Salamo Faha-102

Ny Salamo faha-102 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-101 no eo alohany ary ny faha-103 no manaraka azy.

Lahatsoratra

Dikan-teny katôlika

1Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatra ny fitarainany eo anatrehan'ny Tompo.

      2Iaveh, henoy ny fivavahako,

      3ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako.

Aza manafina ny tavanao amin'ny andron'ny fahoriako,

atongilano aty amiko ny sofinao,

faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.

      4Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko,

ary mirehitra, toy ny doran'ny afo, ny taolako.

      5Voajinja toy ny ahitra ny foko, ka malazo;

hadinoko aza ny mihinan-kanina.

      6Tafaraikitra amin'ny taolako ny nofoko,

azon'ny mitaraina sy misento.

      7Tahaka ny pelikano any an'efitra aho,

ary zary toa vorondolo tokana an-tanàna haolo.

      8Tsy mahita tory aho mandritra ny alina,

toa vorona manirery eny an-tafon-trano.

      9Tsiratsirain'ny rafilahiko tontolo andro aho,

ary ny fahavaloko entim-pisafoahany mianiana ny hamono ahy.

      10Mihinan-davenona ho tahaka ny mofo aho,

ary haroako ranomaso ny zavatra sotroiko;

      11noho ny hatezeranao amam-pahaviniranao,

fa naingainao aho, ary natsipinao lavitra.

      12Tahaka ny aloka efa mandroso mihalava ny androko,

ary mihamalazo toy ny ahitra aho.

      13Fa hianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay,

ary velona amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.

      14Hitsangana hianao, hamindra fo amin'i Siona,

fa ny andro hamindram-po aminy,

ny fotoana voatendry dia efa tonga.

      15Satria lalain'ny mpanomponao ny vatony,

nampangoraka ny fony hatramin'ny vovo-taniny.

      16Amin'izay dia hanaja ny anaran'ny Tompo ny firenena,

ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.

      17Fa Iaveh nanangana an'i Siona indray,

niseho tamin'ny voninahiny izy;

      18nihaino ny vavaky ny fadiranovana,

tsy nanamavo ny fitarainany.

      19Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an'ny taranaka ho avy;

ary aoka hankalazain'ny firenena vao hiforona Iaveh.

      20Satria nitsinjo teny amin'ny havoany masina izy,

satria nitsinjo ny tany teny an-danitra Iaveh;

      21mba hihaino ny fitarainan'ireo voababo,

mba hanafaka an'ireo efa voatendry hovonoina ho faty,

      22mba hitorian'ireo ny anaran'ny Tompo ao Siona,

sy ny fiderana azy ao Jerosalema;

      23raha avy izay hiangonan'ny firenena rehetra,

mbamin'ny fanjakana, hanompo an'ny Tompo.

      24Efa nanaketraka ny heriko teny an-dàlana izy,

efa nanafohy ny androko izy.

      25Hoy aho: Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo an-tenantenan'ny androko,

hianao izay aharetan'ny taonanao, amin'ny taona mifandimby.

      26Nanorina ny tany tamin'ny voalohany hianao,

ary asan'ny tànanao ny lanitra.

      27Ho levona ireo, fa hianao kosa maharitra,

hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba hianao, ka ho voaova izy.

      28Fa hianao kosa maharitra tsy miova,

ary tsy manam-pahataperana ny taonanao.

      29Ny zanaky ny mpanomponao honina amin'ny taniny,

ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

BaibolyBokin' ny SalamoSalamo faha-101Salamo faha-103

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TsinyVorombolaElliot ShevelOraISO 4217JodaismaVintana (finoan-drazana malagasy)AntanosyConstantin StanislavskiAmpongaFanjakan' ImerinaSampan-tenyFiteny tiorkaMôsikaoSakramentaFiarahamoninaAdy Lehibe FaharoaSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoAostraliaBokin' i DanielaBetsimisarakaAratraApôkrifan' ny BaibolyAlarobia2020QIT Madagascar MineralsAntambahoakaNjakatianaAntenimieram-pirenenaFivavahana eto MadagasikaraFahefana mpanatanterakaFiteny kirondyAVondrona Eorôpeana31 MartsaMpampiankin-tenyBaraJean-Joseph RabeariveloAdy LehibeFahababoana tany BabilônaFiteny tamilyHabakabakaFamadihanaSorona masinaHasina (hery tsy hita maso)Mark Jerrum849Testamenta VaovaoFanatontoloanaMpandrindra milinaSandam-bolaKabary famangianaFaritra eto MadagasikaraFanalana faditraKolontsainaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Fiteny hebreoSolombavambahoakaSilamoFilôzôfiaFifohazana (kristianisma malagasy)BetlehemaTetiandro malagasyFanekem-pinoana apôstôlikaMpampitohy (fitsipiteny)Faritra Itasy14 FebroaryKor'any🡆 More