Sikidy Maly

Ny Maly, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony sy laharana faharoa farany avy ankavanan'ny fàfana itambaran'ny tsanganan-tsikidy rehetra.

Isan'ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanana) dia ny Tale, ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fanokoana ny Maly

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Maly ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony". Ny Maly dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Tale no ahazoana ny Maly: Manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan'ny lohan'ny Tale mba hamoronany ny lohan'ny Maly. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran'ny Maly izay apetrany eo ambanin'ny tratrany. Ampiharina fanintelony amin'ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Maly.

Hevitry ny hoe Maly

Ny Maly dia anarana iantsoana ny "harena" amin'ny sikidy. Io no anjara asa faharoa ao amin'ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny fihrian-karen'ny "mpanontany".

Ny vokatry ny fanakambanana ny Maly

Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an'ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

Sikidy Maly Fanokoana ny MalySikidy Maly Hevitry ny hoe MalySikidy Maly Ny vokatry ny fanakambanana ny MalySikidy Maly Jereo koaSikidy MalyAbilyAlisayAsorotà (sikidy)BiladyFahasivy (sikidy)Fahatelo (sikidy)Fahavalo (sikidy)Fianahana (sikidy)Haja (sikidy)Kiba (sikidy)Lalana (sikidy)Ombiasa (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)Tera-tsikidyTovolahy (sikidy)Zanahary (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tetiandro malagasy1963Fiteny malaiô-pôlinezianaVolahavana GermaineMpampiankinaApôkalipsy kôptan' i PaolyDidy FoloDemôkrasiaFanonganam-panjakanaRenivintanaApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoFifohazana (kristianisma malagasy)Pôlitika eto MadagasikaraFanagasianaHaisoratraNederlandyGordie HoweLisitry ny gazety ao MadagasikaraOva-matoanteny(103906) 2000 DJ58Enzo Ferrari1870LitorjiaSampan-tenyApôkalipsin' i Stefana28 MartsaPakistànaVolaAntanosyPistisy Sôfia1982Malagasy (vahoaka)Bokin' ny FahendrenaIamblikôsyMpisolo fotoanaRosia1866FasismaEvanjely grikan' ny EjipsianaAndringitraJean-Joseph RabeariveloBokin' i RotaSoedaPentateokaRazana (finoana malagasy)Abu Mansur al-BaghdadiPoopyFanavaozana prôtestantaFrantsaDakota AtsimoRanomasimbe PasifikaFaritra eto MadagasikaraVoalavoSaryJôbaFilaza mandidySarielaGaliaFiteny litoanianinaAbdellatif FellainiBlaogyHansel et GretelBaiboly amin' ny teny malagasyFanjakan' ImerinaMpisolo toerana (fitsipiteny)India29 SeptambraFaritra Atsimo-AndrefanaKanadaAdizaoza1 JonaKilamba-KiaxiVietnamy🡆 More