Salamo Faha-12

Ny Salamo faha-12 na Salamo 12 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.

Dikan-teny malagasy

Dikan-teny protestanta

  1. Ho an' ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon' i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin' ny zanak' olombelona.
  2. Samy milaza lainga amin' ny namany amin' ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
  3. Holevonin' i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
  4. Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
  5. Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan' ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain' ny sasany.
  6. Ny tenin' i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin' ny memy ka mitsoriaka amin' ny tany eny, voadio impito.
  7. Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon' ity taranaka ity.
  8. Raha avy izay isandratan' ny tsinontsinona eo amin' ny zanak' olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon' izay azom-pahoriana mafy loatra.

Dikan-teny katôlika

  1. Ho an' ny mpampianatra hira. Amin' ny Oktavy. Hiran' i Davida.
  2. Vonjeo ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin' ny zanak' olombelona ny mahatoky.
  3. Mifampilaza lainga no ataon' ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
  4. Holevonin' ny Tompo anie ny molotra mandrobo rehetra, mbamin' ny lela miteny amin' avonavona,
  5. izay milaza hoe: Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?
  6. Noho ny fahorian' ny ory, amam-pisentoan' ny mahantra, dia hitsangana aho ankehitriny, hoy Iaveh, dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
  7. Teny madio ny tenin' ny Tompo, volafotsy voarendrika anatin' ny memy ambonin' ny tany izy, ka voadio impito.
  8. Hianao no hiambina azy, ry Iaveh ô; dia hiaro azy mandrakariva amin' ity taranaka ity.
  9. Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy; fa araka ny isandratan' ny zanak' olombelona no hanetrena azy ireo.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

Salamo Faha-12 Dikan-teny malagasySalamo Faha-12 Jereo koaSalamo Faha-12BaibolyBokin' ny Salamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Banto (vahoaka)Filazam-potoana (fitsipiteny)11 AprilyPoaceaeZafimaniryFilistinaSaolyJoroApôkalipsin' i Joany1964Misiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraTerakaMôsikaoParisyZanahary (finoan-drazana malagasy)Vondrom-pokoFifandraisan-davitraBetsileoKabary tera-baoSoavalyFanagasianaFiteny italianaFanandroana malagasyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaAhidamboFanatitraAostraliaHans Holbein le JeuneTestamenta TalohaToekaren' i MadagasikaraKaody baraRazana (finoana malagasy)AfrikaMôralyMpisolo manondro1860JeôlôjiaJiosyLoka NobelBokin'i HenokaIsmaelaKabarySamuel Ratany17 DesambraFisoronana sy fanalana vintanaMasikoro1900LahatraPhoenix, ArizonaFokom-pirenen' i IsakaraBetsimisarakaPaul CézanneBill ClintonFanafodySiansaAnjely potrakaFokom-pirenen' i IsraelyHaihaySalamo faha-42Fiangonana zandrinyMetodismaZazavavindranoFiteny espaniôlaLionaKôngô-BrazzavilleRepoblika MalagasyLoteranismaFrank ZappaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraSiméon Rajaona🡆 More