Ny Tale, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy voalohany, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony sy farany ankavian'ny fàfana fitambaran'ny tsanganan-tsikidy rehetra.
Isan'ireo atao hoe renin-tsikidy ny Tale, ka ny tsanganana hafa manarakarala azy, izay samy renin-tsikidy, dia ny Maly, ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka dia lazaina hoe tera-tsikidy, dia tsy inona izany fa ny Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano (na Kiba na Akiba).
Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Tale ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoana ny Tale, izay mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns., dia raisin'ny mpisikidy amin'ny tanany havia ny voan-tsikidy ka anaovany toko efatra eo ambony tsihy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanany mba hamoronany ny "lohany". Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny "tratrany" izay apetrany eo ambanin'ny "lohany". Ampiharina fanintelony amin'ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny "vaniany". Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny "tongony".
Ny Tale dia anarana iantsoana ny "mpanontany" amin'ny sikidy. Io no anjara asa voalohany ao amin'ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny eritreritra na ny toetran'ny "mpanontany".
Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo.
Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an'ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana. Ny fampifanampiana ny soratryny Tale sy ny an'ny Zanahary no ahazoana ny soratry ny Trano (na Kiba na Akiba).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tale (sikidy), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.