Pentekôsta

Ny Pentekôsta na Pentekôty dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly tamin' ny faha-50 andro aorian' ny nitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty.

Amin' ny Alahady fahafito aorian' ny Paska no anatanterahana azy. Io fety io no mamarana ny fetin' ny Paska.

Pentekôsta
Ny Pentekosta, sary nataon' i Pierre Reymond, taona 1522.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Pentekôsta na Pantekôty dia avy amin' ny teny grika hoe Πεντηκοστή / Pentēkostē, midika hoe "fahadimampolo", izay fanafohezana ny andian-teny hoe πεντηκοστὴ ἡμέρα / pentêkostề hêméra izay midika hoe "andro fahadimampolo". Io teny io dia manondro ny fety jiosy atao hoe Shavuot izay ankalazaina amin' ny andro fahadimampolo aorian' ny Paska. Antsoina hoe "Fetin' ireo Herinandro" sy "Fetin' ny 50 andro" koa io fety io amin' ny lovam-pampianaran' ny raby.

Mampiasa ny teny hoe Πεντηκοστή / Pentēkostē ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika atao hoe Fandikan-tenin' ny Fitopolo (na Septoajinta na Septante) hanondroana ny "Fetin' ny Pentekôsta" ka indroa no anaovany izany; ao amin' ny Bokin' i Tôbia sy ny Boky faharoan' ny Makabeo, izay samy anisan' ny boky deoterôkanônika ao amin' ny Baiboly katôlika fa apôkrifa kosa ho an' ny Prôtestanta sy ho an' ny jodaisma. Ny teny hoe Pentekôsta dia hita ao amin’ ny Septoajinta, izay anisan’ ny anarana ilazana ny Fetin’ ny Herinandro.

Nampiasa io teny io amin' ny hevitra roa hafa koa ny mpandika tenin' ny Septoajinta: mba hilazana ny taon-jobily (Levitikôsy 25:10) izay miseho isaky ny taona faha 50, ary ao amin' ny andalana maro momba ny fandaharam-potoana izay ampiasana azy ho hilazana filaharana. Nampiasaina koa io teny io tao amin' ny literatioran' ny jodaisma helenistika nataon' i Filôna avy any Aleksandria sy nataon' i Flavio Jôsefa.

Ny teny hoe Pentekôsta na Pentekôty dia avy amin' ny teny grika hoe πεντηκοστὴ ἡμέρα / pentêkostề hêméra izay midika hoe “andro fahadimampolo”. Izany dia mampahatsiahy ny nilatsahan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly sy ny hafa koa tamin' ny andro fahadimampolo taorian' ny nitsanganan' i Jesoa ho velona, araka ny voasoratra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly ao amin' ny Baiboly kristiana.

Ny fety jiosy mifanandrify amin' ny Pentekôsta

Ny fankalazana ny Pentekôsta dia avy amin' ny fety jiosy atao hoe Shavuot (hebreo: שבועות) izay midika hoe "herinandro (maro)", izany hoe fetin' ny herinandro, izay tandreman' ny Jiosy araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy sy ao amin' ny Bokin' ny Nomery ao amin' ny Baiboly hebreo na ny Testamenta Taloha (Eks. 23.16-17; 34.26; Nom. 28.26).

"16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin' ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin' ny fanangonana amin' ny faran' ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. 17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan' ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan' i Jehovah Tompo." (Eks. 23.16-17–Ny Baiboly)

"26 Ny santatra amin' ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon' i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak' osy amin' ny rononon-dreniny." (Eks. 34.26–Ny Baiboly)

"26 Ary amin' ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an' i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;"(Nom. 28.26–Ny Baiboly)

Datin' ny Pentekôsta

Ny Pentekôsta dia ankalazaina amin' ny Alahady fahafito (andro faha-49) aorian' ny Alahadin' ny Paska, ka miovaova sahala amin' ny datin' ny Paska ny daty anatanterahana azy. Tsy maintsy amin' ny Alahady anelanelan' ny 10 Mey sy 13 Jona ny datin' ny Pentekôsta. Mitohy amin' ny Alatsinainin' ny Pentekôsta izany amin' ny firenena sasany.

Taona Kristianisma tandrefana Kristianisma tatsinanana
2002 19 Mey 23 Jona
2003 8 Jona 15 Jona
2004 30 Mey
2005 15 Mey 19 Jona
2006 4 Jona 11 Jona
2007 27 Mey
2008 11 Mey 15 Jona
2009 31 Mey 7 Jona
2010 23 Mey
2011 12 Jona
2012 27 Mey 3 Jona
2013 19 Mey 23 Jona
2014 8 Jona
2015 24 Mey 31 Mey
2016 15 Mey 19 Jona
2017 4 Jona
2018 20 Mey 27 Mey
2019 9 giugno 16 Jona
2020 31 Mey 7 Jona
2021 23 Mey 20 Jona
2022 5 giugno 12 Jona
2023 28 Mey 4 Jona
2024 19 Mey 23 Jona
2025 8 Jona

Tantaran' ny Pentekôsta

Fety jiosy

Ao amin' ny tetiandro hebreo, ny Shavuot dia mizotra ao anatin’ ny “fito herinandro feno” na dimampolo andro hatramin’ ny ampitson’ ny Shabbat (Sabata) (Eks. 33.16), aorian’ ny fetin’ ny Paska jiosy (Pesakh). Izany no anaovana azy amin’ ny teny hebreo hoe שבועות / Shavuot izay adika hoe “Fetin’ny Herinandro (maro)” sy amin’ ny teny grika hoe πεντηκοστos / Pentekostos izay adika hoe “Fahadimampolo” teo amin’ ireo Jiosy manana kolontsaina grika. Araka ny voalaza ao amin’ ny Levitikôsy izany (Lev. 23.16).

Avy amin’ ny fetin’ ny fijinjana izay niova tsikelikely ho fankalazana ny Fanekem-pihavanana natao tao Sinay teo amin’ Andriamanitra sy i Mosesy sady fanorenana ny Lalàn' i Mosesy izany. Izany fiovan’ ny anton’ ny fety izany dia ny faharavan’ ny Tempolin' i Jerosalema tamin’ ny taona 70 satria ao amin’ ny Tempoly no tokony hanaterana ny fanatitra (ny vokatry ny fambolena).

Tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato voalohany dia nanjary iray amin’ ireo fetin’ ny fivahiniana masina isan-taona ny Shavuot, indrindra ho an’ ny Jiosy manana kolontsaina grika sy ho an’ ny sekta jiosy sasany. Tamin’ ny taonjato faha-2 vao nampiraisin’ ireo mpanaraka ny fampianaran’ ny Fariseo ny fetin’ ny fijinjana sy ny fahatsiarovana ny Lalàna nomena tao Sinay.

Araka ny Evanjely

Ny Asan’ ny Apôstôly dia mametraka mazava amin’ io fety jiosy io ny tantaran’ ny Apôstôly voalohany izay nahazo ny Fanahy Masina sy ny tsindrimandrin’ Andriamanitra tao amin’ ny efitrano ambony (ilay niarahan’ i Jesoa nisakafo farany tamin’ ireo mpianany) tao Jerosalema: nisy "lela mitarehin’ afo" teo ambonin’ ny Apôstôly tsirairay, izay manambara ny fahatongavan’ ny Fanahy Masina nahatonga azy ireo hiteny amin’ ny fiteny maro hafa ankoatry ny fiteny galileana.

"1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin' ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin' izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin' ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan' ny Fanahy Masina azy." (Asa 2.1-4 –Ny Baiboly)

Ireo lela mitarehin' afo, araka ny lovantsofina jiosy ny amin' ilay fanambaran-tenan’ Andriamanitra tao Sinay izay heverina fa mitovy amin’ izany zava-nitranga izany, dia maneho ny Feon’ Andriamanitra. Ny lovantsofina kristiana kosa dia mandika sady maneho ny Pentekôsta ho fandraisana ny fanomezam-pahasoavan’ ny fahaizana fiteny maro izay ahafahana mitondra ny hafatry ny famonjena ny olona rehetra any amin’ ny faran’ ny tany araka ny ambaran’ ny fiavian’ ireo vavolombelon’ ilay zava-nitranga, any am-pielezana jiosy (Asa 2.5-11). Nanarakaraka ny fiakaran’ i Jesoa any an-danitra izay tantaraina ao amin’ ireo Evanjelin’ i Joany sy ny an’ i Lioka sy ny an’ i Marka ary ny Asan’ ny Apôstôly ny fidinan' ny Fanahy Masina.

Araka ny voasoratra ao amin’ ny Asan’ ny Apôstôly, ireo izay nilatsahan’ ny Fanahy Masina no hampiely ny Vaovao Mahafaly: ny lahatenin’ ny apôstôly Petera dia nahatonga Jiosy miisa 3 000 mpivavaka hatao batisa (Asa 2.41).

Ny Evanjelin’ i Joany ihany no mitatitra fa nandritra ny sakafo farany niarahan’ i Jesoa tamin’ ny mpianany izay notanterahiny ny omalin’ ny andro namonoana azy, i Jesoa dia nilaza mialoha tamin’ ireo mpianany ny hiavian’ ny Parakleto (avy amin’ ny teny grika hoe: παράκλητος / Parakletos; latina: Paracletus izay midika hoe "Mpampionona" na "Mpananatra" na "Mpisolovava") (Joa. 14.15-31). Tsy miresaka ny amin’ izany ireo Evanjely sinôptika (Matio sy Marka ary Lioka).

Fety kristiana

Ny fankalazana ny fetin' ny 50 andro dia efa notanterahin' ny Kristiana tamin' ny taonjato faha-2 nefa tsy tamin' ny fiangonana rehetra. Tamin' ny taonjato faha-4 vao natao fety raikitra ny Pentekôsta ary tamin' ny fiafaran’ izany fe-potoana dimampolo andro izany no nanaovana azy. Ny tao Rôma sy Milano tamin' ny taona 380 dia fantatra fa nankalaza izany.

Taty aoriana, tamin' ny taonjato faha-20 dia niseho ny Pentekôtisma, izay firehana prôtestanta ara-pilazantsara manome lanja manokana ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina, sahala amin' izay niseho tamin' ireo Apôstôly sy ny mpino hafa koa izay niangona tamin' ny andron' ny Pentekôsta.

Hevitr' ilay fankalazana

Ho an' ny Kristiana mino ny Trinite, ny fetin' ny Pentekôsta dia fotoana manokana ankalazana ny Fanahy Masina, amin' ny maha persôna fahatelon' ny Trinite azy. Amin' izany, ny vavaka atao dia angatahana amin' Andriamanitra ny hanomezany ny Fanahy Masina. Ahatsiarovana koa ny nanombohana nitory ny Vaovao Mahafaly sy ny fiorenan' ny Fiangonana kristiana voalohany ny Pentekôsta.

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano

Tags:

Pentekôsta Fiforonan-tenyPentekôsta Ny fety jiosy mifanandrify amin ny Pentekôsta Datin ny Pentekôsta Tantaran ny Pentekôsta Hevitr ilay fankalazanaPentekôsta Jereo koaPentekôsta Rohy ivelanyPentekôsta LoharanoPentekôstaAlahadyApôstôly roa ambin' ny foloFanahy MasinaFitsanganan' i Jesoa ho velonaPaska

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Davida (mpanjaka)Bill RussellTsirintenyMaromiantoanaLambamenaMeySodànaFivoahan' ny Zanak' i Israely avy any EgiptaZôdiakaSiméon RajaonaTontolo AraboDr. DreMalagasy (vahoaka)Frederick BrooksKapreôloFokon' i IsraelyLeBron JamesToriteny teo an-tendrombohitraOmbySokajin-tenyFamakafakana ara-tantara aman-tsikeraZanak' AndriamanitraMadagasikaraKobe BryantAtlanta, GeorgiaBronchioliteBaibolyISO 3166-1Baiboly katôlika amin' ny teny malagasyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraVohitr' andrianaMellacVolana (fotoana)Karl MaloneAndriamandazoalaFisoronana sy fanalana vintanaTestamenta VaovaoÔseaniaAndriamandisoarivoFamadihanaFaritra eto MadagasikaraForyAbimelekaJari LitmanenAurangzebIsa haroSektaRy Tanindrazanay malala ôFinlandyAnjelySôdômaAmbongoAdriamandazoalaFanjakan' ImerinaApôstôly roa ambin' ny foloFivavahan-drazana malagasyChéronvilliersRaminiaEpistily katôlikaVanimpotoan' ny Tempoly FaharoaSalamo faha-18AudeloncourtTamotamoFlorent Bezara🡆 More