Epistily Ho An' I Titosy

Ny Epistily ho an' i Titosy na Epistola nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Tito na Taratasy nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Tito dia boky hita ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay atao hoe epistily.

Taratasy nosoratan' i Paoly ho an' i Titosy ( na Tito) io epistily io. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 68 no nanoratana azy. Misy toko 3 ity boky ity.

Anaran'ny boky

Επιστολή προς Τίτο / Epistolê pros Tito no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula ad Titum kosa amin' ny teny latina. I Titosy dia mpianatr' i Kristy sady mpiara-dia amin' i Paoly.

Zava-misy manodidina sy famintinana

Taorian' ny fahafahan' i Paoly tamin' ny famonjana azy voalohany tany Rôma dia nitory ny Vaovao Mahafaly (na Filazantsara) tany amin' ny nosy Kreta na Kretôsy izy. Talohan' io dia nitoetra fotoana fohy fotsiny tao i Paoly, amin' ny maha voafonja azy, tamin' ny nandehanany mankany Rôma hotsaraina eo anatrehan' ny emperora.

Rehefa niainga avy tao amin' ny nosin' i Kretôsy i Paoly dia navelany eo i Tito (na Titosy), iray amin' ireo mpiara-miasa aminy akaiky, izay tsy Jiosy, izay nampamitainy iraka sarotra matetika, indrindra ny tany Kretôsy. Nambaran' i Paoly aminy ny fanatanterahana ny fandaminana sy ny rafitry ny fiangonana naoriny tao (Tito 1.5) ka izany dia tao anatin' ny toe-javatra manahirana (Tito 1.12-15).

Nanome fotoana an' i Tito i Paoly talohan' ny ririnina tao Nikôpôlisy, any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Grisia (Tito 3.12). Tokony ho tany Makedônia no nanoratan' i Paoly ny epistily miaraka amin' ny Epistily voalohany ho an' i Timôty. Ireo epistily roa ireo dia ahitana fitoviana betsaka, na amin' ny voambolana, na amin' ny fomba fanoratra, na amin' ny lohahevitra momba ny fitondram-piangonana ("pastôraly").

Taorian' ny nampahatsiahivan' i Paoly ny toetra tokony hananan' ireo mpiandraikitra ao amin' ny fiangonana dia nokianin' i Paoly ireo fahadisoana sy ireo fiheverana jiosy izay mifanohitra amin' ny fampianarana kristiana marina (Tito 1). Avy eo dia nanafatra an' ireo antoko samihafa ao am-piangonana izy (Tito 2) ka namarana ny taratasy amin' ny fampahatsiahivana ny fiasam-pahasoavan' Andriamanitra izay mitondra ny mpino hiaina araka ny Filazantsara (na Vaovao Mahafaly).

Jereo koa

Ireo Epistilin' i Paoly:

Boky hafa ao amin' ny Baiboly:

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Epistily Ho An' I Titosy Anaranny bokyEpistily Ho An' I Titosy Zava-misy manodidina sy famintinanaEpistily Ho An' I Titosy Jereo koaEpistily Ho An' I Titosy Loharano sy fanamarihanaEpistily Ho An' I TitosyBaibolyEpistilyPaoly (apôstôly)Testamenta VaovaoTitosy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ArintanyMianmaraDiana, Andriambavin'i ValesaFaritra SavaKatsakaMontaubanWordPressAndro TalohaAndreas DorauGdańsk48525 MartsaSiansaLouisianaInternet ExplorerFanasan-tongotra (fivavahana)Vanin-tenyParthénonFotoanaGiuseppe VerdiMahmoud AbbasAl-TirmidhiEugene, OregonLisitry ny gazety ao MadagasikaraQueenFikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika AvaratraPete RoseOmbiasaAlexander HamiltonArdècheEjiptaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraPaska jiosyVintana (finoan-drazana malagasy)JinyMenalambaEkaterina IIOdyDavid PizarroAdimizanaMichiganVendéeOmbyCarentanMarshall LeffertsAnjara (finoana)MerinaKrishnaZoma masinaFidel CastroNeptonaTetiandro malagasyFikomian' i Bar KokhbaAljeria1525MohamadyBodismaFahaleovantenaFanagasianaPuerto RealMagiara (vahoaka)TexasLu'anFiainan-tsi-hita (kristianisma)Rindrankajy wikiArabia Saodita🡆 More