Vahoaka Magiara

Ny Magiara na Majiara na Hôngroà na Hongariana dia vahoaka teratany ao Hôngria (hôngariana: Magyarország) sy any amin' ny tany hôngroà ara-tantara (izany hoe an' ny Fanjakan' i Hôngria taloha) izay manana kolontsaina, tantara, razambe ary fiteny iraisana.

Izy ireo dia vondrona ara-poko sy ara-piteny finô-ogriana avy any Azia Afovoany ary ny fifindra-monina nifanesy, voalohany nankany amin' ny Tendrombohitra Ural, avy eo nankany amin' ny Ranomasina Mainty (Tanin' i Etelköz, i Okraina ary Môldavia ankehitriny), izay nitarika ny famoronana an' i Magyarország ("Firenena Magiara"), izany hoe i Hôngria. Ny adihevitra ara-tantara miverimberina dia iresahana ny fisian' ny Magiara Tatsinanana (keleti Magyarok) any Kaokazy sy any Azia Afovoany. Amin' ny teny hongariana dia atao hoe Magyar [ˈmɒɟɒɾ] (raha tokana) na Magyarok [ˈmɒɟɒɾok] (raha maro).

Vahoaka Magiara
Sary maneho ny fahatongavan' ny fokom-pirenena Magiara ao amin' ny tany lemaka Karpatiana: Honfoglalás

Amin' izao fotoana izao, ny hoe "magiara" dia matetika ampiasaina ho anaram-poko amin' ny heviny ara-tantara (talohan' ny namoronana ny fanjakana hôngroà) na amin' ny heviny ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina, mba hanondroana ny Magiara any ivelany, izany hoe. ireo vahoaka vitsy anisa miteny hongroà any amin' ny firenena manamorona an' i Hôngria. Amin' ny teny hôngroà, ny hoe magyar dia ampiasaina amin' ny heviny ara-pôlitika ihany koa, mba hanondroana ny zava-drehetra mifandraika amin' i Hôngria amin' ny maha firenena môderina azy ary, raha itarina, anondroana ny olom-pirenena hôngroà rehetra, na inona na inona fiaviany ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina.

Miisa 14 500 000 any ho any ny Magiara ankehitriny izay monina ao Hôngria (miisa 9 397 432) sy amina firenena maromaro, indrindra i Etazonia (1 530 000), i Romania (1 227 623), i Slôvakia (520 528), i Kanada (315 510), i Serbia (200 000), i Okraina (170 000), i Krôasia (16 000), i Tsekia (15 000), i Slôvenia (10 000).

Jereo koa

Tags:

Azia AfovoanyFiteny finô-ogrianaFiteny hongarianaHôngriaKaokazyMôldaviaOkrainaRanomasina MaintyTendrombohitra Oraly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SydneyLanitra (finoana)Tetiandro malagasyAsabotsyNazaretaFaritanin' AntananarivoHasinaAdijadyMôsikaoAntananarivoAntanosyGnôstisismaTsikafonkafombazahaAmpongaFanekem-pinoana apôstôlikaISO 4217OhabolanaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFerenc AndrásPablo PicassoFahasalamanaHabakabakaAast, Pyrénées-AtlantiquesVoahiranaParadisa (silamo)Fiteny tiorkaWiki CommonsAntandroy1910AhidamboAntankaranaHavatsa-UPEMMatoantenyZambiaVictoire RasoamanarivoLes PaulIsaia (mpaminany)AnanaBokin' ny SalamoTambintenyAntemoroJohannes VermeerKalandrie litorjika katôlika rômaninaForyKainaRichard I an'i AngleteraTeraka2012FihavananaBaiboly katôlikaTorkmenistànaMeyFivavahanaJapànaDarryl StarbirdFomban-drazanaFokom-pirenen' i IsraelyPaiso (voany)Sabata (jiosy)NikôtininaKilamba-KiaxiDagestànavietnamyRadama IIEpistily ho an' ny RômanaPraiminisitra malagasyAndriamenaNMpampiankina fehezankevitraFitiavanaAlahamady\Bokin' ny Ohabolana🡆 More