Sakramenta

Ny sakramenta na Sakramenta Masina, ao amin' ny fiangonana kristiana tranainy sy be mpanaraka, dia fombam-pivavahana inoana fa naorin' i Jesoa Kristy ary nampitandreminy ny Fiangonana mba hampitana sy hanomezana ny fahasoavan' Andriamanitra.

Sady famantarana (na tandindon') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no fitaovana ahatongavana amin' izany ny sakramenta. Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa fa roa fotsiny izy ao amin' ny Fiangonana prôtestanta. Ny sakramenta dia famantarana atao hanomezana sy hampitomboana ny fahasoavana izay manamasina ny mpino.

Famantarana masina hita maso momba ny fitiavan' Andriamanitra ny sakramenta. Mandray ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy ny olona mandray ny sakramenta.

Ny sakramenta ao amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa

Fito ny isan' ny sakramenta ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôsa, dia ireto avy:

  1. ny batemy , izay manamarika ny fidiran' ny olona iray ao amin' ny fikambanan' ny Kristiana;
  2. ny eokaristia, izay izarana ny mofo sy ny divay nohamasinin' ny pretra sady zary vatana sy ran' i Kristy;
  3. ny kônfirmasiôna (ao amin' ny Fiangonana katôlika) na ny krismasiôna (ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa) izay manavao ny fanekana natao tao amin' ny batemy;
  4. ny sakramentan' ny fampihavanana (atao hoe sakramentan' ny famelan-keloka ) izay ieken' ny mpino ny fahotany sy angatahany famelan-keloka izay homen' ny pretra azy;
  5. ny fanosorana ny marary (atao hoe sakramentan' ny marary na fanosorana farany) dia sakramenta natokana ho an' ny marary sy ireo efa ambavahaonan' ny fahafatesana ka atao hanampiana azy hahazaka miaritra ny fahoriana;
  6. ny fanambadiana, izay mampitambatra ny lehilahy sy ny vehivavy kristiana mba ho mpivady;
  7. ny ordinasiona na filaharana izay manome fahefana ny pretra mba hanatanteraka ny asa masina sahaniny, izany hoe hahafahany manome ny sakramenta amin' ny alalan' ny Fiangonana.

Ny sakramenta ao amin' ny Prôtestanta

Roa ihany ny sakramenta ao amin' ireo Fiangonana protestanta, dia ny batisa (na batemy) sy ny fanasan' ny Tompo.

Jereo koa

Tags:

Andriamanitra (tokana)Fahasoavana (finoana)Fahasoavana (kristianisma)Fiangonana katôlikaFiangonana ôrtôdôksaJesosyKristianismaPrôtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Taom-baovao malagasyTetiandro malagasyFilazantsara araka an' i LiokaFilazantsara araka an' i MatioRanomasin' i AzovKristianisma eto MadagasikaraFifadian-kaninaListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysFaribolana SandratraTrondroVintana (finoan-drazana malagasy)AveloTamba-nosin' i KômôroVarennes-JarcyRajoelina AndryTsimihetyAntemoroSheshtomadAfrikaHerinandro MasinaÎle-de-FranceFilazantsara araka an' i MarkaHaranita-tsaina voatrolombelonaFanandroana malagasyNagapattinamGaliômaFoko eto MadagasikaraAngovo azo havaozinaKabary famangianaLufthansaMozilla FirefoxFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraVolambitaFlamingôZaidismaFiteny kiordaLouisianaFiteny betsileoMérignac, GirondeAngatra (lolo)Bokin' i IsaiaAdy Lehibe Faharoa(9915) PotaninEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)FatidraFanekem-pinoana ekiomenikaRadama VoalohanyFanahy Masina (kristianisma)Ma'anshanRazakatsitakatrandrianaMitra (andriamanitra)Bokin' ny GenesisyGreen Camp, OhioAndriamisaraBaraWayback MachineArkeôlôjiaEkiomenismaAlemainaRoger FedererHermosa Beach, KaliforniaFaritany eto MadagasikaraMpaminany lehibeKor'anyAsombolaFifohazana (kristianisma malagasy)StatistikaKolontsaina1361RasendrasoaFanekem-pinoana nikeana🡆 More