Sikidy Zanahary

Ny Zanahary na Haky, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Ombiasa sy ny an'ny Tovolahy.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Zanahary, misy "lohany" sy "tratrany" sy valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Zanahary dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Zanahary ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Ombiasa sy an'ny Tovolahy, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny valahana na vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Zanahary sy an'ny Tale no ahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (faha-16).

Manondro an'i Zanahary na Andriamanitra ny Zanahary na Haky.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (Saily), Lalana, Trano (na Kiba).

Tags:

Ombiasa (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTera-tsikidyTovolahy (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TanyFiteny frisianaAljeriaSan FranciscoRabatForyHiragasy153Fiteny samôrôFiteny iranianaKodiaranaAbkaziaDanilo GallinariMaorisyKolontsaina malagasyAntom-pisian'ny olonaDanemarkaFitsipi-pitenenanaPôlitika eto MadagasikaraImmanuel KantFrantsaRalaimongo JeanPer Brinch HansenMicrosoft WindowsVolgataAzôtaAnaranaGambiaFloridaÔksizeninaJohann Wolfgang von GoetheApôstôly roa ambin' ny foloZone FrancIstanbulKatara5 AprilyEndolzansyHajjiabad, HormozganRômaDemonyBolgariaEglizy katôlika rômaninaFanahy MasinaFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraFady (malagasy)Mpandrindra milinaJesoaVoronaChah Bahar1431MandravasarotraKristianisma eto MadagasikaraKabary famangianaTetiandroAbidy grikaTesalônika1737VolanaFiangonana ôrtôdôksa tatsinanana1960BetsimisarakaVaryEorôpaIsaKôlômbiaRepoblika Demokratika MalagasyJerosalema AndrefanaNelson MandelaToetanin-jana-pehin-tany🡆 More