Fivavahana Fampianaran-Diso

Ny fampianaran-diso na finoan-diso na herezia na heresia, raha ara-tantara, dia fampianaram-pinoana izay heverin' ireo ao amin' ny fivavahana arahin' ny maro anisa, na ao amin' ny fivavahana ôfisialy, fa mifanohitra amin' ny fampianarana marina tena izy (izay atao hoe ôrtôdôksia).

Nampiasaina indrindra ny teny hoe heresia tamin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana hanoherana ireo manao foto-pampianarana (dôktrina) na tenim-pinoana (dôgma) momba an' i Kristy sy ny Trinite na lohahevitra hafa tsy mifanaraka amin' izay tapaka amin' ny kônsily, indrindra ny tamin' ireo kônsily ekiomenika. Matetika dia ampangaina ho manao fampianaran-diso ny mpifanandrina ara-pampianarana amin' ny tena.

Fivavahana Fampianaran-Diso
I Galileo Galilei dia voaheloka noho ny fiampangana azy ho heretika

Atao hoe heretika na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Ny mpitarika na ny lehiben' ny herezia iray dia atao ho hereziarka (grika: αἱρεσιάρχης / hairesiárkhēs), ny fandalinana ny herezia dia atao hoe hereziôlôjia, ary ny mpandalina ny herezia dia atao hoe hereziôlôga.

Tamin' ny Andro Taloha dia nenti-nilaza ny sekolim-pandinihana iray manokana ny teny grika hoe αἵρεσις / haíresis, ka ohatra amin' izany ny zaridainan' i Epikorôsy na Epikora. Nanjary nanana hevitra fanaratsiana ny teny hoe hairesis teo amin' ny asasoratr' ireo mpanao tantaram-pivavahana manohana ny Trinite (dia ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa tamin' izany fotoana izany), ary hatramin' izay dia nenti-nanondro fiheverana, fampianarana, na tenim-pinoana heverina fa mivaona amin' izay nekena na heverina fa zavatra efa azo ka tsy tokony hovana eo amin' ny sehatry ny fandinihana sy ny fahalalana ary ny fivavahana..

Nampiasaina hilazana ny zava-mitranga ao amin' ireo fivavahana hafa toy ny finoana silamo sy ny jodaisma, sns koa ny teny hoe herezia taty aoriana. Miitatra hatrany ny hevitry ny teny hoe herezia ka ilazana izay fampianarana sy fiheverana rehetra mifanohitra amin' izay heverina fa efa eken' ny be sy ny maro, na tsy momba ny fivavahana sy ny finoana aza izany.

Fiforonan-teny

Ny teny nogasina hoe herezia na heresia, izay nadika hoe fampianaran-diso na finoan-diso, dia avy amin' ny teny grika hoe αἵρεσις / haíresis izay midika hoe "safidy", izany hoe fisafidianana hevitra na fiheverana iray. Tamin' ny Andro Taloha izay nanaovana fivavahana manaraka fombafomba kokoa fa tsy voafaritra ara-pampianaram-pinoana dia tsy nanana heviny ratsy ny teny hoe haíresis, tsy tahaka ny fampiasana azy teo amin' ny fivavahana kristiana. Tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia mbola nampiasa ny teny hoe haíresis i Flavio Jôsefa mba hilazany ireo sekoly ara-pivavahana sy ara-pilôzôfia samihafa.

Tsy tokony hafangaro ny fampianaran-diso (na herezia) sy ny fandavana ny finoana (na apôstazia) izay fialan' ny olona iray amin' ny fivavahana narahiny. Tsy afangaro amin' ny fitetenan-dratsy an' Andriamanitra sy ny zava-masina (na blasfemia) koa izany.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Foto-pampianaranaKristyKônsilyKônsily ekiomenikaTantaran' ny kristianismaTenim-pinoanaTrinite

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KaremySaint Paul, MinnesotaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoForyDidy FoloBodo (mpihira)Ranomasimbe PasifikaTrombaAkohoToniziaFilazantsara sinôptikaMitra (andriamanitra)Siméon RajaonaBoky faharoan' i SamoelaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraVondrona EorôpeanaAfrikaFoko eto MadagasikaraFirenena Mikambana1850AzerbaijànaZaburPapelika (vorona)Hypertext Markup LanguageFanjanahantanyHasina (zavamaniry)KôbaltaMahafalyFifohazana (kristianisma malagasy)10 OktobraFitsarana faranyMiguel de IcazaPéter GothárJay Wright ForresterSøren KierkegaardHerinandro MasinaLionaHominideZermaniômaVolanaISO 3166-1Voltora be volombavaZaidismaTandrok' Osy (fanandroana)Michał ZielińskiAndriamanitra ZanakaRosiaAsaTriniteHaranita-tsaina voatrolombelonaSt. Louis, MissouriBokin' ny GenesisyRadama VoalohanyAntemoroHermann HesseVarennes-JarcyAntandroyTestamenta VaovaoRobin WilliamsTantaran' i MadagasikaraKilamba-KiaxiGoogleMinnesotaFiangonana zandrinyFanekem-pinoana apôstôlikaLagoa d'AntaZanahary (finoan-drazana malagasy)Abdellatif FellainiGaliaFanisana🡆 More