Ny Epistily voalohany ho an' i Timôty na Epistola voalohany nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte na Taratasy voalohany nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Timôte dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ireo atao hoe epistily.
Ato amin' ity taratasy ity no anantitranteran' i Paoly ny amin' ny famonjena azo avy amin' ny finoana an' i Jesoa Kristy. Ampianariny ny fitodran-tena anjakan' ny fanaovana asa tsara. Ambarany koa fa tokony ho olona mendrika halain-tahaka ny mpitandrina sy ny loholona misahana andraikitra ary ny diakôna na diakra. Tian' i Paoly raha manaraka ny lalana tena izy ny fitantanana ny fiangonana. Noho izany dia tokony tsy avela hanjaka ny fahadisoan' ireo izay milaza tena ho manam-pahaizana momba ny Lalàna; tokony hosakanana koa ny fianteherana amin' ny angano (na fedrà) sy amin' ny tetiarana namboamboarina ary amin' ny fadifady ara-tsakafo isan-karazany.
Ity epistily ity dia ahafahana mamantatra bebe kokoa ny tokony ho rafitry ny fiangonana kristiana isan-toerana: ahitana mpitarika ao am-piangonana ary misy fepetra fanendrena sy sata mifehy azy ireo. Mibahana ao ny fampianarana satria ilaina ny maneho ny fahamarinana mba hiadiana amin' ny fampianaran-diso izay miely izaitsizy.
Naman' ireo atao hoe epistily pastôraly nosoratan' i Paoly io epistily io. Taratasy voalohany nosoratan' i Paoly ho an' i Timôty (na Timôte) izany, dia i Timôty izay sady mpianany no mpiara-dia aminy. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 61 sy 65 no nanoratana azy. Misy toko 6 ity boky ity.
Πρώτη Επιστολή προς Τιμόθεο / Prôtê Epistolê pros Timotheo no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula I ad Timotheum kosa amin' ny teny latina.
Ireo Epistilin' i Paoly:
Boky hafa ao amin' ny Baiboly:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Epistily voalohany ho an' i Timôty, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.