Sikidy Lalana

Ny Lalana, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahadimy ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an'ny Maly.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Lalana, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Lalana dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny tsanganana Fahavalo no ahazoana ny tsanganana Lalana: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Tale sy ny an'ny Maly, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Apetraka somary ankavia kokoa eo ambanin'ny fàfana misy ny renin-tsikidy ny Fahavalo.

Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Asorotà sy Lalana no ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14).

Manondro ny lalana, araka io anarany io, ny Lalana.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

Maly (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)Tera-tsikidy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AdizaozaHazokesikaSarySteam (serivisy)Walter GarganoRandriamamonjy FrédéricJohn AdamsDemôkrasiaFiteny sakalavaBaruch SpinozaRaminiaRSS500AkangaChildersburg, Alabama(101318) 1998 SJ151267HindoismaMpisolo tena (fitsipiteny)TetezanaSakalavaFaritra BetsibokaCasinoKijanaPenguinBlaogyVirigninFilipinaFanjakan' Imerina1820Fiteny jeôrjianaSardininaBodisma vajraiana140550 CentEsôterismaKelsôsyForySiciliaRajasthanRené CouzinetKabary famangianaAleksandria1813Eoin HandWikibolanaHasina (zavamaniry)1942Tanandava (Beroroha)PinyinValéry Giscard d'EstaingOniversiteLop BuriRanomasinaPaoly (apôstôly)Sola ScripturaGoaikaOnitiana RealyAblainzevelleJodeaZorofirarazanaMozikaRanavalona IIIArabia SaoditaFanahy (kolontsaina malagasy)AnaranaSaharanpurEtonaTsiranana PhilibertKailua, Honolulu County, HawaiiLavars🡆 More