Jodaisma Filôzôfia Fahefatra

Ny Filôzôfia Fahefatra na Sekta Fahefatra na Fikambanan' i Jodasy Galileana dia anarana nomen' i Flavio Jôsefa ny hetsika na fikambanana noforonin' i Jodasy Galileana tamin' ny andron' ny fikomiana nataon' ny Jiosy (taona 66 taor.

J.K.) hanoherana ny fanisam-bahoaka nampanaovin' i Kirinio tamin' ny taona 6 taor. J.K. raha lasa faritanin' i Jodea (na Jodia) fehezin' ny Rômana mivantana ny faritra notapahin' i Herôda Arkelaôsy.

I Jodasy Galileana no mpitarika ny Jiosy mpikomy tao Galilea (na Galilia) sy tao Jodea tamin' ny nahalasa faritany rômana an' i Jodea.

Ny Filôzôfia Fahefatra dia manizingizina ny amin' ny atao hoe fahafahana sy ny atao hoe fanjakana tsy refesi-mandidin' ny Andriamanitr' i Israely ary manandratra avo ny fanindrahindran-pirenena (nasiônalisma) sy ny fiandrasana ny fanafahana amin' ny andro farany hataon' Andriamanitra (fanafahana eskatôlôjika). Ny tapany farany tamin' ny fotoana nisehoan' ny fikomian' ny Jiosy dia fanoherana hiarovana ny toby famaharana Masada notarihin' i Eleazara zanak' i Jairo, izay zafikelin' i Jodasy Galileana (taona 74).

Jereo koa

Antoko sy firehana matanjaka tao amin' ny jodaisma

Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma

Tags:

Fikomiana lehibe nataon' ny JiosyFlavio JôsefaHerôda ArkelaôsyJodea

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Piramida1391FanagasianaMouthoumetAntefasyFitaovam-piadianaShoahAllemant, Marne1940Mponina eto MadagasikaraLouisianaAntemoroSakalavaAogostino avy any HipônaFiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara1944Tarikh al-TabariIbn MajahFrancis WebbLalàmpanorenanaTeôlôjiaAlohotsyCulver City, KaliforniaHermann LeyFiteny jeôrjianaTeôlôjia dôgmatikaEtazoniaFanandroana malagasyFanjakan' ImerinaAlahadin' ny Sampan-kazoSaryPrôtestantisma(2196) EllicottMatyGorontaloNikaragoaAndrianaUsain BoltLisitry ny gazety ao MadagasikaraFilazantsaran' i JodasyMahmoud AbbasFanasan' ny TompoMontaubanFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraAdimizanaSão José da VarginhaArthur KrauseKadurSomeraMohamadyRené GoscinnyRadama VoalohanyBob FosseEokaristiaAmbositraCape TownFoko eto MadagasikaraChristopher CollesJesoa araka ny silamoHaranita-tsaina voatrolombelonaLoza folo tao EgiptaAbu Dawud al-SijistaniAfrika AfovoanyGoogleOnyArdècheFikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika AvaratraAlexandre Ier de Russie🡆 More