Sikidy Fahasivy

Ny Fahasivy, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahasivy, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny Fahavalo.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahasivy, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Fahasivy dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Alisay sy ny an'ny Fahavalo, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Apetraka ambany ankavanan'ny fàfana misy ny renin-tsikidy ny Fahasivy. Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Fahasivy sy ny an'ny Haja no manome ny tsanganana Ombiasa (faha-12).

Ny Fahasivy dia manondro ny fanahy tsy hita maso sy ny ody.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).

Tags:

AlisayFahavalo (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTera-tsikidy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SaolyHagia SophiaTsinyBielôrosiaHaitsikerafitenyPedro II an'i BrazilaMaleziaAC/DCAntsirananaFritz HaberWikibolanaLisitry ny zavatra madinidinika 5001-6000Marumsco, VirginiaHerinandroIbn Hajar al-AsqalaniFitsanganan' i Jesoa ho velonaAdy MangatsiakaBMWVaryFandraisanaLisitry ny zavatra madinidinika 22001-23000Fisoronana sy fanalana vintanaNizeriàMorcourt, SommePalestininaRalaimongo JeanFatidraSampy (malagasy)19361929Roman PavlioutchenkoTononkaloFiteny pôlôneyLisitry ny zavatra madinidinika 1-10001997Bokin' ny mpaminany (Baiboly)EtazoniaSamaritanaTômasy avy any AkoinoFinlandyHiragasyEmperora MeijiMozilla(2984) ChaucerPaskaMeksikaEstera (ao amin'ny Baiboly)1940Helodranon' AmpasindavaFihafanan'ny tanyVolkan DemirelLisitry ny zavatra madinidinika 60001-61000Tantara5305 OktobraSoisaXi'anFahotanaSektaFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyZhuge LiangLakandranon' i SuezKristianisma eto MadagasikaraAndrianaJodaismaMpanakanto malagasyNederlandyFandriam-pahalemanaSodàna AtsimoEmpira ÔtômànaAntarktikaMadagasikara🡆 More