihany koa io reny tsy niteraka io.
Manana andro iray ao anatin'ny taona natokana hankalazana azy ny reny. Eto Madagasikara, dia ny Alahady farany amin'ny volana Mey no atokana ho fetin'ny reny. Ny Anglisy koa dia mankalaza andro sahala amin'io amin'ny Alahady fahefatra aorian'ny karemy (Mothering Sunday). Any Etazonia, Aostralia sy Kanada dia ny Alahady faharoan'ny volana Mey no atokana ho fankalazana ho an'ny reny (Mother's Day, nampiasaina hatramin'ny faran'ny taonjato faha-XIX).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Reny, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.