Ny Peshitta na Peshita dia dikan-teny tranain' ny Baiboly kristiana amin' ny teny siriaka.
Nadika avy tamin' ny teny hebreo ny Testamenta Taloha fa ny Testamenta Vaovao kosa dia mety avy tamin' ny teny grika.
Ny ananara hoe Peshitta dia avy amin' ny teny siriaka hoe ܡܦܩܬܐ ܦܫܝܛܬܐ / mappaqtâ pshîṭtâ, izay midika ara-bakiteny hoe "dikan-teny tsotra". Nefa azo adika hoe "iraisana" na "an' ny rehetra" na "mivantana" koa ny teny hoe Peshitta. Matetika anefa dia adika hoe "tsotra" io teny io. Ny teny mlitovy aminy amin' ny fiteny arabo dia ny hoe البسيطة / Al-Basîṭah, izay midika hoe "ilay tsotra".
Tsy tokony hampitovizina amin' ny dikan-teny siriakan' ny Heksapla nataon' i Ôrigenesy anefa ny Peshitta (izay natao tamin' ny taonjato faha-7). Tsy fantatra ny fotoana nanomezena anarana ilay Baiboly amin' ny teny siriaka hoe Peshitta, fa hita voalohany tao amin' ny asasoratr' i Mosesy Bara Kefa na Moizy Bar Sefasy, avy eo tao amin' ny asasoratr' i Bara-Hebreo na Bar-Hebrio (siriaka: Bar 'Ebroyo) tamin' ny taonjato faha-13.
Ny teny siriaka dia endriky ny fiteny arameana. Ny teny hoe Peshitta dia soratana avy amin' ny abidy siriaka ho amin' ny abidy latina amin' ny fomba samihafa toy izao: Peshitta, Pshitta, Pšittâ, Pshitto, Fshitto. Azo ekena izy rehetra ireo nefa ny hoe Peshitta no mahazatra indrindra.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Peshitta, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.