Renin' Andriamanitra

Ny anaram-boninahitra hoe Renin' Andriamanitra dia anarana omen' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa an' i Maria renin' i Jesoa.

Izany anarana izany dia notapahin' ny Kônsily tao Efesôsy (na Efeso na Efezy) tamin' ny taona 431 nefa i Aleksandra avy any Aleksandria no nampiasa azy voalohany tamin' ny taona 325. Amin' ny fiteny grika dia ny hoe Θεοτόκος / Theotokos ("niteraka an' Andriamanitra") no dikan' io teny io. Noho i Maria niteraka an' i Jesoa (na Jesosy) izay inoan' izy ireo fa sady olona no Andriamanitra no mahatonga izany. Raha sady olona tokoa no Andriamanitra tokoa i Jesoa dia sady niteraka olona tokoa no niteraka Andriamanitra tokoa i Maria niteraka azy, hoy ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.

Renin' Andriamanitra
Ny Teôtôkôsy

Ny kônsily tao Kalkedôna

Ny Kônsily tao Kalkedôna na Kônsily tao Kalsedoana dia kônsily ekiomenika fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao Kalkedôna na Kalsedoana tamin' ny taona 430. Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i Jesoa natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Ny emperora Teôdôsio II no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna izay namaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i Maria.

Ny Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna

"Araka ireo Ray masina izany dia mampianatra amim-piraisam-peo izahay fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesoa Kristy, ilay tanteraka amin' ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin' ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy fomba amin' ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy fomba amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin' ny lafiny rehetra afa-tsy amin' ny fahotana, nateraky ny Ray talohan' ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin' ny andro farany izy tenany ilay nateraka ho antsika sy ho famonjena antsika avy amin' i Maria Virjiny, Renin' Andriamanitra araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamy hafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan' ny fiombonana, ny toetran' ny fomban' ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin' ny persona sy hipôstazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persôna roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy."

Ny fampianaran' ny fiangonana hafa

Tsy mitovy ny fandraisan' ny Prôtestanta io anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamaitra" io.

Ny fampianaran' ny fiangonana loterana

Ny Loterana dia nihazona ny anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamanitra" (alemàna: Mutter Gottes na Gottesmutter), izay efa neken' i Martin Lotera sady ambara mazava ao amin' ny Fôrmiolan' ny Kônkôrda (1577), izay eken' ny Lutheran World Federation.

Ny fampianaran' ny fiangonana kalvinista

I Jean Calvin dia mitsipaka ny fiantsoana an' i Maria hoe "Renin' Andriamanitra". Tsy manaiky ny anaovana an' i Maria ho Renin' Andriamanitra ny Kalvinista. Ekeny ny maha renin' ilay olona atao hoe Jesoa an' i Maria fa toheriny ny maha renin' ilay Andriamanitra azy.

Ny fampianaran' ny fiangonana tsy trinitariana

Ny fampianaran' ny antokom-pivavahana tsy mino ny Trinite dia mazava kokoa satria tsipahiny tanteraka ny fampianarana manao an' i Jesoa ho Andriamanitra. Anisan' ireo fivavahana ireo ny Vavolombelon' i Jehovah.

Jereo koa

Tags:

Renin' Andriamanitra Ny kônsily tao KalkedônaRenin' Andriamanitra Ny fampianaran ny fiangonana hafaRenin' Andriamanitra Jereo koaRenin' AndriamanitraAleksandriaAndriamanitra (tokana)EfesôsyFiteny grika talohaJesosyKatolisismaKristianisma ortodoksaKônsily tao EfesôsyMaria (renin'i Jesoa)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MazdeismaZanak' Andriamanitra (maro)Sokajin-tenyVohitr' andrianaSihanakaSiméon RajaonaSaint-Laurent-la-ConcheBaiboly katôlikaSikidy malagasyTsofokaOmby volavitaZanahary (finoan-drazana malagasy)Hypertext Markup LanguageFararanoRaki-pahalalanaVarotraFahafatesan'i Baby PDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Afrikana-AmerikanaKurówZemple, MinnesotaPaskaKor'anyJapànaTsirintenyLouisianaBaibolyJulius ErvingEsther RandriamamonjyMa Ying-jeouTendrombohitra GarizimaAdijadyMaromiantoanaKalandrie litorjika katôlika rômaninaSiansaSakalavaAsombolaRobin WilliamsFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraAdy Lehibe FaharoaDebianBetsiboka (renirano)Asaramanitra (volana malagasy)AudeloncourtFilôzôfiaAndriamangariraKokolampoBill RussellListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)Zanak' i IsraelyWayback MachineFanambadianaFanandroana malagasyMagic JohnsonBiaudos3 JonaTestamenta VaovaoFaritra ItasyDenis BègueDokuWikiDisneyRaminiaAziaTaquaraFizahàn-tanyAlakaosyAngatra (aretina)🡆 More