Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155

Ny Salamo faha-152 hatramin' ny 155 dia salamo lazaina fa nosoratan' i Davida, izay tsy hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo araka ny kanônan' ny jodaisma.

Hita ao amin' ny Baiboly amin' ny teny siriaka atao hoe Peshitta ireo salamo ireo, miaraka amin' ny salamo faha-151 izay tsy hita koa ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Nifanarahana fotsiny ny fanasiana laharana 151 hatramin' ny 155. Ny salamo faha-151 kosa dia tsy hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo araka ny ahafantarana azy ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny Baibolin' ny ankamaroan' ny fivavahana kristiana (katôlika, prôtestanta sns.). Ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika atao hoe Septoajinta (na Septanta) no ahitana azy.

Ao amin' ny fiangonana kristiana ankehitriny dia heverina ho kanônika (filamatra) na tsy kanônika (ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa sasany) na pseodepigrafa na apôkrifa (ao amin' ny Fiangonana katôlika sy Fiangonana prôtestanta ary Fiangonana evanjelika) ireo salamo ireo. Ny Fiangonana apôstôlika armeniana dia mamaky ny salamo faha-151 ao amin' ny litorjiany isaky ny andro Pentekôsta, ary ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana sy ny Fiangonana ôrtôdôksa eritreana dia mampiasa azy ao amin' ny litorjiany amin' ny alin' ny Zoma masina.

Salamo faha-152

"Notaon' i Davida raha nifanandrina tamin' ny liona sy ny lopa izay naka ny ondry tamin' ireo nandrasany izy". Amin' ny fiteny siriaka no ananana io salamo io amin' izao ary mety ho nosoratana tamin' ny teny hebreo izy tamin' ny voalohany sady mety tamin' ny vanimpotoana helenistika (taona 323 hatramin' ny 31 tal. J.K.) no nanoratana azy.

Salamo faha-153

"Nataon' i Davida raha niverina hisaotra an' Andriamanitra izay nanafaka azy tamin' ny liona sy ny lopa ka namonoany azy roa". Amin' ny teny siriaka koa no ananana io salamo io amin' izao. Tamin' ny vanimpotoana mitovy no nanoratana azy sy ny salamo faha-152.

Salamo faha-154

Ity salamo ity dia hita ao amin' ny Peshitta siriaka sady hita koa tamin' ny teny hebreo ao amin' ny Sora-tanana tao amin' ny Ranomasina Maty. Ny lohahevitra voiziny dia ny famporisihana "hiombona amin' ny tsara sy ny lafatra, amin' ny voninahitry ny Avo Indrindra". Ahitana firesahana ankolaka ny fiaraha-misakafo koa ao, izay mety miresaka ankolaka ny fiangonan' ny Eseniana: "Ary amin' ny sakafo dia tokony hahafa-po amin' ny fahamarinana, ary amin' ny zava-pisotrony, rehefa mifampizara miaraka izy ireo".

Salamo faha-155

Ity salamo ity, izay misy amin' ny teny siriaka, dia hita tao amin' ny Sora-tanana tao amin' ny Ranomasina Maty. Sora-tanana natao tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. izy io. Mitovy lohahevitra amin' ny salamo faha-22 izy. Sarotra anefa ny mamantatrany fotoana mety nanoratata azy.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155 Salamo faha-152Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155 Salamo faha-153Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155 Salamo faha-154Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155 Salamo faha-155Salamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155 Jereo koaSalamo Faha-152 Hatramin' Ny Faha-155BaibolyBokin'ny SalamoDavida (mpanjaka)Fiteny grikaFiteny siriakaJodaismaKatolisismaPeshittaProtestantismaSalamo faha-151SeptoajintaTanakh

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanandroana malagasyHabakabakaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)FiarakodiaAngatra (aretina)VorombolaAndriamenaJesoaRy Tanindrazanay malala ôNjakatianaAmontanaRoman PolanskiKabaryDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)849AndrianaAmbatolampy TsimahafotsyZahaAlahasatyAnaranaMpampiankina fehezankevitraJohn DaltonMôsikaoPaskaOzbekistànaFirenena MikambanaFikambanana Skoto eto amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy1925Anaran'ny mponinaFaritany eto MadagasikaraLanitra (finoana)FanahyFifohazana SoatanànaZanahary (finoan-drazana malagasy)Modesto, KaliforniaEvekaParadisa (silamo)Dmitri MedvedevFijyHabakokaBokin' ny SalamoBaiboly amin' ny teny malagasyHelsinkiFitiavanaTestamenta Taloha2001Victoire RasoamanarivoAlahamadyLaurent CantetMpampitohy tenyAndrianampoinimerinaFiraisana ara-nofoBokin' ny mpaminany (Baiboly)AdaloFanavakavahanaPraiminisitra malagasyZambiaAmpiposahana (faritra)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôAndriamanitra (ankapobeny)Anjara asa (fitsipiteny)Fiteny betsileoAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaBenjamin DisraeliFaritra ItasyAntandroyFanjanahantanyZanabintanaKristianisma eto Madagasikara🡆 More