Sikidy Fahavalo

Ny Fahavalo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahavalo, mipetraka eny amin'ny fàfana farany ambony, isan'ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain'ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy ireo.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahavalo, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Fahavalo dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Alisay no ahazoana ny Fahavalo: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tongotry ny Tale no lohany, ny tongotry ny Maly no tratrany, ny tongotry ny Fahatelo no vaniany ary ny tongotry ny Bilady no tongony.

Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an'ny Fahavalo no hahazoana ny soratry ny Fahasivy (faha-9) izay isan'ireo atao hoe tera-tsikidy.

Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny ny rafy na ny mpifanandrina amin'ny tena, amin'ny sikidy malagasy.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

BiladyFahatelo (sikidy)Maly (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IsmaelaFiangonana Ara-Pilazantsara eto MadagasikaraFitenim-paritra malagasyEmperora CixiLiga araboNekô IIAnaranaFanambadianaGuangdongLibànaAntemoroKilalakyVolafotsyAdy Lehibe VoalohanyAndriamanitra (tokana)AdizaozaTazomokaStridônaWiki FoundationFanandroanaRabibyTestamenta TalohaLahatra (finoana malagasy)Fiteny latinaFanatitraSôdômaJesoa araka ny kristianismaMosavy (finoana malagasy)FahagaganaAdijadyMohamadyFiteny ingrianaJirofoFokom-pirenen' i DanaVaryRazana (finoana malagasy)ZivaFiarahamoninaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFokom-pirenen' i IsakaraAostraliaFaritanin' AntananarivoFiteny kantôneyIsaia (mpaminany)BrezilaHartford, ConnecticutAWayback MachineDavida (mpanjaka)PrôtestantismaVy Vato SakelikaAndrianampoinimerinaAntanosyTsirinteny1862Lisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyFiteny jeôrjianaFaritra Atsimo-AndrefanaAfrika AndrefanaMounir Aziz DaoudFatranaBaibolySamboAnjara asa (fitsipiteny)Faritra AnosySamgaraAogostino avy any Hipôna1188Zon' olombelonaFanasan' ny TompoVolahavana GermaineMpisolo manontanyKabary🡆 More