Kônsily Tao Kalkedôna

Ny Konsily tao Kalkedôna na Kônsily tao Kalsedoana dia kônsily ekiomenika fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao Kalkedôna na Kalsedoana tamin' ny taona 430.

Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i Jesoa natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Izany kônsily izany no nanoherana an' i Eotikesy, izay nampianatra fa mifangaro ka tsy azo avahana ao amin' ny natioran' Andriamanitra ny natioran' olombelona ao amin' i Kristy. Heverin' ny tao amin' ny kônsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe mônôfizisma. Ny emperora Teôdôsio II no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny Fanekem-pinoanan'i Kalkedôna.

Kônsily Tao Kalkedôna
Konsily tao Kalkedona

Atao hoe concilium Chalcedonense izany amin' ny teny latina fa Σύνοδος της Χαλκηδόνας / Sunodos tês Khalkêdonas kosa amin' ny teny grika.

Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny persônan' i Kristy izay nambaran' i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran' ny kônsily tao Efeso. Nandray anjara betsaka tamin' izany kônsily izany i Flaviano avy any Kônstantinôpôly sy i Leô I avy any Rôma. Mandà ny fanapahan-kevitr' io kônsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "mônôfizita" izay tsy manaiky ny fananan' i Kristy natioran' olombelona.

Ny fanekem-pinoan' i Kalkedôna

Ny Fanekem-pinoan'i Kalkedôna (na kalkedôniana) na Fiekem-pinoan' i Kalsedoana (na kalsedôniana) dia fiekem-pinoana tapaka tamin' ny Kônsily tao Kalkedôna izay mamaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra (grika: Theotokos) an' i Maria. Izao ilay fahekem-pinoana:

"Araka ireo Ray masina izany dia mampianatra amim-piraisam-peo izahay fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesoa Kristy, ilay tanteraka amin'ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin'ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy fomba amin'ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy fomba amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin'ny lafiny rehetra afa-tsy amin'ny fahotana, nateraky ny Ray talohan'ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin'ny andro farany izy tenany ilay nateraka ho antsika sy ho famonjena antsika avy amin'ny Maria Virjiny, Renin'Andriamanitra araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamihafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan'ny fiombonana, ny toetran'ny fomban'ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin'ny persona sy hipostazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persona roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy."

Jereo koa

Tags:

EotikesyFampianaran-disoFiekem-pinoan'i KalkedônaJesoaKônsily ekiomenikaMônôfizisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SoronaBetsileoTabernakelyFanekem-pinoana ekiomenikaForquilhinhaJean-Joseph RabeariveloForyFanandroana malagasyWuhanRindrankajy malalakaAriaryKolontsaina malagasySodànaAdaoroTantaraFitsaboana nentim-paharazanaThe BeatlesDokuWikiFlamingôBetsimisarakaFanisanaKabary am-panambadianaBaoksitaHermosa Beach, KaliforniaKôbaltaRy Tanindrazanay malala ôEokaristiaSakalavaMario BaslerPapelika (vorona)BokyRamadanyVanovolondavenonaArkeôlôjiaVondrona EorôpeanaFirenenaAndriamangariraJitànaHenri RatsimbazafyBootjack, KaliforniaHypertext Markup LanguageMérignac, GirondeRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaOrlando, FloridaEl Dorado, ArkansasTaom-baovao malagasyAviavyFilazantsara araka an' i LiokaAsaZanahary (finoan-drazana malagasy)Fanahin' ny vatanaRocourt-Saint-MartinKilamba-KiaxiTorkiaAdijadyEkolojiaPaska jiosy(194602) 2001 XR129Andriamanitra RayKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaRanomasimbe PasifikaTrondroBézouotteSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaAdimizanaLed ZeppelinBen' ny tanànaFiteny kikôngôAmalonaHasina (hery tsy hita maso)🡆 More