Salamo Faha-46

Ny Salamo faha-46 na Salamo 46 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky faharoa" (Sal. 42 - 72) ity salamo ity.

Dikan-teny malagasy

Dikan-teny prôtestanta

1 Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin' ny fahoriana Izy

2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin' ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan' Andriamanitra, Fonena-masin' ny Avo Indrindra.

5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.

6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.

7 Jehovah, Tompon' ny maro, no momba antsika; Andriamanitr' i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.

8 Avia, jereo ny asan' i Jehovah, izay mahatonga faharavana etý an-tany;

9 Mampitsahatra ady hatramin' ny faran' ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin' ny afo.

10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin' ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin' ny tany Aho.

11 Jehovah, Tompon' ny maro, no momba antsika; Andriamanitr' i Jakoba no aro ho antsika.

Dikan-teny katôlika

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Amin'ny feon'ny virjiny. - Hira.

2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana.

3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina, ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra; ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra.

6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8 Iavehn'ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.

9 Avia, jereo ny asan'ny Tompo, dia ny fandravana nataony tety an-tany!

10 Ny ady natsahany hatramin'ny faran'ny tany; ny tsipìka notapahany; ny lefona nofolahany; ny kalesy fiadiana nodorany tamin'ny afo.

11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra aho, manapaka ny firenena, manjaka amin'ny tany!

12 Iavehn'ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.

Jereo koa

Salamo

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Samihafa:

Tags:

Salamo Faha-46 Dikan-teny malagasySalamo Faha-46 Jereo koaSalamo Faha-46BaibolyBokin' ny Salamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MarovatoMpamari-toetraDarryl StarbirdAntemoroWayback MachineMôsikaoNRoman Polanski849Praiminisitra malagasyEorôpaZavaboaryRy Tanindrazanay malala ôTendryMpampiankinaFahaterahanaAsabotsyBokin' ny SalamoFifohazana (kristianisma malagasy)Wiki Commons2001Bokin' i IsaiaFanjanahantanyIsraelySoisaFerenc AndrásFitiavanaAsaSiansa ara-tsôsialyBokin' ny OhabolanaTambintenyFanatontoloanaFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany2006Asa AkiraFahefana mpanatanterakaMain PageFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)TenerifeAlemainaMontanaFanambadianaFahasalamanaLuciano SpallettiVoronaAdijadyEvekaKilamba-Kiaxi2012TorkmenistànaPablo PicassoBorondyMassachusettsLaurent CantetAmerikaDemôkrasiaTsirinteny sara-droaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoJapànaIndôneziaBaiboly amin' ny teny malagasyGrisySampan-tenyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraFiteny malagasyHasina (zavamaniry)AdizaozaTobim-pifohazanaTambajotraAndriamanitra (ankapobeny)🡆 More