Ny Fizika (avy amin' ny teny grika φυσις midika hoe zavaboary na natiora) dia araka ny haiendri-teniny ny siansan'ny zavaboary.
Amin' ny dikany amin' ny ankapobeny na amin' ny heviny voalohany, ny fizika dia fahalalàna ny zavaboary; io no hevitra nomen' i René Descartes sy ny mpianany Jacques Rohault sy i Régis. Ny fizika dia taranja mandinika ny zavaboary, ary ny tanjony dia ny mamantatra ny hetsiny sy ny fiasany.
Ny fizika dia anisan' ny taranja akademika tranainy indrindra fantatra. Betsaka ny taranja mampiasa ny siansa fizika, toy ny eketrônika, ny hainkintana na koa ny mekanika; nandritra izay roa arivo taona izay, ny fizika dia teny mitovitovy dika amin' ny filôzôfia, ny simia, ary sampan' ny matematika ary ny biôlôjia; fa nandritra ny revolisiona siantifika tamin' ny taonjato faha-16, ny fizika dia nivoatra ho lasa siansa manokana. Fa na izany aza nefa, amin' ny taranja sasany toy ny fizika matematika na amin' ny simia koantika, sarotra avahana ny fetran' ny fizika.
|
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fizika, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.