Apôstôly Paoly

I Paoly Apôstôly, Apôstôly Paoly, Paoly avy any Tarsisy na Paoly avy any Tarsa na Masindahy Paoly dia apôstôlin' i Jesoa nefa tsy anisan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo lahy.

Mizaka ny zom-pirenena rômana izy sady Jiosy fariseo. Talohan' ny naha apôstôly azy dia mpanenjika ny fivavahana kristiana izy nefa niova finoana taty aoriana. Nanorina fiangonana maro izy sady nanoratra epistily maro koa, izay atao hoe epistilin' i Paoly.

Apôstôly Paoly
Apostoly Paoly, hosodoko nataon'i Rambrandt

Απόστολος Παύλος / Apostolos Paulos ("Paoly Apostoly") no ahafantarana azy amin' ny teny grika fa Paulus Tarsensis ("Paoly ilay Tarsiana") kosa amin' ny teny latina.

I Paoly, izay mitondra ny anarana jiosy hoe Saoly, teraka tamin' ny fiandohan' ny taonjato voalohany, angamba tany Tarsôsy any Kilikia (na Silisia) ary maty tamin' ny taona 67 tany Rôma, dia olo-malaza teo amin' ny kristianisma tany am-piandohana. Jiosy sy olom-pirenena rômana tamin' ny fahaterahany izy, nanenjika ny mpianatr' i Jesoa izy talohan' ny nilazany ny tenany ho apôstôly, na dia tsy anisan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo aza. Noho izany, i Paoly dia lasa isan' ny olo-malaza teo amin' ny fampielezana ny kristianisma ivelan' ny vondrom-piarahamonina (fiangonana) jiosy sy jodeô-kristiana ary koa tany amin' ireo vondrom-piarahamonina kristiana voalohany tany Azia Minora, tany Gresy ary tany Rôma. Ny lovantsofina kristiana dia miantso azy hoe "Apôstôlin' ny Jentilisa" (na Apôstôlin' ny Jentily"), izany hoe Apôstôlin' ny tsy Jiosy.

Nandritra ny fitorian-teny mandehandeha nataony, izay nanomboka tamin' ny taompolo 40 ka hatramin' ny taompolo 60, dia nandefa taratasy (na epistily) maromaro ho an' ireo fiangonana voalohany ireo izy. Ireo taratasy ireo, antsoina hoe "taratasin' i Paoly na "epistilin' i Paoly", izay voasoratra talohan' ny Filazantsara, no tahirin-kevitra tranainy indrindra momba ny fivavahana kristiana. Izy ireo dia maneho ny iray amin' ny fototry ny teôlôjia kristiana, indrindra eo amin' ny sehatry ny kristôlôjia, sady loharano lehibe momba ny niandohan' ny kristianisma, raha jerena ny tantara.

Tantarany

Fiaviany sy fitaizana azy ara-pivavahana

Araka ny soratr' i Paoly tenany dia avy amin' ny fianakaviana jiosy izy ary afaka nanamarina fa ny razambeny amin' ny fokon' i Benjamina, araka ny hita ao amin' ireto andinin-teny manaraka ireto:

  • "fa voafora tamin' ny andro fahavalo aho, avy amin' ny fototr'Israely, dia avy amin' ny firenen' i Benjamina; Hebreo sady avy amin' ny Hebreo aho; [...]" (Filipiana 3:5, Ny Baiboly),
  • "Dia hoy izaho: Sao narian' Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Israelita taranak' i Abrahama ihany, avy amin' ny firenen' i Benjamina." (Rômana 11 :1, Ny Baiboly Masina)
  • "Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak' i Abrahama va izy? Izaho koa." (2Kôrintiana 11 :22, Ny Baiboly).

Akoatr' izany, araka ny voasoratr' i Lioka dia avy any Tarsôsy (na Tarsa) any Kilikia (na Silisia) izy, faritra iray any amin' ny tapany atsimo amin' i Torkia ankehitriny, araka ny azo vakina amin' ireto andalan-teny manaraka ireto:

  • "Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin' izay tanàna tsy kely laza.[...]" (Asan' ny Apôstôly 21:39, Ny Baiboly)
  • " Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia [...]" (Asan' ny Apostôly 22:3, Ny Baiboly).

Araka ny filazan' i Masindahy Jerôma ao amin' ny boky De Viris Illustribus anefa dia teraka tany Giskala any Galilea (na Galilia) izy ary ny fianakaviany dia natao sesitany tany Tarsosy fony izy mbola zaza.

Tsy fantatra ny daty nahaterahan' i Paoly, fa angamba izy teraka taloha kely na taoriana kelin' ny fiandohan' ny taonjato voalohany.

Mety ho nampianarin' i Gamaliela tany Jerosalema i Paoly fony izy mbola tanora, mba hianatra ny Lalàna. Izy mihitsy no nanambara izany tamin' ny filazany hoe: "Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin' ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan' ny tongotr' i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin' ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an' Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny" (Asan' ny Apôstôly 22:3, Ny Baiboly).

Nahay niteny arameana sy [fiteny hebreo[|hebreo]] i Paoly. Ny fiteny grika kôine no fiteny nibeazany hatry ny kely, ary ny Fandikan-tenin' ny Fitopolo (na Septoajinta na Septanta) no namakiany ny Baiboly. Nampiany ny anarany hebreo hoe Saoly (hebreo: שאול / Šā'ûl), izay midika hoe "nangatahina [amin' Andriamanitra]", ilay anarana rômana hoe Paulus izay midika hoe "kely", "malemy", "tsy misy dikany", araka ny hevitr' io teny io voalohany.

Ny fandinihana vao haingana dia nanambara fa nahafehy ny karazan-dahateny grika atao hoe "diatriba" koa izy, ka midika izany fa nanaraka fianarana matotra tao Tarsôsy izy. Avy amin' ny fianakaviana toa manan-katao izy, satria nanana zom-pirenena rômana, izay tsy nanakana azy, araka ny fanao mahazatra tamin' izany fotoana izany teo amin' ny fianakaviana jiosy, indrindra fa teo amin' ireo raby, tsy hianatra asa tanana: ny Asan' ny Apôstôly dia milaza fa mpanamboatra lay izy, izany hoe mpanenona na mpanamboatra lasely angamba izy.

Ireo epistily ataon' ny lovantsofina fa nosoratan' i Paoly

Telo ambin' ny folo ny isan' ireo epistily kazain'ny lovantsofina fa nosoratan' i Paoly ireo ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baiboly. Misy amin' izy ireo ny nosoratana ho ana fiangonana voatondro, misy kosa ny nosoratana ho an' olona manokana dia ireo atao hoe Epistily pastôraly. Resy lahatra ny ankamaroan' ny mpikaroka ankehitriny fa tsy isan' ny epistily nosoratan' i Paoly ny Epistily ho an' ny Hebreo. Ireto avy ireo epistilin' i Paoly ireo:

Jereo koa

Apôstôly Paoly 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Apôstôly Paoly TantaranyApôstôly Paoly Ireo epistily ataon ny lovantsofina fa nosoratan i PaolyApôstôly Paoly Jereo koaApôstôly PaolyApôstôly roa ambin' ny foloEpistilin'i PaolyEpistilyFariseoFivavahana kristianaJesoaJiosy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Led Zeppelin1850RamadanyAngovo azo havaozinaAndriamisaraAndriamanitra RayVoltora mainty eorazianaAriaryPaska jiosyVanovolondavenonaRanomasinaAurangzebHaifisaina sy hetsi-poBiraom-panisan'i EtazoniaHermosa Beach, KaliforniaÎle-de-FranceDiederik SamsomSampan-tenyVoltora be volombavaFahitalavitraTriniteGaliaSokajin-tenyMpaminany lehibeVoronaRocourt-Saint-MartinAzerbaijànaFirenena ao AziaKônsily Vatikàna IIKolontsainaEokaristiaHasina (hery tsy hita maso)Fivavahana eto MadagasikaraHaranita-tsaina voatrolombelonaTsirintenyTakelak' i Abrahama sy i MosesyVoronaparadisaTwitterRanavalona IIIAngatra (aretina)Sekta1939Fiteny betsileoAndrianaRazana (finoana malagasy)Boky faharoan' i SamoelaMediaWikiJiosyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Miksa DériFiteny malagasyGoogleFitiavanaTrombaZaburTamba-nosyWikibolanaFitiavan-tanindrazanaLeawood, KansasBeosyAfrika AtsimoFaribolana SandratraBokin' i IsaiaFoko eto Madagasikara🡆 More