Sikidy Asorotà

Ny Asorotà na Asorotany, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahatelo ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahatelo sy ny an'ny Bilady.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Asorotany, misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony".

Ny Asorotany dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny tsanganana Lalana no ahazoana ny tsanganana Asorotany: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Fahatelo sy ny an'ny Bilady, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Apetraka somary ankavia kokoa eo ambanin'ny fàfana misy ny renin-tsikidy, eo ankavanan'ny Lalana, ny Asorotany nefa atao mielanelana izy ireo mba hanatsofohana ny tsanganana Tovolahy (faha-14). Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Asorotà sy Lalana no ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14).

Ny Asorotà dia manondro ny fanahin'ireo havana efa maty na razana.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).

Tags:

BiladyFahatelo (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTera-tsikidy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SilamoFiteny tsovasaKhadija al-SalamiFaritany eto MadagasikaraIndiaFivavahan-drazana afrikanaAnjelyAdijadyLibiaRepoblika Demokratika MalagasyImanoelaFizaràn-taonaRoberto VaccaRadama VoalohanyFanahy MasinaÔlimpôsy (Torkia)Fanomezana fiton' ny Fanahy MasinaBareinaEorôpaMozikaDokuWikiArgonautesFanahy Masina (kristianisma)TantaraOhabolanaFiainana aorian' ny fahafatesanaFoko eto MadagasikaraMarshall LeffertsIndôneziaTom KilburnFanonganam-panjakanaApôkalipsy gnôstikan' i PeteraNatalie PortmanDrôna13 desambra 1991ShikohabadFihavananaFaritra AnosyKolontsaina malagasyHaikyuKabary famangianaAlohotsyKanadaBritaina LehibeAndriamandisoarivoBoky voalohan' ny MakabeoTiffany MynxBayer 04 LeverkusenEvan'ny zodiakaFitsipi-pitenenanaFihafanan'ny tanyFitiavanaShiqiAntankaranaTobilehibe FarihimenaTobilehibeAndrianampoinimerinaKristianisma eto MadagasikaraVolamakaMasikoroBetsileoAsan' ny ApôstôlyArdeshir IraniNofyMpiandry tsaraPlotoAntananarivoGeorges AndriamanantenaTailandyRirininaFiteny jeôrjianaFampakaram-bady1997Forbes🡆 More