Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia ranomasina any atsimo-andrefan' i Eorazia, ary ranomasina any avaratr' i Afrika.

Ny halavany avy any andrefana hatrany atsinanana dia misy 4 000 km, ary 1 800 km ny halaliny.

Ranomasina Mediteranea
Ny tôpôlôjian' ny Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia manasaraka ny kôntinenta Afrikanina sy ny kontinenta Eorôpeanina. Ny andilan' i Suez fotsiny no ifandraisan' i Afrika sy ny kôntinenta Eorazianina. Ny andilan-dranomasin' i Gibraltar dia manasaraka an' i Espaina sy i Afrika Avaratra, 14 km monja ny halaviran 'i Afrika Avaratra sy i Eorôpa Andrefana.

Ny anarana hoe Mediteranea, izay midika hoe "ranomasina eo anivo", arakany teny niaviany hoe mare medi tera amin' ny teny latina (araka an' i Isidora avy any Sevila tamin' ny taonjao-o faha 7).

Nandritra ny Andro Taloha, ny Ranomasina Mediteranea dia lalana fandefasana entana sy varotra, ahafahan' ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina eo amin' ny mponina mipetraka manodidina an' i Mediteranea: ny kolontsain' i Mezôpôtamia, ny an' i Ejipta, ny kolontsaina semitika, persana, fenisianina, kartajinianina, grika ary romana. Ny tantaran' i Mediteranea dia zava-dehibe amin' ny fiaviana sy ny fivoaran'ny haifomba any Andrefana.

Etimôlôjia

Ranomasina Mediteranea 
Ny ranomasina Mediteranea hita avy ao Menton, eo Frantsa

Ny teny hoe Mediteranea dia avy amin' ny teny latina hoe meditarraneus, izay midika hoe "eo afovoan' ny tany", eo anivon' ny "tontolo fantatra" (fantatry ny Eorôpeanina) mazava ho azy, ao amin' ny teny hioe Mediteranea dia misy fototeny roa: medius ("anivo") ary terra ("tany").

  • Ny salan-kalalin' ny Ranomasina Mediteranea dia 1 500 m eo ho eo. Ny faritra lalina indrindra dia ny Ranomasina Iônianina (-5 121 m) eo eo amin' ny halon' ny Matapan (aikaikin' ny Pelôpônezia).
  • Ny velaran' ny Ranomasina Mediteranea dia misy 2,5 tapitrisa km² (3 tapitrisa miaraka amin' ny ranomasina Mainty, 1 %n' ny tontalin' ny ranomasina
  • Ny hadiriny dia misy 3,7 tapitrisa km3

Ny halavan' ny morontsiraka dia misy 46 000 km. Ny Ranomasina Mediteranea dia misy dobo roa: ny voalohany dia manana velarana 0,85 tapitrisa km2 ary ny faharoa dia manana velarana 1,65 tapitrisa km2.

Jereo koa

Ranomasina Mediteranea 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

AfrikaEoraziaRanomasina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1 JonaKilamba-KiaxiEnzo FerrariFanahy Masina (kristianisma)Fiteny sanskrityHasina1940(105416) 2000 QY161Ranavalona IIFilaza mandidySoratraMpisolo (fitsipiteny)Apôkalipsy voalohan' i JakôbaZôdiakaBatisma29 JanoaryPastona (vahoaka)Baiboly amin' ny teny malagasyAhidamboFiteny antefasyRenivintanaTeôlôjiaFanagasianaVanim-potoana kristianaEvanjelin' ny Roa ambin' ny FoloMpisolo toerana (fitsipiteny)Wikimania1885Asir, IranFiteny fôrmôzanaKôlômbia2007PneomatôlôjiaSaryÔseaniaAlemainaFanekem-pinoanaFiteny finoàApôkrifan' i JakôbaLloyd KaufmanEpistily ho an' ny RômanaFanahyFahitalavitraSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)KônfirmasiônaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoKiantenyMasikoroRy Tanindrazanay malala ôKanadaHasina (hery tsy hita maso)Fikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaDVolanaPaoly (apôstôly)FamoranaFiteny betsimisaraka avaratraFiteny malayHaitsikerafitenySinaTovana (fitsipiteny)ParakyMarovatoIaldabaôtaJesoa araka ny kristianismaVoninahitra (fivavahana)Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraNizeriàFiteny serbaFifohazam-panahy lehibe1524🡆 More