Ny Filazantsara araka an' i Joany, na Evanjely araka an' i Masindahy Joany na Vaovao Mahafaly araka an' i Masindahy Joany na Filazantsara araka an' i Jaona na Vaovao Mahafaly araka an' i Jaona dia Filazantsara na Evanjely fahefatra ao amin' ny filazantsara kanônika ao amin' ny ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana.
Tsy anisan' ny Filazantsara sinôptika telo ny Filazantsaran' i Jaona ka miavaka tanteraka amin' ireo telo voalohany ireo, dia ny Matio, ny Marka ary ny Lioka. Misy toko 21 ity boky ity.
Izy io dia mirakitra fitantarana momba ny fanompoan' i Jesoa na Jesosy, izay ahitana ny "'famantarana" fito izay nahatratra ny fara tampony amin' ny nananganana an' i Lazarôsy na Lazara (milaza mialoha ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty) sy ny lahateny fito ahirana ny teny hoe "Izaho no ..." (grika: Ego eimi) (miresaka momba ny adihevitra momba ny fiangonana sy ny sinagôga tamin' izany fotoana izany tamin' ny fotoana nanoratana an' ilay evanjely) izay niafara tamin' ny fanambaràn' i Tômasy an' i Jesoa nitsangana tamin' ny maty hoe "Tompoko sy Andriamanitro". Ny andininy famaranana ilay evanjely dia milaza ny tanjony: "mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin' ny anarany, raha mino ianareo".
Ny Filazantsaran' i Jaona dia tonga amin' ny endriny farany ahalalana azy ankehitriny teo amin' ny taona 90–110 taor. J.K., na dia misy ao ao aminy aza ny famantarana ny fiaviany izay nanomboka tamin' ny taona 70 taor. J.K. ary mety ho taloha kokoa aza. Sahala amin' ny filazantsara telo hafa dia tsy mitonona anarana ny mpanoratra azy, na dia manondro ny "mpianatra tian' i Jesoa" tsy fantatra anarana ho loharanon' ny lovantsofina aza izy io. Azo inoana fa nipoitra tao anatin' ny "kristianisma jôhanika" na "sekoly jôhanika" izany, ary - satria mifandray akaiky amin' ny fomba sy ny vontoatin' ny epistily jôhanika telo - ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mihevitra ny boky efatra, miaraka amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy, ho fitambaran' ny literatiora jôhanika, na dia tsy avy amin' ny mpanoratra iray ihany aza izany.
Mandresy lahatra ny mpamaky azy ny mpanoratra fa i Jesoa na Jesosy no ilay Mesia nadrasan' i Israely, dia ny Zanak' Andriamanitra avy ho Mpamonjy izao tontolo izao (Joa. 4:42). Amin' ny fisehoan' i Jesoa voalohany imasom-bahoaka dia mizara roa ny mpihaino azy: ao ireo manaraka azy ary ao koa ireo mimenomenona sy manohitra azy (Joa. toko 1 - 4) noho izy milaza ny tenany fa nirahina mba hanambara ny zavatra hitany teo amin' Andriamanitra (Joa. 3:32). Milaza ny tenany ho "fiainana", "fahazavana" manafaka amin' ny haizina, "fahamarinana" manafaka amin' ny lainga izy: izy tenany no Tompo. Eo am-pandrenesana izany rehetra izany dia nanameloka azy ny ankabetsahan' ny olona nefa tsy vitsy koa ireo izay natoky an' ity Mpitondra hafatra ity: "Tompo ô, hankany amin' iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin' ny fiainana mandrakizay." (Joa. 6:68, Ny Baiboly).
Niafara tamin' ny fitsarana sy famonoana an' i Jesoa izany fifanoherana sesilany nandritra ny telo taona nifaneraserany tamin' ny vahoaka izany (Joa. toko 13 - 19). Nefa natsangan' Andriamanitra ho velona mandrakizay izy. Izany no manaporofo fa ny teny rehetra noteteniny dia marina daholo. Izany no nahatonga an' i Tômasy (na Tômà) ho resy lahatra ka nanao hoe: "Tompoko sy Andriamanitro" (Joa. 20.28). Manasa ny mpamaky azy mba hanao sahala amin' i Tômasy koa ny mpanoratra ny evanjely fahefatra, satria hoy izy: "fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin' ny anarany, raha mino ianareo." (Jao. 20:31, Ny Baiboly).
Ny hoe Filazantsara araka an' i Jaona, na Evanjely araka an' i Joany, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Ἰωάννην εὐαγγέλιον / Kata Iōánnēn euangélion na Εὐαγγέλιον κατὰ Ἰωάννην / Euangélion katà Iōánnēn. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Ioannem no iantsoana azy.
Ny Katôlika malagasy dia miantso azy hoe Evanjely araka an' i Masindahy Joany na Evanjely nosoratan' i Masindahy Joany. Vaovao Mahafaly araka an' i Joany (na Jaona) na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Joany (na Jaona) koa no azo iantsoana azy. Ny Prôtestanta malagasy kosa manao hoe Filazantsara araka an' i Jaona na Filazantsara nosoratan' i Jaona.
Na ny anaran' ny mpanoratra na ny anaran' i Joany apôstôly (na Jaona apôstôly), izay mpianatra manana ny maha izy azy ao amin' ny Evanjely sinôptika telo sy ao amin' ny Asan' ny Apôstôly, dia tsy voaresaka ao amin' ity evanjely fahefatra ity. Any amin' ny famaranan-teny (toko faha-21) ny mpanoratra vao miresaka ny amin' ilay "mpianatra tiany indrindra" izay lazain' ny lovantsofina fa nanoratra ilay evanjely. Tamin' ny taonjato faha-2 dia niely ny filazana ny Evanjely fahefatra izay natao hoe "Evanjely nosoratan' i Joany" (na Filazantsara nosoratan' i Jaona"). Nanomboka amin' izany fotoana izany dia Joany na Jaona no heverina ho nanoratra ny Evanjely fahefatra. Tsy iza izany fa i Joany Apôstôly, ilay atao hoe "zanak' i Zebedio" (na zanak' i Zebedeo). Ny mpikaroka ara-tantara sasany dia manasokajy an' io evanjely io ho pseodepigrafa.
Voasoatra taorian' ny Evanjely sinôptika telo ny Evanjelin' i Joany. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 80 sy 110 no nanoratana azy.
Tsy dia misy ny zavatra azo iankinana hahafantarana ny toerana nanoratana voalohany ny Filazantsaran' i Joany. Maro ny mpikaroka izay miankina amin' ny filazan' ny Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) izay misafidy ny faritr' i Efesôsy (na Efeso na Efezy) ao amin' ny faritany fehezin' ny Rômana any Azia (andrefan' i Torkia ankehitriny), araka ny lovantsofina.
Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mizara ny Evanjelin' i Joany ho efatra: fitarihan-teny (1:1-8); fitantarana ny asa fanompoan' i Jesoa, atao hoe Bokin' ny famantarana (1:19-12:50); fitantarana ny alina farany teo amin' i Jesoa sy ny mpianany, ny fijaliany, ny fitsanganany ho velona, izay atao hoe Bokin' ny voninahitra (13:1-20:31); ary famaranan-teny (toko faha-21).
Ny fitarihan-teny dia manambara amin' ny mpamaky hoe iza marina i Jesoa na i Jesosy: izy no Tenin' Andriamanitra izay nenti-namorona izao tontolo izao sady tonga nofo. Ny ao amin' ny Joany 1:10-12 dia mitantara toy izao: tonga tao amin' ny Jiosy (na Jody) i Jesoa fa tsy noraisin' ny Jiosy, nefa "izay rehetra nandray Azy (ny mpino kristiana) izay nino ny Anarany, dia nomeny hery ka tonga zanak' Andriamanitra" (Jaona 1:10-12, Ny Baiboly).
Natao batisa na batemy i Jesoa sy niantso ireo mpianany ary nanomboka ny asa fanompoany eto an-tany. Nandeha nitety tanàna izy mba hanambara amin' ny mpihaino azy ny amin' Andriamanitra Ray, mba hanome ny fiainana mandrakizay ho an' izay rehetra vonona ny hino azy ary nanatanteraka fahagagana izay "famantarana" ny fahamarinan' ny fampianarany (39-40). Izany dia niteraka tsy fifankahazoana teo amin' ny mpitondra fivavahana (izay efa niseho lany manomboka eo amin' ny Joa. 5:17-18), izay nanapa-kevitra ny hamono azy.
I Jesoa na Jesosy dia nanomana ny mpianany amin' ny fiainan' izy ireo hoavy amin' ny tsy haha eto an-tany azo tsapain-tanana intsony azy ka nivavaka ho azy ireo sy ho an' ny tenany koa. Fanomanana ny mpamaky hiatrika ny tantaran' ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany amin' ny maty izany. Mifarana amin' ny famaranana ny amin' ny tanjon' ilay Filazantsara izany: "mba hinoanana fa i Jesosy no Kristy, Zanak' Andriamanitra sady mba hinoana fa hanana ny fiainana amin' ny anarany".
Ny toko faha-21 dia mitantara ny fisehoan' i Jesoa taorian' ny fitsanganany ho velona tamin' ireo mpianany tao Galilea na Galilia, ny jono mahagaga, ny famerenene indray an' i Petera na Piera amin' ny toerany ary ny anjaran' ilay mpianatra tian' i Jesoa indrindra.
"Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin' izay halehako. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako. " (Jaona 14:4-6, Ny Baiboly).
26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin' i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan' izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!" (Jaona 20.26-28, Ny Baiboly).
"5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin' izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza." (Jaona 14.5-11, Ny Baiboly)
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Filazantsara araka an' i Joany, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.