Salamo Faha-47

Ny Salamo faha-47 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky faharoa" (Sal. 42 -72) ity salamo ity.

Dikan-teny malagasy

Dikan-teny prôtestanta

1 [Fihobiana noho ny niakaran' ny Tompo]

Ho an' ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo.

Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an' Andriamanitra.

2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin' ny tany rehetra Izy.

3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin' ny tongotsika.

4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr' i Jakoba izay tiany.

*

5 Efa niakatra tamin' ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin' ny fitsofana ny anjomara.

6 Mankalazà an' Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

7 Fa Mpanjaka amin' ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.

8 Andriamanitra manjaka amin' ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany masina.

9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon' Andriamanitr' i Abrahama; fa an' Andriamanitra ny ampingan' ny tany; Avo indrindra Izy.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

BaibolyBokin'ny Salamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiainana aorian' ny fahafatesanaFiteny siriaka74Repoblikan'i Afrika AfovoanyP26 OktobraIsam-poninaFirenenaFarihimenaTany185052Fianakavia-mpanjaka lagidaRaki-pahalalanaSinaAntandroyFiteny frantsay5H1959FandaharanaFiteny indô-eorôpeaninaRadama VoalohanyKeith LarsenSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaU2VintanaFangitra ara-jeografiaMari-piatoana26Andro AntenatenanyVaryFiangonana Loterana MalagasyRasoherina31KiribatyFinlandyKyiv17BahaismaDidy FoloMey28Fiteny antesaka221901Ambohidrabiby19251929Epistily ho an'ny RomanaParadisaI1930HermanusBiarritzPavel Dochev198420172022Bizou20011813OsloLambamenaLitorjiaSatanaWiki50Hong KongAdimizanaRova ManjakamiadanaNamibiaApôkalipsin' i Joany19461993🡆 More