Fedrà

Ny fedrà dia tantara na hevitra foronin' ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin' izao tontolo izao na eo amin' ny fiarahamonina ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin' ny fiarahamonina araka ny anjara toeran' ny soatoavina fototra ao amin' ny fiarahamonina mitady ny fiombonana.

Amin' ny alalan' ny lovantsofina am-bava no mampita azy amin' ny voalohany, izay manolotra fanazavana ny endrika fototra ao amin' ny tontolo sy ny fiarahamonina nanefy na nampita io fedrà io. Rehefa hadino ka tsy misy mpanaraka intsony ny fivavahana iray dia manjary fedrà: izany no mitranga amin' ny fivavahana seltika taloha sy ny fivavahan' ny Egiptiana, ny an' ny Grika ary ny an' ny Rômana tamin' ny Andro Taloha.

Ny mpanoratra malagasy sasany dia mampiasa ny teny hoe angano. Amin' ny ankapobeny dia fitantarana ahitana tandindona manazava ny niavian' izao tontolo izao sy ireo andriamanitra, ny famoronana ny biby sy ny olombelona; ny fiavian' ny lovantsofina sy ny fombafomba ary ny endrika sasany amin' ny asa ataon' ny olombelona. Fitantarana anorenana ny fomba amam-panao eo amin' ny fiarahamonina ny fedrà, ary ny firenena na ny vahoaka rehetra dia samy manana fedrà.

Hoy Razafintsalama raha miresaka ny amin' ny fedrà: "ny fedrà dia tsy mikendry ny hitantara zava-nitranga tamin' ny toerana na vanim-potoana azo faritana, fa maneho an'ohatra fa nisy hatrizay, mbola misy ary hisy hatrany ny fototra tsy azo hozongozonina iorenan' ny maha-olona ny olona, ny maha-lehilahy ny lehilahy ary ny maha-vehivavy ny vehivavy; toraka izany ny fototra iorenan' ny rafi-piaraha-monina sy ny fomba vaventy iakinan' ny fifandraisana mirindra eo amin' ny mpiara-belona. Izany hoe, karazana teolojia ntaolo ny fedrà".

Ny teny hoe fedrà sy ny mitovy hevitra aminy

Matetika dia mifandray amin'ny fivavahana ny fedrà ka mahatonga ny mpanoratra amin' ny teny malagasy sasany, indrindra ny teôlôjiana, hampiasa ny andian-teny hoe angano masina na anganom-pinoana na anganom-pivavahana, na dia tsy voatery ho momba ny fivavahana na ny finoana ny fedrà fa mety hikasika ny fiarahamonina na ny fitondram-panjakana na zavatra hafa izay tsy ahitana resaka fahamasinana.

Araka an' i Jacques Faublée, izay nanangona tantara tany amin' ny faritry ny Malagasy bara dia "tantaram-piandohana" no hevitry ny teny hoe fedrà (4).

Jereo koa:

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Andro TalohaEjipta tamin' ny Andro TalohaFiarahamoninaLovantsofinaRôma Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ShanghaiFiarahamoninaJürgen Rische2020Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin' ny Tontolo VaovaoLisitry ny zavatra madinidinika 100001-101000NôrvezyArphyElon MuskVeliranoRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Cocoa Beach, FloridaFilioqueBielôrosiaLandry ChauvinHaitsikerafitenyAC/DCAntoko pôlitika malagasyAnjara asa (fitsipiteny)1782Fiteny sinoaWilliam ShakespeareHelodranon' AmpasindavaPôlitikaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFiteny soahily(89128) 2001 UP7IHVHFanjanahantanyWiki CommonsMenalambaApôkrifan' ny Baiboly2009Gregor MendelZelandy VaovaoSakramentaKilalaoArsène WengerZanak' AndriamanitraKalamImamoFarihy Nyassa5 OktobraAndry dimin' ny finoana silamoMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheISO 4217Alexander PushkinRepoblika Demôkratika AlemànaFivavahana abrahamikaMarcos SennaFitiavan-tanindrazanaHazo fijalianaFanomboana an' i JesoaFanagasianaHugo ChávezDinan' i VarsoviaFarihy MalawiFiteny idisyMoritz Anton CappellerNGC 2608VoanjoVlorëHerinandro MasinaHiragasyRemiencourtGugnécourtOnjam-peoTeôlôjian' ny hazo fijalianaCharles ThurberLisitry ny filohan' i MadagasikaraTetiandro malagasySana'aFirenena Mpiara-Dia tamin' ny Ady Lehibe Voalohany🡆 More