Sikidy Haja

Ny Haza na Haja, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahiraika ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny Abily.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Haja na Haza, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony".

Ny Haja dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny JamanaAsombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Haja ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Fianahana sy ny Abily, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Fahasivy sy ny an'ny Haja no manome ny tsanganana Ombiasa (faha-12).

Manondro ny hanina na sakafo ny Haja.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà,Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).

Tags:

AbilyFianahana (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTera-tsikidy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

BiôgrafiaKanadaFiteny malagasyMetôdismaKristianisma eto MadagasikaraFizaràn-taonaSoltànaTwitterNjakatiana26 OktobraFangitra ara-jeografiaAlahasatyLouis-Claude VincentMpampiankina fehezankevitraMarilyn MonroeKristianismaFiteny anglisyLisitry ny gazety ao MadagasikaraFiteny araboVezoFiarahamonim-pirenenaLolo vokatraHawaiiFamadihanaKrizy ara-pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009ZavakantoSihanakaBâburAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaCurrent eventsBealananaRivotraMôlekiolaAsterôidaHasinaBaibolyJiosyFivarotana andevoFandraisanaFiraisana ara-nofoFanjakana MitambatraAndriamanitra (tokana)Liste des indicatifs téléphoniques internationaux par paysZakaiosyAngatraAdizaozaMatoantenyFiteny japôneyFiarahamoninaEpistily ho an' ny FilipianaSektaFehezantenyFanandroana malagasyGeorges Andriamanantena1624Epistily voalohany ho an' ny KôrintianaLitorjiaFamoranaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraFindayRasoherinaTrombaBaolina kitraIrànaMpiandry tsaraWolfgang OverathNina HartleyFihavananaGovernemanta🡆 More