Sora-Tsikidy Malagasy

Ny sora-tsikidy malagasy dia ny endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan' ny voan-tsikidy mamorona azy, ao amin' ny sikidy malagasy.

Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana. Noho izany, na dia samy Tale ohatra dia tsy voatery hitovy ny isa sy ny filaharan' ny voa ao aminy. Ireo anarana ireo dia avy amin' ny teny arabo nefa efa nampifanarahin' ny Malagasy amin' ny firafitry ny feon-teniny sady matetika dia very ny tena fifandraisany ka indraindray mifandiso. Izany fifandisoana izany dia hita koa na amin' ny samy teny malagasy aza.

Sora-Tsikidy Malagasy

Ny anaran' ny sora-tsikidy

Ny sora-tsikidy dia mitondra anarana izay misy tsy fitoviam-panononana araka ny faritra eto Madagasikara. Misy koa ny anarana roa na maro nefa manondro tsanganana iray. Ireo anarana ireo dia manondro ny fiheverana na ny toetran' ny mpitana anjara asa toy ny Talé, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, sns.

Tareky

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Tareky, Taraiky, Tareke na Taraika ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 1 1. Avy amin'ny teny arabo hoe Et tariq (midika hoe "lalana") ny hoe Tareky.

Jama na Asombola

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Jama na Asombola, Asimbola ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 2 2. Avy amin' ny teny arabo hoe El djamaâ (midika hoe "vahoaka", "fivoriambe") ny hoe Jama. Avy amin'ny teny arabo hoe As-Sumbul (midika hoe "virjina") ny hoe Asombola.

Asorasady na Adabara

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Asorasady na Alahasady, Alahasaty, Alasady, Alahazady, na Asorovavy, Asoravavy (misy koa ny manao an' io hoe Asoralahy na Asorolahy), na Alidebara, Adabara, Adabaraho ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 1 1.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny fanandroana dia mifangaro amin'ny anaran' ny Alikasajy ny anaran' ny Asorasady.

Alahasady

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alikasajy na Adabara na Alahasady, Alahasaty, Alasady, na Asoralahy, Soralahy, na Asorara ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 2 2. Avy amin' ny teny arabo hoe Al-Asad (midika hoe "liona") ny hoe Alahasady.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny fanandroana dia mifangaro amin' ny anaran' ny Alikasajy ny anaran'ny Asorasady, mifangaro amin' ny anaran' ny Alahasady koa ny anaran' ny Betsivongo.

Alitsimay

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alitsimay, Alisimay, Aditsimay, Aletsimay, Alatsimay, Alitsimahy na Alotsima ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 1 2. Avy amin' ny teny arabo hoe El idjtimaà (midika hoe "fihaonana", "firaisana", "fikambanana") ny hoe Alitsimay.

Alokola

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alokola, Alikola, Alahokoja na Alokolo ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 2 1.

Mohadidy na Alohotsy

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Mohadidy na Alohotsy, Alihotsy, Alahotsy, na Alakaosy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 2 1. Avy amin'ny teny arabo hoe Al-Hut (midika hoe "trondro") ny hoe Alohotsy.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny fanandroana dia mifangaro amin'ny anaran' ny Mohadidy ny anaran' ny Karija.

Adalo

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Adalo na Karija na Mikarija, na Alohotsy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 1 2. Avy amin' ny teny arabo hoe Al-Dalu (midika hoe "mpandraraka rano") ny hoe Adalo.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny fanandroana dia mifangaro amin' ny anaran'ny Mohadidy ny anaran'ny Adalo.

Alaimora

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alaimora, Alahamora, Alahimora, Alohomora, Alemora, Alahomora, Alaomora ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 2 2. Avy amin' ny teny arabo hoe El homra (midika hoe "hamena" na "loko mena") ny hoe Alaimora.

Alibiavo

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alibiavo, Alibeavo, Alibiavo, Alibaiavy, Alibiavy, Alabiavo, Alibeavotse, Alibeiavo, Alibeavy na Adibijady ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 1 2. Avy amin' ny teny arabo hoe El bayad (midika hoe "hafotsy", "loko fotsy") ny hoe Alibiavo.

Alahizana

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alaizana, Alihizana, Alizany, Alahizany, Alihiza, Aalaizany, Relahaza, Alaizana, na Adimizana ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 2 2.

Alikisy

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alikisy, Alikise, Aldikisy, Alinohisa ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 2 1. Avy amin' ny teny arabo hoe El mankus (midika hoe "voavadika", "voatsingoloka") ny hoe Alikisy.

Alakarabo na Kizo

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alakarabo, Alikarabo, na Kizo ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 1 1. Avy amin' ny teny arabo hoe Al-Akrab (midika hoe "maingoka") ny hoe Alakarabo.

Betsivongo na Alikasajy

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Betsivongo, Alikasajy, Alikozaza, Adikasajy, Adikasajy, Alikoasajy, Alakasajy, Likoasajy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 2 1. Avy amin' ny teny arabo hoe El kausadj (midika hoe "vitsy volombava") ny hoe Alikasajy.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny fanandroana dia mifangaro amin' ny anaran' ny Alahasady ny anaran'ny Betsivongo.

Karija

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Karija, Kariza, Karinja, na Adalo, na Vontsira ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 1 2. Avy amin' ny teny arabo hoe El otbet el kharidja (midika hoe "tokonana ivelany (fivoahana))" ny hoe Karija.

Alakaosy

Sora-Tsikidy Malagasy 

Atao hoe Alakaosy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 1 1. Avy amin' ny teny arabo hoe Al-Kaus (midika hoe "mpitifitra tsipika") ny hoe Alakaosy.

Jereo koa

Tags:

Sora-Tsikidy Malagasy Ny anaran ny sora-tsikidySora-Tsikidy Malagasy Jereo koaSora-Tsikidy MalagasySikidy malagasyTeny araboTeny malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Wayback MachineImanoelaEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaAntefasyPort-au-PrinceKabary famangianaTestamenta VaovaoNofySiansaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)VolamenaFifohazana (kristianisma malagasy)PlotoFiteny tsovasaFianarantsoaMasikoroVarotraEpikan' i GilgamesaKôrea AtsimoSihanaka1997Foko folo veryRangitaBootjack, KaliforniaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaAsa (mpanjakan' i Jodà)Goavy (zavamaniry)AntsirananaRepoblika Demokratika MalagasyZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaFihafanan'ny tanyFamoranaFiteny tatara krimeanaFiteny tamilyHasinaAdimizanaPaska jiosyTokyoPôlitika eto MadagasikaraBokin' i RotaApôkalipsin' i JoanyAndriantompokoindrindraFanekem-pinoanaFanahyJeôgrafian' i MadagasikaraMenakaRazafinimanjaka RaketakaRioRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Marshall LeffertsMadagasikaraVitaly LagutenkoTany lemakaApôkalipsy faharoan' i JakôbaReniranoKabary am-panambadianaAostraliaSombin-tantaraKininina (zavamaniry)AmbiroaHovaFiteny aostrônezianaSakarahaFanekem-pinoana apôstôlikaLahatra (finoana malagasy)Faritra Atsimo-AndrefanaMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyAlohotsyTsinyM.I.A.EzekielaMandravasarotraRatsimilahoEndrika araka anjara asaAntemoro🡆 More