Salamo Faha-50

Ny Salamo faha-50 na Salamo 50 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin'ny fizaràna atao hoe "boky faharoa" (Sal. 42 - 72) ity salamo ity. Isan' ireo salamo nataon' i Asafa izy.

Dikan-teny malagasy

Dikan-teny prôtestanta

  1. Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatramin' ny filentehany.
  2. Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan' Andriamanitra.
  3. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
  4. Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
  5. Angony etý amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin' ny fanatitra.
  6. Hasehon' ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara
  7. Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
  8. Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao
  9. Tsy maka vantotr' ombilahy amin' ny tranonao Aho, na osilahy amin' ny valanao;
  10. Fa Ahy ny biby rehetra any an' ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra
  11. Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
  12. Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
  13. Hihinana ny nofon' ombilahy va Aho, na hisotro ny ran' osilahy?
  14. Manatera fanati-pisaorana ho an' Andriamanitra; ary efao amin' ny Avo Indrindra ny voadinao;
  15. Antsoy Aho amin' ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
  16. Fa amin' ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
  17. Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
  18. Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin' ny mpijangajanga.
  19. Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka
  20. Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.
  21. Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
  22. Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an' Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
  23. Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen' Andriamanitra.

Dikanteny katôlika

  1. Salamon' i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin' ny fiposahan' ny masoandro, ka hatramin'ny filentehany
  2. Avy ao Siona, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan' Andriamanitra.
  3. Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina; afo mandevona no eo alohany, tafio-drivotra mahery no manodidina azy.
  4. Miantso ny lanitra ambony izy, mbamin' ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany.
  5. Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin' ny sorona.
  6. Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra, fa Andriamanitra no ndeha hitsara. - Selà.
  7. Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho; henoy, ry Israely, fa hananatra aho, Izaho no Elohima, Andriamanitrao.
  8. Tsy ny amin' ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.
  9. Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao aho, na izay osilahy ao am-balanao.
  10. Fa ahy avokoa ny biby any an'ala, mbamin' ny biby eny an-tendrombohitra, an'arivony.
  11. Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.
  12. Raha mba noana aho, tsy hilaza aminao akory, fa ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.
  13. Moa mihinana izay nofon' ombalahy va aho? Moa misotro izay ran' osilahy va aho?
  14. Ny fisaorana no atero ho sorona ho an' Andriamanitra, ary efao amin' ny Avo indrindra ny voadinao.
  15. Antsoy amin'ny andron' ny fahoriana aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra ahy hianao.
  16. Fa amin' ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
  17. izay hianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?
  18. Raha mahita mpangalatra hianao, dia vary lena hianao sy izy, ary miombona amin' ny mpaka vadin' olona hianao.
  19. Ny vavanao, alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao manira fitaka.
  20. Mipetraka hianao, dia miteny mamely ny rahalahinao, sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.
  21. Izany no nataonao, nefa nangina ihany aho, ka dia noheverinao fa mitovy aminao aho, kanjo indro aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.
  22. Koa mitandrema ary, hianareo manadino an' Andriamanitra, fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy.
  23. Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy; ary izay mandamina ny làlany no hanehoako ny famonjen' Andriamanitra.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

Salamo Faha-50 Dikan-teny malagasySalamo Faha-50 Jereo koaSalamo Faha-50BaibolyBokin'ny SalamoSalamo nataon' i Asafa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Repoblika Fahefatra (Madagasikara)Tsirinteny sara-droaFiteny malagasyHolatraAndriamenaAndriamasinavalonaJohn DaltonVorombolaBokin' ny OhabolanaKristianismaFiarakodiaGovernemanta1910MalakiaVatosoaApôkrifan' ny BaibolyEtazoniaFijyFivavahanaJohannes VermeerFanjakan' AndriamanitraFomban-drazanaModesto, KaliforniaAsaWikiZanabintanaTolom-bahoaka tamin' ny 1947AljeriaLitorjiaFaritra eto MadagasikaraSoisaAdijadyRazana (finoana malagasy)Mpampitohy (fitsipiteny)FamadihanaL14 FebroaryFanatontoloanaAnaranaSampan-tenyLambo diaFampianaran-diso (fivavahana)Aast, Pyrénées-AtlantiquesFaritany eto MadagasikaraAntankaranaKongonaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Current eventsSilamoGeorges AndriamanantenaAdizaozaÔseaniaISO 4217ZanatsoratraNôvambraFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaIngosetiaOraAsorotanyAlakaraboFanekem-pinoana apôstôlikaDarryl StarbirdParadisa (silamo)OkrainaFanjakan' i Israely (mitambatra)1911GoogleMikeaAmontanaAnthiyurFifohazana (kristianisma malagasy)Ambatolampy Tsimahafotsy🡆 More