Teôlôjia Onitarisma

Ny onitarisma dia fampianarana ara-pivavahana tsy mino ny Trinite, izay milaza fa fanahy iray dia iray ihany Andriamanitra fa tsy tokana mizara ho persôna telo.

Ny onitarisma dia manohitra ny trinitarisma izay foto-pampianaran' ny kristianisma manaraka ny fanapahan-kevitra tao amin' ny Kônsily voalohany tao Nikea tamin' ny taona 325 sy ny Kônsily tao Kalkedôna tamin' ny taona 451 izay arahin' ny fiangonana lehibe toy ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny Fiangonana prôtestanta.

Mandà ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy -- izay ataony hoe olona manakaiky kokoa an' Andriamanitra ihany na koa mpaminaniny lehibe indrindra, fa tsy Andriamanitra -- ny firehana onitariana. Miampanga ny mpanaraka ny tenim-pinoan' ny Trinite ho tsy tena mivavaka amin' Andriamanitra tokana (mônôteisma) ny onitarisma. Efa tany alohan' ny Kônsily tao Kalkedôna no nisian' ny onitarisma, ka ny tena fantatra dia ny arianisma tamin' ny taonjato faha-4. Taorian' ny nanjavonan' ny arianisma dia teraka indray tao Eorôpa ny onitarisma tao Pôlônia-Litoania sy tany Transylvania teo antenantenan' ny taonjato faha-16, vokatry ny fampianaran' i Ferenc Dávid sy Jean Sigismond Zápolya. Niforona tao Angletera tamin' ny taona 1774 ny fiangonana onitariana voalohany ary niseho amin' ny fomba ôfisialy ny foto-pampianarana onitariana tao Etazonia tamin' ny taona 1784 tao amin' ny fampianaran' i James Freeman (1759-1835).

Tsy afangaro amin' ny Fiangonana Oniata (na Fiangonana miray) ny onitarisma.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Andriamanitra (tokana)Eglizy katôlika rômaninaFanahyFiangonana ôrtôdôksa tatsinananaKristianismaKônsily tao KalkedônaKônsily voalohany tao NikeaPersôna (teôlôjia)PrôtestantismaTrinite

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KiantenyTorkiaLitorjiaFiteny tiorkaMark JerrumEorôpaFiteny araboRamevaAntemoroHasina (hery tsy hita maso)Sokajin-tenyWikipediaKristianinaVoronaFiteny kirondySanta-Vinsanta-sy-GrenadinaDidy FoloAlarobiaFanjakan' ImerinaAast, Pyrénées-AtlantiquesTobilehibeAlakaraboIngosetiaVintana (finoan-drazana malagasy)Fanandroana malagasyFitenim-paritra malagasyMalakiaFirenena MikambanaTolom-bahoaka tamin' ny 1947QIT Madagascar MineralsTsindrimandry (fivavahana)MerinaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaAntesakaConstantin StanislavskiFaritany eto MadagasikaraTodyBetlehemaMeivazySôlômônaVatosoaFanavakavahanaKazakstànaAntandroyPraiminisitra malagasyBokin' i IsaiaPôlitika eto MadagasikaraFiangonana Loterana MalagasyTerakaZambia\AsombolaAdimizanaNjakatianaPoaceaeFiarakodiaBenjamin DisraeliFivavahanaMpandrindra milinaZahaTobim-pifohazanaForyBokin' ny OhabolanaFahaterahanaTontolo iainanaOzbekistànaTenerifeBaraFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranySydneyAnaran'ny mponina🡆 More