Salamo Faha-99

Ny Salamo faha-99 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly.

Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-98 no eo alohany ary ny faha-100 no manaraka azy.

Lahatsoratra

Dikan-teny katôlika

1Mpanjaka Iaveh; mangovitra ny firenena;

mipetraka eo amin'ny Kerobima izy; mangozohozo ny tany.

      2Lehibe ao Siona Iaveh,

tafasandratra ambonin'ny firenena izy.

      3Hoderaina anie ny anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina izy.

      4Hoderaina anie ny herin'ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.

Manamafy ny fahitsiana hianao,

mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny

eo amin'i Jakoba hianao.

      5Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.

      6Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony,

ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany,

dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.

      7Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy;

nitandrina ny didiny izy ireo

sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.

      8Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay;

Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao,

ary namaly azy tamin'ny hadisoany.

      9Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina,

fa masina Iaveh Andriamanitsika.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Tags:

BaibolyBokin' ny SalamoSalamo faha-100Salamo faha-98

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lisitry ny gazety ao MadagasikaraAngatra (aretina)Fifohazana SoatanànaNFitiavanaKristianinaFaritra AndroyJesoaMeivazyFisoronana sy fanalana vintanaFototenyZanahary (finoan-drazana malagasy)Kristianisma31 MartsaTobim-pifohazanaTantaran' i MadagasikaraBiôgrafiaFamorana2006AFahababoana tany BabilônaKazakstànaMpampitohy tenyFiteny kreôly haisianinaMpaminanyFiraisana ara-nofoBrexitFiteny araboAostraliaEpistily ho an' ny RômanaTobilehibePablo PicassoOnitiana RealyTorkiaSandam-bolaDokuWikiFanalana faditra1989AlakaosyBokin' i DanielaFransiskaninaAnatôliaSorona masinaDmitri MedvedevFanjanahantanyLuciano SpallettiTendryFanahy (kolontsaina malagasy)WikipediaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaHypertext Markup LanguageAratraFihavananaTsirinteny sara-droaAsorotanyFamonjenaHabakabakaKabary am-panambadianaAnthiyurKongonaTestamenta VaovaoTsinyMpampiankin-tenyAviavyMalakiaVoahiranaRajoelina AndryModesto, KaliforniaAmontana🡆 More