Sikidy Kiba

Ny Kiba na Akiba na Trano, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina ambin'ny folo farany, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Zanahary (na Haky) sy ny an'ny Tale.

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Kiba na Trano, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Kiba dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Kiba ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Zanahary sy ny an'ny Tale, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Tsy misy intsony ny tsanganan-tsikidy vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Trano amin'ny an'ny tsanganana hafa. Tsy miteraka izany ny Kiba.

Anondroana ny trano fonenana tokoa ny Trano na Kiba.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)Tera-tsikidyZanahary (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

EorôpaVaryFiteny frantsayLinus PaulingAndringitra1946IndôneziaAugustin rajonToetanin-jana-pehin-tany1973Asidra dezôksiribôniokleikaSamôaWashingtonAsir, IranMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraDon TaylorZanadralamboHazomangaJapànaFahasalamanaKôràAmpiposahana (faritra)Worcester, MassachusettsNy Avana RamanantoaninaVolana (fotoana)Wiki CommonsSarielaHaifisaina sy hetsi-poKanadaZanatsoratraKabary famangianaFiteny slôvenaArjentina633FandraisanaJôbaFilazantsara araka an' i LiokaFifohazam-panahy lehibeAdijadySalavantanin' i GazaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAostraliaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)TantaraFiteny neerlandeyMpisolo fotoanaKanônan' ny BaibolyAmbohimangaTovana (fitsipiteny)EtiôpiaUlan BatorParashaEorôpa AndrefanaRaki-pahalalanaSinaLovantsofinaKristianinaFivarotana andevoMounir Aziz DaoudPoopy1870Fiainana ara-panahy2005SongosongoMpisolo toerana (fitsipiteny)Talata🡆 More