I Nôa na Nôe dia ilay lehilahy voalaza ao amin' ny Baiboly fa sisa tsy maty niaraka tamin' ny ankohonany, tamin' ny safodrano teto an-tany nataon' Andriamanitra handringanana ny olombelona izay nanota tamin' ny fomba mihoampampana.
Ny tantaran' i Nôa dia hita ao amin' ny Baiboly sy ny Kor'any nefa misy fahasamihafany ny fomba fitantaran' ny boky tsirairay.
Araka ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly dia nanamboatra sambofiara izay nitondra azy mianakavy sy ireo biby nasain' Andriamanitra nentiny i Nôa ka ireo no nitaranaka nameno ny tany indray taorian' ny safodrano. I Nôa no razamben' ny olombelona rehetra tamin' ny alalan' ireo vinantovaviny sy ireo zanany telolahy dia i Sema sy i Hama (na Kama) ary i Jafeta.
Indray andro dia mamon-divay i Nôa ka hitan' i Hama ny fitanjahany nefa tsy nanao afa-tsy ny nilaza izany tamin' ireo rahalahiny izy ka ireto no nampitafy an-drain' izy ireo. Rehefa nisava ny hamamoan' i Nôa dia nanozona izy ka nanambara fa ho andevon' i Sema sy i Jafeta i Kanaana zanak' i Hama.
Ao amin' ny finoana silamo dia atao amin' ny teny arabo hoe نوح / Nûh i Nôa sady isan' ny mpaminany nataon' Andriamanitra ho irany tety ambonin' ny tany tamin' ny alalan' ny fanambaràna (ar.: Risala "iraka", "mpitondra hafatra"). Ny toko faha-71 ao amin' ny Kor'any dia mitondra ny anarany sady itantarana ny toriteny izay nataony tamin' ireo mpiara-belona taminy mba hanaiky ny didin' Andriamanitra tokana. Nitory ny tenin' Andriamanitra ilay Tokana tamin' ireo mpanompo sampy izy (Kor'any 71.23). Ao amin' io sorata io dia voatanisa ny anaran' ireo andriamanitry ny mpanompo sampy nivavahan' ny vahoakany, dia i Oda (ar.: Wudd), i Soa (ar.: Souwa'â), i Iagota (ar.: Yaghuth), i Iaoka (ar.: Ya'â'uq) ary i Nasra (ar.: Nasr).
Ny firesahana momba an' i Nôa ao amin' ny Kor'any dia misy fahasamihafana amin' izay hita ao amin' ny Baiboly. Tsy voatonona anarana sady tsy fantatra isa ireo zanaka lahin' i Nôa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Nôa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.