Voambolan' Ny Jeôgrafia

Ity voambolan' ny jeôgrafia ity dia lisitr' ireo famaritana ny teny sy hevitra ampiasaina amin' ny jeôgrafia sy ireo sehatra mifandraika amin' izany, izay mamaritra sy mametra ny refy ara-jeôgrafia, ny toerana ara-jeôgrafia, ny endri-javatra tôpôgrafika, ny loharanon-karena voajanahary, ary ny fanangonana sy ny famakafakana ary ny fijerena ny angona ara-jeôgrafia.

A

  • Adijady: anisan' ny fehintany dimy aseho amin' ny saritany. Ny laharam-pehitaniny dia 23° 26′ 22″ S amin' ny ila-bolantany atsimo izay manakaiky indrindra ny fehiben-tany izany
  • Afotroa: fahavakisan' ny sosona ambony amin' ny planeta iray, toy ny Tany, izay mamela vainga sy ranoka mafana, lavenona ary etona hivoaka avy amin' ny toerana misy azy any ambany.
  • Aka: fisintonan' ny ranomasina ka mahatonga azy ho marivo kokoa.
  • Akora tampom-pana: sosona madity sy mangotraka ao anatin' ny bolantany, izay mivaingana ho vato rehefa mivoaka ety ivelany, ny magma izany.
  • Ala: toerana be hazo maniry.
  • Ala mikitroka: ala matevina ahitana karazan-kazo maro.
  • Alizay: tso-rivotra tsy tapaka avy any amin' ny faritra anelanelan’ ny zana-pehintany (eo anelanelan' ny 23°27 avaratra sy 23°27 atsimo), mitsoka tsy tapaka avy any atsinanana mankany andrefana avy amin' ny tsindry (avo) ambanin-jana-pehintany ka mankany amin' ny tsindry (iva) am-pehintany.
  • Alo:
  • Ambanivohitra: faritra ivelan' ny tanàn-dehibe.
  • Ambanivolo: ambanivohitra.
  • Ambonivohitra:
  • Anadrea: Ny mankany amin' ny loharano avy eo amin' ny toerana iray.
  • Anàva: Any amin' ny alehan' ny rano.
  • Andilana:
  • Andilan-dranomasina: sampan-dranomasina lavalava somary teritery eo anelanelan' ny morontsiraka roa izay manamorona azy, ka mampifandray ranomasina roa. Ny andilan-tany no mifanohitra aminy.
  • Andilan-tany: tany lavalava teritery eo anelanelan' ny ranomasina na helodrano na hoala roa, izay mampifandray tany roa bebe velarana kokoa. Mifanohitra amin' ny andilan-tany ny andilan-dranomasina. Ohatra amin' izany ny Andilan-tanin' i Panamà.
  • Angon-dilatra:
  • Anira: Ny mankany amin' ny loharano avy eo amin' ny toerana iray.
  • Ankadilanana: toerana iva sady tery, anelanelan' ny havoana na tendrombohitra roa, mampitohy azy roa ireo.
  • Ankoriandranovelona: fitambaran' ny rano mandeha (renirano, ony, ...) na tsy mandeha (farihy, kamory, ...) eo amin' ny faritra iray.
  • Antsanga: fitambaran' ny fotaka, fasika, tany ditra, poti-bato, vato kely ary fako entin' ny rano (ony, renirano, sns) ka apetrany amin' ny toerana iray. Amin' ny ankapobeny ny antsanga dia hita amin' ny toerana mampihena tampoka ny hafainganam-pandehan' ny korian-drano, ka mahatonga io rano io tsy hahazaka intsony ny zavatra nentiny hanaraka azy.
  • Ararano:
  • Asara:
  • Asorotany: iray amin' ireo faribolana dimy mirazotra manan-danja indrindra eo amin' ny sarin' ny bolantany: ilay faribolana eo amin' ny 23° 26' 12.555" ao amin' ny ila-bolantany avaratra izay manakaiky indrindra ny fehiben-tany izany. Eo amin' io zana-pehintany Asorotany io no ahitana amin' ny faritra avaratra indrindra amin' ny ila-bolantany avaratra ny masoandro eo an-tampon-doha, amin' ny fotoana mahalava indrindra ny andro mitaha amin' ny alina.
  • Asotry: fizaràn-taona amin' ny faritra maro eto Madagasikara, izay sady maina no mangatsiaka, mahafaoka ny fararano sy ny ririnina amin' ny Antemoro, fa ny ririnina ihany amin' ny Antesaka sy ny Bara.
  • Ava: toerana idinan' ny rano mikoriana avy any ambony (irà na erà).
  • Avaratazy:
  • Azimota:

B

  • Baibo na baiboho: tany lemaka fasehina sy lonaka amoron-drano, izay matetika voasaron' ny rano amin' ny fahavaratra.
  • Bangoa:
  • Bolandranoka: fitambaran' ny rano eto ambonin' ny tany.
  • Bolantany: ny Tany amin' ny maha planeta azy sy amin' ny fiheverana ny endriny toa bola.
  • Bongom-pasika na dongom-pasika: vangongom-pasika miendrika havoana.

D

  • Deboka: faritra amin' ny vohon' ny tany izay ambany kokoa raha mitaha amin' ny faritra manodidina sy manakatona azy izay misolampy midina mankany aminy. Mety misy farihy na mando lava ny deboka raha misy lafika tsy tantera-drano loatra. Ny Ranomasina Maty, izay any amin' ny 400 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina no deboka iva indrindra eto an-tany.
  • Dengin-driaka: hantsana lalina anaty ranomasina.
  • Dilatra: nofon-tany nentin' ny renirano na ny riaka ka mandry sy manarona ary mahalonaka ny tany.
  • Dongom-pasika na bongom-pasika: vangongom-pasika miendrika havoana.

E

  • Ekinôksa: fotoana mampitovy ny faharetan' ny andro sy ny alina manetarn-tany.
  • Ekliptika: lalana arahin' ny Tany raha mihodidina amin' ny Masoandro izy.
  • Ekoatera na fehibe: tsipika tsy hita maso nefa heverina ho manodidina ny bolantany eo afovoany ka manasaka azy tsara ho ila-bolantany atsimo sy avaratra, mitovy elanelana amin' ny tendron-tany atsimo sy avaratra.

F

  • Fahavaratra: fizaràn-taona mifanandrify amin' ny vanim-potoana filatsahan' ny orana sy famokarana vokatra sy fambolena. Fizaràn-taona faharoa izy amin' ireo faritra misy fizaran-taona efatra, ka ny lohataona no eo alohany fa ny fararano no mandimby azy. Lava kokoa noho ny alina ny andro. Mafanafana sady be orana kokoa ny fahavaratra raha mitaha amin' ny fizaran-taona hafa.
  • Famohijery: fitaovana andinihana ny sarintany eny amin' ny fiaramanidina ka ahitana ny zavatra jerena amin' ny endrika mivohitra.
  • Fampana na hadin-driaka: tevana vokatry ny riaka sy ny fikoan-tany eny amin' ny tehezan-tendrombohitra.
  • Fangi-bolantany:
  • Fararano: fizaràn-taona manaraka ny fahavaratra. Efa manomboka mihena ny orana amin' io. Amin' ny faritra misy fizaràn-taona efatra dia izy no fahatelo, manarakaraka ny fahavaratra sady dimbiasan' ny ririnina. Mihamena na manomboka mihintsana na mihamaina ny ravin-kazo na ny ahitra sasany. Mihafohy ny andro ary mihalava ny alina. Mihamihena ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin' ny masoandro.
  • Faravodilanitra: faritry ny lanitra taza-maso, izay toa mikasika amin' ny Tany.
  • Faribohitra na vakin-tanàna: fizaràn' ny tanàna izay farany kely indrindra ara-pitantanana.
  • Faribolan-tendrontany: fehin-tany (faribolana) any amin' ny faritra manodidina sy mahafaoka ny tendron-tany izay mampisy ny fotoana tsy mampiposaka ny masoandro amin' ny ririnina sy tsy mampilentika ny masoandro amin' ny fahavaratra. Misy roa ny faribolan-tendron-tany, dia ny any amin' ny faritry ny tendron-tany avaratra (faribolan-tendron-tany Arktika) sy ny any amin' ny faritry ny tendron-tany atsimo (faribolan-tendron-tany Antarktika). Ny elanelany ara-joro amin' ny tendron-tany dia 23° 26' 10,3'' (tamin' ny volana Janoary 2020).
  • Farihy: velaran-drano be na tsia, misy eny anivon' ny kôntinenta, na anivon' ny nosy, ary matetika avy amina velaran-dranomandry na avy amin' ny renirano na ony na avy amin' ny fiakaran' ny rano ambanin' ny tany.
  • Faritany: fitambaran' ny tanàna na toerana maromaro ao anatin' ny firenena iray, voatsinjara araka ny toetra ifandraisan' izy ireo, toy ny toetrandro, ny vokatry ny fambolena, ny fomban-drazana ary ny fiteny.
  • Fatrana: vondron-javamaniry iva, miendrika bozaka sy kirihitra madinika, maniry amin' ny toerana tery na midadasika, izay mety makitroka na miparitadritaka, tsy ahitana hazo maniry firy, amin' ny toetany antonony hatramin' ny toetanin-jana-pehin-tany anjakan' ny haintany, mitangorona na mifanelanelana.
  • Fehibe: fehintany iray, 10 002 km miala amin' ny tendrontany avaratra na atsimo, manasaraka ny ila-bolantany avaratra sy ny ila-bolantany atsimo, mitondra ny laharam-pehintany zerô.
  • Fehintany: faribolana mirazotra tsy hita maso amin' ny fehiben-tany na amin' ny fehiben' ny planeta na zavatra miendrika bola hafa eny an-danitra, ka ny teza ihodinan' ny Tany na ny planeta hafa no mamaky ny ivony.
  • Fehivorintany: fizarazaran' ny bolantany ho faritra dimy lehibe misongadina ara-toetany.
  • Fehivorintany ivo: faritra eo anelanelan' ny fehivorintany mangatsiaka sy fehivorintany mafana.
  • Fehivorintany mafana: faritra eo anelanelan' ny zana-pehintany Adijady sy ny Asorotany.
  • Fehivorintany mangatsiaka: faritra eo anelanelan' ny tendron-tany avaratra sy ny Faribolana Arktika, na eo anelanelan' ny tendrontany atsimo sy ny Faribolana Antarktika.
  • Fihilana: firehana na fitongilanana fa tsy mahitsy fijoro.
  • Fileferana:

H

I

  • Ila bolantany: antsasaky ny bolantany araka ny fehibe.
  • Irà na erà: toerana avo iavian' ny rano amin' ny renirano (mifanohitra amin' ny ava).

J

  • Jeôgrafia: siansa miompana amin' ny fandinihana momba ny Tany ary indrindraindrindra momba ireo zava-mitranga ara-pizika, ara-biôlôjia ary momba ny olombelona izay miseho eo amin' ny bolan-tany.
  • Jotsotsindry: fihenan' ny tsindrin' ny soson-drivotra ka mety hampiova ny toetrandro.

K

  • Kamorin-driaka:
  • Kamory: rano mihandrona (dobo) voajanahary toy ny farihy nefa kely kokoa sy marivo kokoa.
  • Kaoka na fikaohan-tany: fikikisana miandalana ny nofon-tany ataon' ny rivotra sy ny rano, ny hafanana sy ny hatsiaka.
  • Karaña:
  • Kibolam-ponja:
  • Klimaksa: faritra ahitana zavamaniry miankina betsaka amin' ny vohon-tany sy ny toetany.
  • Kôntinanta na kôntinenta: tany midadasika mitohy hodidinin-dranomasina manontolo na amin' ny ampahany izay lehibe lavitra noho ny nosy sady onenan' ny vahoaka amin' ny firenana maro eto ambonin' ny Tany.
  • Korian-dranomasina: ranomasina miova toerana noho ny hafanany na ny hatsiakany.

L

  • Laharam-pehintany: fangitra ara-jeôgrafia manome ny avaratra na ny atsimo eo amin' ny velaran' ny tany. Ny laharam-pehintany faha-0 dia ny fehibe ary ny laharam-pehintany faha-90 dia ny Tendrontany Avaratra (raha 90°Avaratra na +90° no voalaza anatin' ilay fangitra) na atsimo (raha 90° Atsimo na -90°).
  • Laharan-jarahasina: faribolana tsy hita maso, manodidina ny Tany sady mandalo ny tendron-tany atsimo sy avaratra.
  • Lalana antenatenany: tapany antenatenany amin' ny halavan' ny renirano.
  • Lalana iavà: tapany ambany amin' ny halavan' ny renirano.
  • Lalana irà: tapany ambony amin' ny halavan' ny renirano.
  • Lavaka:
  • Lavam-pehintany:
  • Lemademaka:
  • Lemaka: tany marin-toerana hatrany, zara raha misy lohasaha, ankandemponana.
  • Lemaky ny ekliptika:
  • Lemaky ny fay:
  • Lembalemba: endiky ny vohon' ny tany izay manana haambo avo kokoa raha mitaha amin' ny faritra manodidinba azy (lemaka) sady midadasika nefa tsy dia mikintoana loatra (tsy tahaka ny tendrombohitra).
  • Lohalo: Lohasaha eny antehezan-tendrombohitra.
  • Lohataona: fizaràn-taona voalohany amin' ny taona. Amin' ny faritra misy fizaràn-taona efatra dia mandimby ny ririnina izy sady dimbiasan' ny fahavaratra. Amin' ny lohataona no manomboka mitsiry ravina ny zavamaniry nihintsan-dravina nandritra ny ririnina. Mitombo ny halavan' ny andro ary mihena ny an' ny alina. Betsaka ny hazavana sady mihamafana ny andro nefa tsy mbola misy na betsaka ny orana.

M

  • Magma: akora voajanahary mitsiranoka niforonan' ny vato rehetra, hita ao ambanin' ny tany na ao amin' ny planeta terestrialy hafa sy satelita voajanahary sasany.
  • Main-tany: ilazana ny fizaran-taona tsy misy orana.
  • Mason' ony: ny lalan' ny ony.
  • Mason-drano: lalan' ny renirano.
  • Matsabory:
  • Mirahilana:
  • Morontsiraka: tany mifanila amin' ny faritry ny ranomasina na faritry ny ranomasimbe. Ny famerana ny sakan' ny morontsiraka iray mankany anaty tany dia miankina amin' ny lalàm-panjakana mifehy azy na miankina amin' ny fahefana ara-tsiansa, noho ny antony ara-pôlitika na ara-piarahamonina na ara-toekarena.

N

  • Nofon-tanim-bolokano:
  • Nofon-tany: fifangaroan' ny zavatra ôrganika (avy amin' ny zavamananaina), mineraly, etona, ranon-javatra ary zavamananaina miara-mihazona ny aina eto amin' ny tany, izay manana anjara asa efatra: fitaovana ahafahan' ny zavamaniry mitombo, fitaovana fitehirizan-drano, famatsiana ary fanadiovana, ny fanovana ny atmôsfera eto an-tany, ary toeram-ponenan' ny zavamananaina.
  • Nosy: tany kely na antonontonony hodidinin-drano tanteraka, mety ho ranomasina na farihy na rano mandeha io rano manodidina azy io ary mety maharitra ny fisian' ilay rano manodidina na tsia.

O

P

  • Plaky ekoatôrialy:

R

  • Ranta:
  • Refim-pitosahana:
  • Renirano: lakandrano voajanahary nohadian' ny ranomamy, mipoitra avy amin' ny loharano ary manary ny ranony ao amin' ny vavarano na amin' ny hefaka any amin' ny ranomasina na farihy na ony.
  • Renivohitra: tanàna manan-danja indrindra, ara-pôlitika na ara-kolontsaina na ara-toekarena na ara-tsôsialy, eo amin' ny firenena, ny fanjakana, ny faritany, ny faritra, kaominina, sns.
  • Riakasia: velaran-drano tsy lalina, saika mifandray amin' ny ranomasina raha tsy nisy andilan-tany na fasika manelanelana azy roa.
  • Riambe: rano mianjera avy amin'ny toerana avo, ngeza kokoa noho ny riana mahazatra.
  • Riana: rano mianjera avy amin' ny toerana avo, izay matetika avy amin' ny fidinana tampoky ny lalan' ny renirano, ka noho ny rano mianjera mafy, dia matetika mandroatra be ary maneno mafy.
  • Ririnina: fizaràn-taona manaraka ny fararano, izay vanim-potoana mangatsiaka, maha fohy ny andro sy maha lava ny alina, maha rako-drahona matetika ny lanitra ka tsy maha ampy ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin' ny masoandro.
  • Rivodoza: rivo-mahery miforona eny amin' ny habakabaka sy ny ranomasina toy ny tadio, mitambatra ary rehefa izany dia miakatra an-tanety ary mihahery, ka mitondra rivotra mahatratra hatramin' ny 200 km/ora na mihoatra ary manimba zavatra betsaka.
  • Roranga: velaran-tany misy vilona (hivoka) sy hazo madinika mahalana firaofan' ny biby.

S

  • Saha:
  • Saikinosy: tany saika hodidinin-dranomasina nefa misy tapany mampitambatra azy amin' ny tany lehibe, ka tsy mitovy amin' ny nosy izay voahodidina rano avokoa ny sisiny. Tsy mitovy habe ny saikanosy satria ao ireo ngeza ary ao ireo kelikely. Ny saikanosy madinika dia mitovitovy amin' ny nosy madinika.
  • Sakelidrano: korian-drano madinika kokoa (renirano, ...) mivarina any amin' ny renirano na any amin' ny ony.
  • Sarintany:
  • Sarintany fizika:
  • Sarintany fototra:
  • Sarintany mampiseho soradrefintany:
  • Sarontendro: faritra boribory eo amin' ny tendro farany avaratra na atsimo amin' ny bolantany.
  • Satalonaka:
  • Savoka: faritra anirian-javamaniry anjakan' ny karazana iray, izay miseho aorian' ny faharinganan' ny ala voalohany, matetika aorian' ny fambolena vary an-tanety.
  • Soridrano:
  • Soritra mirafana:
  • Soritra mirahale:
  • Soson-drivotra: sosona eo ambonin' ny vohon' ny fajiry (na planeta) iray, izay mety ho soson' etona (toy ny soson-drivotry ny tany sy ny soson-drivotry sy ankamaroan' ireo fajiry fantatra) na rio (na plasma).

T

  • Tanàna:
  • Tandavan-tendrombohitra: endriky ny vohon' ny tany izay itambaran' ny tendrombohitra maro mifampitohy mitomandavana.
  • Tanety:
  • Tangorom-bohitra: fitambarana tendrombohitra mitangorona mitohy izay manaraka tsipiky ny tampona, ka mifanohitra amin' ny tandavan-tendrombohitra. Mety hikambana amin' ny tandavan-tendrombohitra iray ny tangoron-tendrombohitra, toa an' i Alpa izay mamondrona tangorom-bohitra manodidina ny zato (ny tangorom-bohitr' i Mont Blanc sy ny hafa).
  • Tany (soratana manomboka amin' ny sorabaventy T amin' ny ankapobeny): ity planeta onenan' ny olombelona ity, izay fahatelo raha ny elanelany amin' ny Masoandro no heverina, ary izy irery ankehitriny no fantatra fa onenan-java-miaina eo amboniny.
  • Tany lemaka: velaran-tany midadasika tsy ahitana fikitoantoanan' ny vohon-tany na dia mety misy somary milempona kely sy mivohitra kely amin' ny faritra sasany, sady saika marindrano, tsy dia avo raha ampitahaina amin' ny ranomasina (tsy mitovy amin' ny lembalemba izay hita amin' ny faritra avo kokoa).
  • Tektônika: fiovaovan' ny endriky ny vohon-tany vokatry ny hetsiky ny nofontany.
  • Tendrombohitra: endriky ny vohon' ny tany izay mivohitra avo, lehibe noho ny havoana.
  • Tendron-tany: teboka roa, atsimo indrindra sy avaratra indrindra amin' ny bolantany, tendron' ilay teza tsy hita maso mipaka amin' ny velaran' ny Tany, izay ihodinany. Samy manana ny tendrony koa ny ny planeta, ny volana sy ny satelita hafa, ny masoandro sy ny kintana.
  • Tevana:
  • Toetany: fitambaran' ny zava-mitranga momba ny toetrandro mampiavaka ny toerana na ny faritra iray, izay nosalaina mandritra ny ampolo taonany maro (mahatratra 30 taona), ka isan' izany ny sala-maripana farany ambany sy farany ambony, ny salan-kafanana ambony sy ambany, ny salan-drotsakorana farany ambony sy farany ambany, ny fizoran' ny rivotra sy ny hafainganam-pitsokany ankapobeny, ny salam-paharetan' ny fanazavan' ny masoandro.
  • Toetrandro: fitambaran' ny zava-miseho ao amin' ny sosona ambany ao amin' ny habakabaka manodidina ny tany na ny planeta hafa amin' ny fotoana voatondro sy amin' ny toerana voafaritra iray. Miditra ao amin' ny sehatry ny toetrandro ny zava-miseho manana fiantraikany tsapan' ny olona na ny zavamananaina hafa, toy ny rahona, ny taratry ny masoandro, ny hafanana, ny rivotra, ny orana ary ny fahazavana.
  • Tohi-drivodoza: faritra na foibe ahitana tsindrin' ny soson-drivotra ambony mihoatra ny salan-tsindry mara-penitra.
  • Tondra-drano: fahabetsahan' ny rano izay maafotra ny tany vokatry ny fahabetsahana tafahoatry ny fitosaky ny renirano na rehefa maharitra sy be loatra loatra ny firotsaky orana.
  • Torapasika: toerana malalaka mitomandavana voarakotra fasika hatrany eny amoron-drano
  • Tsipi-mirafana: biloka eo amin' ny saritany izay manambara fa mitovy ny mari-pana eo amin' ny faritra lalovany mandritra ny vanim-potoana iray.
  • Tsipi-mirahale: biloka eo amin' ny saritany izay manambara fa mitovy ny fatran' ny rotsak' orana eo amin' ny faritra lalovany mandritra ny vanim-potoana iray.

V

  • Varatraza: rivotra mangatsiaka avy atsimo, atsinanana mitsoka amin' ny volana Jona sy Jolay any amin' ny tapany avaratra sy avaratra andrefana.
  • Vavarano: toerana fiafaran' ny ony ka ivarianany any an-dranomasina.
  • Vinanihefaka: Hefaka
  • Vinanindrano:
  • Vohitra: Ny teny malagasy hoe vohitra dia mety midika hoe "tanàna" na ihany koa hoe "toerana avo" (havoana, tendrombohitra).
  • Vovo: fantsakana nohadina fa tsy voajanahary.
  • Vovo ranogeja: rano ao anelanelan' ny tongoa roa ka ny tongoa ambany amin' izany tsy tantera-drano.
  • Vozontany: elanelana tangoron-tendrombohitra na lempona mampitohy faritra roa samy hafa.

Z

  • Zana-pehintany: faribolana mirazotra roa tsy hita maso, manakaiky ny fehiben-tany (na ekoatera), izay manodidina ny Tany, sady mamaritra ny toerana ahitana eo an-tampon-doha ny masoandro amin' ny fotoana mampaharitra indrindra ny andro sady mahafohy indrindra ny alina, faribolana izay eo amin' ny 23° 26 13″ avaratra sy atsimon' ny fehiben-tany ka ny avaratra atao hoe Zana-pehintany Asorotany na Trôpikan' ny Asorotany fa ny atsimo kosa atao hoe Zana-pehintany Adijady na Trôpikan'ny Adijady.
  • Zarilemaka:
  • Zetra:

Tags:

Voambolan' Ny JeôgrafiaJeôgrafia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ISO 3166-1SilamoNtaoloLibiaTailandyAntsirananaAndrianampoinimerinaAlakaosyBokin' i RotaAmbohimahasoaTetiandro malagasyKristianisma eto MadagasikaraHasinaFanahyFisoronana sy fanalana vintanaKôrea AtsimoApôkrifan' ny Testamenta VaovaoOhabolanaTom Kilburn13 desambra 1991FrantsaGrenadyVitaly LagutenkoRavinalaAmalonaKameronaFehezantenyOurenseIndiaFiraisana ara-nofoKolontsainaGeorges AndriamanantenaFady (malagasy)Ratsiraka DidierSakramentan' ny fanambadianaTiffany MynxImanoelaÔlimpôsy (Torkia)AntemoroFiteny tamilyRosiaRioEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloForyBokin' i IsaiaFanavaozana prôtestantaJosip SkoblarBetsimisarakaTsy feteza-matyFanandroanaApôkalipsy voalohan' i JakôbaWayback MachineAkohoFitiavanaAntalaotra1912Filazantsara araka an' i JoanyFivavahan-drazana malagasyAngatra (aretina)Epistily voalohany ho an' ny KôrintianaBède le VénérableToetanin-jana-pehin-tanyAfrikaFanambaràna ny hevitry ny nofyAndriantompokoindrindra (foko)Prôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraAndriamandisoarivoAlakaraboVaryBiôgrafiaWellington Point🡆 More