Faritra Galilea

I Galilea na Galilia dia faritra ao amin' ny tapany avaratr' i Israely, izay eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana sy i Siria ao avaratra ary ny lemak' i Esdrelôna ao atsimo.

Faritra Galilea
Sarintanin'i Galilea

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Galilea na Galilia dia avy amin' ny teny hebreo hoe הגליל / Ha-Galîl, izay midika hoe "ny faribolana" na "ny faritra". Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe الجليل / al-Jalîl, izay mitovy dika amin' io ihany.

Jeôgrafia

Faritra Galilea 
Ny Ranomasin'i Galilea hita avy any amin'ny Kineret Moshava

I Galilea dia tangoron-tendrombohitra be vato ao amin' ny tapany avaratr' i Israely. Ny tendrony avo indrindra dia ny tendrombohitra Merôna, izay mihoatra ny 1 200 m. Antonony ny maripanany sady manana rotsakorana izay mamelona ireo renirano vitsivitsy ampiasaina amin' ny fambolena. Mandrakotra ny iray ampahatelon' ny velaran-tanin' i Israely i Galilea, avy any Dana any avaratra, am-pototry ny tendrombohitra Hermôna, hatrany amin' ny tendrombohitr' i Karmela sy i Gilbôa any atsimo, ary avy any amin' ny lohasahan' i Jôrdana any atsinanana hatrany amin' ny moron' ny Ranomasina Mediteranea any andrefana, ka mamakivaky ny lemak' i Jezrela sy Ako.

Araka ny Baiboly

I Galilea ao amin' ny Testamenta Taloha

Tsy voaresaka ao amin' ny Pentateoka ny amin' i Galily (Galil). Hita amin' ny endriny milaza maro io teny io ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (Jôs. 13.2) sady midika hoe "faritra" na "firenena", ary mety nanondro faritra manokana. Ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 9.11-138) dia voalaza fa natolotr' i Sôlômôna ho valisoan' i Hirama ny lemaka iray ao anelanelan' ireo tendrombohitr' i Naftaly noho ny asa nataony. Nahakivy an' i Hirama izany fanomezana izany, ka nomeny anarana hoe "tanin' i Kabola". Miantso azy hoe Galily (Galil) ny mponina Jodeana (na Jodiana). Ao amin' ny Bokin' ny Makabeo dia toerana nisehoan' ny ady maro teo amin' ny Jodeana sy ny fitondrana seleokida i Galilea.

I Galilea ao amin' ny Testamenta Vaovao

I Galilea dia voaresaka matetika ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ao no nandanian' i Jesoa ny ampahany be amin' ny androny. Ny Evanjely telo voalohany dia mifantoka amin' ny asany amin' io faritra io, izay voasoritsoritra am-panoharana sy feno zava-miafina, ny amin' ny diany rehetra ao amin' ny tapany avaratr' i Palestina, izay voaelanelan' ny fandroahana fanahy ratsy sy fahagagana. Ny andian-teny hoe "Galilean' ny Firenena" (Mat. 4.15, izay noraisina avy ao amin' ny Bokin' i Isaia 8.23) izay atao amin' ny teny hebreo hoe "Galil haGoyim", dia hoatry ny milaza am-panoharana faritra izay tokony hampibebahina, raha mitaha amin' i Jodea sy ny Tempolin' i Jerosalema.

Mety ho sisa amin' ny fitenenana hoe "Fahendren' ny Firenena", ny teny hoe GLYL (Galil na Galilea) sy HKhMH (Hokhmah), izay midika hoe "Fahendrena" ka manana gematria mitovy.

Jereo koa

Tags:

Faritra Galilea Fiforonan-tenyFaritra Galilea JeôgrafiaFaritra Galilea Araka ny BaibolyFaritra Galilea Jereo koaFaritra GalileaIsiraelyRanomasina MediteraneaSiria

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Imparfait de l'indicatifPaskaAbu Dawud al-SijistaniKutub al-SittahMohamadyRosiaAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaFiteny araboLouisianaTailandyAndriamanitra (tokana)MinneapolisAkira KurosawaOdyTetiandro litorjikan'ny Fiangonana katolika siro-malabaraFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoDisneyVaryLarreule, Pyrénées-AtlantiquesBahaismaEokaristiaFanambadianaPalestinaLisitry ny firenena1938Fanekem-pinoana apôstôlikaHermann LeyBogotá26 SeptambraCharles DietzTantaran' ny kristianismaSavoaJogailaMpisolo toerana (fitsipiteny)EvolisionaVanin-tenyThe BeatlesEmpira SafavidaEmpira Mpanjanaka FrantsayEmperora CixiVolana (fotoana)Tendro satrokaMadonnaEkaterina IIPete RoseDurrësFairmont, MinnesotaAterinetoFanjakan' i MenabeBezanozanoAmbohimangaBilbaoJapàna1701Washington D.C.Anjara (finoana)Ravoahangy-Andrianavalona JosephUsain BoltKleôpatra VIIFifamoivoizana an-dranomasinaFamakafakana ny BaibolyAkemenidaZanak' i IsraelyJerôbôama IIFamongoran-taranaka nahazo ny Totsy tao RoandaHenry IV, Emperora Romana MasinaFaritra Sofia🡆 More