Laharam-Pehintany

Ny laharam-pehintany na laharam-pehy dia fangitra ara-jeôgrafia manome ny fahavaratana na ny fahatsimoana eo amin' ny velaran' ny tany, fajiry na velarana mitelorefy.

Ny laharam-pehintany faha-0 dia ny fehibe ary ny laharam-pehintany faha-90 dia ny Tendrontany Avaratra (raha 90°N na +90° no voalaza anatin' ilay fangitra) na atsimo (raha 90°S na -90°). Miaraka ampiasaina amin' ny laharan-jara hasina ny laharam-pehintany hahafantarana tsaratsara kokoa ny misy ny toerana iray eo amin' ny Tany.

Laharam-Pehintany
Bola maneho ny laharam-pehintany (miloko mena) ary ny laharan-jarahasina

Tsy ny Tany ihany no ampiasana ny laharam-pehy na zana-pehy fa ny Volana sy ny planeta na fajiry ary ny bolan-danitra koa.

Ireo laharam-pehintany

Misy laharam-pehintany manana anarana manokana: ny laharam-pehintany faha 66°33′39″ izao dia faribolan-tendrontany. Any amin' ny faritra avaratra na atsimo kokoa noho io (arakaraky ny ilabolantany isiana) dia hitana manontolo andro (24 ora) ny Masoandro mandritra ny enim-bolana eo ho eo; izany hoe mazava foana ny andro; ary maizimaizina foana ny andro mandritry ny enim-bolana manaraka.

Misy koa ny laharam-pehintany izay mikasika ny fehibe rehefa tonga ny sôlistisy; ny laharam-pehintany mikasika ny fehibe ny 21 Jiona dia antsoina Trôpikan' ny Asorotany; ary ny laharam-pehintany mikasika ny fehibe ny 21 Desambra dia antsoina Trôpikan' ny Adijady.

Fanoratana

Ny litera grika phi (φ) no ampiasaina hanoratana ny zoro mamaritra ny laharam-pehintany.

Jereo koa

Tags:

Fangitra ara-jeografiaFehibeLaharan-jara hasinaTanyTendrontany AtsimoTendrontany Avaratra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Evanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloMayotteFiteny malagasyToetanin-jana-pehin-tanySomatraFiteny frantsayTeam Fortress 2Radama VoalohanyZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaApôkalipsy Gnôstikan' i PeteraPoaceaeAsorotanyFangitra ara-jeografiaSarety1974Kabary famangianaIzeharaGovernemantaApôkalipsy faharoan' i JakôbaIndôneziaDemôkrasia1910AljeriaZanamalataSimôna avy any KirenaTrimôrfika PrôtenôiaAl-ShahrastaniKilamba-KiaxiWMisterin' ny PaskaHypertext Markup LanguageCurrent eventsFanahy Masina (kristianisma)MulbagalFamoronana (finoana sy fedrà)TanyLoksemborgaHasina (hery tsy hita maso)Mpisolo manontanyJoroFanahy(101120) 1998 RO53HerinaratraFamelabelarana faharoa ny amin' ny Seta LehibeRégis Rajemisa Raolison1885SoedaFiteny antefasyFokom-pirenen' i IsraelyEkoadôraFiteny indônezianaFaritra BoenyJodasyGazetyIndiaLalan-jazaMounir Aziz DaoudMalakiaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaHeresiôlôjiaKroazadaAugustin rajonFiteny finoà11 Novambra1993Qaemiyeh🡆 More