Teôlôjia Dôgmatika

Ny teôlôjia dôgmatika na dôgmatika dia sampan' ny teôlôjia kristiana izay andalinana ny votoatin' ny fanekem-pinoana kristiana, dia ny amin' ny finoana an' Andriamanitra sy ireo asan' Andriamanitra, indrindra ny teôlôjia ôfisialy eken' ny Fiangonana.

Ny teôlôjia dôgmatika dia azo faritana ho fanehoana amin' ny "fomba siantifika" ny foto-pampianarana manontolo momba an' Andriamanitra sy ny asan' Andriamanitra miseho ety ivelany, araka ny tenim-pinoan' ny Fiangonana. Ny teôlôjia dôgmatika dia manindry mafy ny maha zava-dehibe kokoa ny fahamarin' ireo fehezankevitra voasoratra mitaha amin' ny fahatsapana vokatry ny zavatra niainana sy ny zavatra tsapa amin' ny alalan' ireo taovam-pandrenesana. Fanamarinana sy famelabelarana ary fivoasana ny tenim-pinoana ampianarina ny Fiangonana ny dôgmatika.

Ny teny hoe dôgmatika

Tantaran' ny teny hoe dôgmatika

Fiforonan-teny

Avy amin' ny teny grika hoe δόγμα / dógma ny hoe dogmatika. Ny hoe δόγμα dia midika hoe "fiheverana" na "eritreritra manokana". Adika amin' ny teny malagasy amin' ny hoe "tenim-pinoana" na "teny finoana" ny hoe dogma rehefa ampiasaina hilazana ny fanambaràna momba ny zavatra inoana izay heverina ho fototra tsy azo iadian-kevitra ao amin' ny fivavahana iray.

Fampiasana ilay teny

Tamin' ny taonjato faha-17 no nampiasana ny teny hoe dôgmatika voalohany. Ny zavatra sahanin' ny teôlôjia dôgmatika anefa dia efa nisahiranan' ny teôlôjiana kristiana talohan' izany fotoana izany. Ny dôgmatika kristiana voalohany dia ilay soratr' i Ôrigenesy hoe De Principiis (malagasy: "Ny amin' ireo Fampianarana fototra"). Tamin' ny fiafaran' ny Andro Taloha dia boky mitondra ny lohateny hoe De Sententiarum (malagasy: "Ny amin' ny Fehezankevitra fototra") nosoratan' i Peter Lombard sy ilay atao hoe Summa Theologiae (malagasy: "Famintinana ny Teôlôjia") nosoratan' i Tômà avy any Akoino.

Amin' izao fotoana izao dia tsy heverina ho isan' ny teôlôjia dôgmatika ny apôlôjetika fa lasa taranja mahaleo tena atokana ho fampidirana sy ho fototry ny teôlôjia dôgmatika. Ireto avy ireo taranja mifameno aminy ao amin' ny teôlôjia sistematika: ny teôlôjia etika (môraly sy sôsialy) sy ny teôlôjia fôndamentaly (teôlôjia fototra).

Ny teny hoe teôlôjia dôgmatika dia nanjary nampiasaina matetika kokoa taorian' ny Refôrmasiona prôtestanta sady nampiasaina mba hilazana ireo fanekem-pinoana izay nambaran' ny Fiangonana ampahibemaso. Ohatra amin' ny teôlôjia dôgmatika ny fanambaràna foto-pampianarana (dôktrina) na tenim-pinoana (dôgma) izay noraiketin' ireo kônsily voalohandohany tao amin' ny Fiangonana mba hamahàna olana teôlôjika sy hanoherana ny fampianaran-diso. Ny fanekem-pinoana sy ny tenim-pinoana vokatry ny fivorian' ny Fiangonana dia manam-pahefana sady tsy maintsy ampiharin' ny Kristiana, noho izy ireo nambaran' ny Fiangonana ampahibemaso. Isan' ny tanjon'ny teôlôjia dôgmatika ny mamolavola sy mampita izay fampianarana heverina ho zava-dehibe indrindra ao amin' ny fivavahana kristiana.

Ny dôgma na tenim-pinoana

Ny tenim-pinoana na teny finoana na dôgma dia petra-kevitra tsy azo iverenana hamboarina indray momba ny foto-pampianaram-pinoana izay ambara fa fahamarinana tsy azo ovana momba ny finoana. Ao amin' ny fivavahana kristiana, ny tenim-pinoana dia mety ho vokatry ny fanambaràn' Andriamanitra ao amin' ny Soratra Masina na avy amin' ny lovam-pampianarana (na lovantsofina) sady ambaranan' ny fahefam-piangonana tsy azo lavina. Amin' ny ankapobeny dia tamin' ireo fifandirana momba ny fampianaram-pinoana no nandraiketana ny ankamaroan' ny tenim-pinoana ka nenti-nanorina ny atao hoe "fampianarana marina" (na "ôrtôdôksia") sady nanoherana ireo atao hoe "fampianaran-diso" (na "herezia").

Fizaràn' ny dôgmatika

Ireto ireo zana-taranja lehibe indrindra ao amin' ny dôgmatika:

Ankoatr' ireo zana-pizaràn' ny teôlôjia dôgmatika ireo dia samy manana ny fomba fanaovany dôgmatika ny antokom-pinoana kristiana isan-karazany, ohatra amin' izany ny dôgmatika prôtestanta, ny dôgmatika katôlika, ny dôgmatika ôrtôdôksa, sns.

Jereo koa:

Loharano sy fanamarihana:

Tags:

Teôlôjia Dôgmatika Ny teny hoe dôgmatikaTeôlôjia Dôgmatika Fizaràn ny dôgmatikaTeôlôjia Dôgmatika Jereo koa:Teôlôjia Dôgmatika Loharano sy fanamarihana:Teôlôjia DôgmatikaAndriamanitra (tokana)Fanekem-pinoanaTeôlôjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Didy FoloAmerika AvaratraFanekem-pinoana nikeanaVolamenaPeròVanin-tenyFaritry ny Farihy Lehibe (Afrika)Sina (lohateny mitovy anarana)Isa miibaEtona voajanahary10 MartsaJesoa araka ny silamo25 MartsaMollasaniSahih MuslimNashtifanHypertext Markup LanguageZoma masinaJônà (mpaminany)AntefasyIbn MajahAnalakelyJeanne d'ArcFrançois MitterrandTahitiStonehengeDavid FusterFiainan-tsi-hita (kristianisma)Ravoahangy-Andrianavalona JosephEugene, OregonCurrent eventsGore VidalMuslim b. al-HajjajFiraisan' ny Repoblika Sôsialista SôvietikaLu'anFiraisana ara-nofoAlassane Dialy NdiayeBezanozanoAndreas DorauAziaHenryk KasperczakLouisianaWilliam KamkwambaJames RumbaughAmpiposahana (faritra)TsuyamaJiosy malagasyKublai KhanTokugawa IeyasuBetsimisarakaAfrika AtsimoSacramento, KaliforniaOnyAdimizanaSikidy malagasyRepoblikaDiana, Andriambavin'i ValesaFampakaram-badyTendro satrokaAntambahoakaKadurIsraelyJoshua SchachterStatistikaAsiriana (vahoaka)AppleMosesyShoahSogny-aux-MoulinsEmpira Mpanjanaka FrantsayThomas MoreSunan Abī Dāwud🡆 More