Ny Epistily ho an' ny Hebreo na Epistola ho an' ny Hebrio na Taratasy ho an' ny Hebrio dia boky hita ao ao amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny Baiboly, izay isan' ny atao hoe epistily.
Taratasy nalefa ho an' ny Jiosy kristiana izy io. Misy toko 13 ity boky ity.
Επιστολή προς Εβραίους / Epistolê pros Ebraious no fiantsoana azy amin'ny teny grika fa Epistula ad Hebraeos kosa amin'ny teny latina.
Raha ny lovantsofina hatramin' izay no nilaza fa i Paoly no nanoratra ity epistily ity, ny mpikaroka amin' izao fotoana izao dia mitsipaka izany. Tsy fantatra marina ny olona nanoratra io taratasy io na dia heverina ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 no nanoratana azy.
Ny Taratasy ho an' ny Hebreo dia anambaràn' ilay nanoratra azy fa lehibe noho ny anjely rehetra i Jesoa Kristy (Heb. 1.5-14), lehibe noho ny mpaminany rehetra hatramin' i Mosesy (na Môizy) izy (Heb. 2.1-4.14). I Jesoa no ilay Mpisorona fanaperana noho izy tsy nanota na indray mandeha aza, sy noho ny nanolorany ny ainy izay sorona tongalafatra hanesorana ny fahotana rehetra (Heb. 9.23-10.18). Ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin' ny maty no nanokafany ny lalana hizoran' ny olona mankany amin' Andriamanitra (Heb. 4.14-5.10; 7.1-8.13). Manantitra ny maha zava-dehibe ny finoana ity taratasy ity ka milaza fa tanteraka amin' ny alalan' ny finoana ny zavatra rehetra omen' i Jesoa. Io finoana io no mahatonga ny mpanaraka an' i Jesoa hatoky ny zavatra antenainy na dia tsy hita maso aza. Midera ny finoan' ireo olona tany aloha an' Andriamanitra ny mpanoratra (Heb. 11.1-40) sady mamporisika ireo mpanaraka an' i Kristy amin' izao fotoana izao amin' ny fifanalana hazakazaka ataon' izy ireo (Heb. 12.1-3).
Azo zaraina telo ny epistily:
"Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra" (Heb. 11.35)
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Epistily ho an' ny Hebreo, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.