Ny anjely dia zava-manan' aina any an-danitra, fanahy, izay irahin' Andriamanitra ho mpampita ny hafatra sy ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny olona (anjely tsara), na koa manatanteraka ny sitrapony tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra (anjely ratsy).
Ny voalaza momba ny anjely ao amin’ ny Testamenta Taloha dia noraisin' ny Kristiana ka nampifamenoiny amin' izay voasoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ao koa ireo lovantsofina kristiana ivelan' ny Baiboly mikasika ny anjely.
Ny teny hoe anjely dia fanagasiana ny teny anglisy hoe angel, izay avy amin' ny teny latina hoe agelus, izay avy amin' ny teny grika hoe ἄγγελος / ággelos (vakina hoe ángelos), izay midika hoe "iraka" na "iraka mitondra hafatra". Iray tarika amin' ny teny hoe εὐαγγέλιον / euangélion izay midika hoe "vaovao mahafaly" na "hafatra mahafaly" na "filazan-tsara" sady nohagasina hoe evanjely hanondroana ireo boky efatra voalohany ao amin' ny Testamenta Vaovao ny teny hoe anjely.
Hita ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (na Bokin' ny Jenezy) (hebreo: Sefer Bereshit), ny Bokin' i Jôba (hebreo: Sefer Iyyov), ny Bokin' i Jôsoa (hebreo: Sefer Yehoshua), ny Bokin' ny Mpanjaka (hebreo: Sefer Melakhim), ny Bokin' i Daniela (na Bokin' i Daniely) (hebreo: Sefer Daniel) sy ny Bokin' ny Mpitsara (hebreo: Sefer Shoftim), ny Boky voalohan' ny Tantara (hebreo: Sefer Divrei haYamim) sy ny boky hafa koa ao amin' ny Testamenta Taloha ny momba ny anjely. Ny Testamenta Taloha dia miantso ny anjely hoe:
Telo ny anjely fantatra anarana ao amin' ny Tanakh, dia i Gabriela na Gabriely (Dan. 8.16-26) sy i Mikaela na Misely (Dan.12.1). Ny Bokin' i Tobia (boky deoterôkanonika katôlika na apôkrifa prôtestanta sy jiosy) dia miresaka momba ny anjely Rafaely (na Rafaela) niaraka tamin' i Tôbia (Tôbia. 12.15).
Nisy anjely niteny tamin' i Hagara, vady sy mpanompon' i Abrahama nandositra ny tompovaviny Saraha, anjely izay nanambara tamin' i Abrahama ny hahaterahan’ i Ismaela sady nampanantena azy taranaka maro (Gen. 16.7-11).
Nisy koa anjelin' i Iahveh (na anjelin' i Jehovah na anjelin' ny Tompo) niseho tamin' i Abrahama tao Mamre (na Mambre) nanambara taminy ny hahaterahan' i Isaka sy ny handravana an' i Sôdôma (Gen. 18-19).
Tamin' ny saika hanaovan' i Abrahama sorona an' i Isaka zanany dia nisy anjelin' i Jehovah (na anjelin' i Iahveh) nisakana izany ka nanome azy ondry ho solony (Gen. 22.11-15). Nisy anjely niseho tamin' i Jakoba tamin' ny alalan’ ny nofy raha natory izy (Gen. 28.11-19).
Nitolona tamin' anjely i Jakoba sady nisehoan' Andriamanitra, ka nahazoany ny anarana hoe Israely, izay midika hoe "mpitolona amin' Andriamanitra". (Gen. 32.28). Nanambara mialoha ny hahaterahan' i Samsôna tamin-drainy ny anjely iray (Mpits. 13).
Mahery ny anjely, ka anjely iray fotsiny dia nandripaka ny olo-mahery tao amin' ny tafik' i Asiria izay hiady amin' i Hezekia (Ezekiasa) mpanjaka (2 Tant. 32.21). Nisy anjely nanidy ny vavan' ny liona tao amin' ny lavaka nisy an' i Daniela (Dan.6.22).
Miresaka ny amin' ny anjely ny Evanjelin' i Matio, ny Evanjelin' i Lioka, ny Asan' ny Apôstôly, ny Apokalipsin'i Joany ary ireo Epistily (na Epistola) ao amin'ny Testamenta Vaovao.
Nisehoan’ ny anjely Gabriela i Zakaria talohan' ny hahaterahan' i Joany Batista (na Jaona mpanao batisa) zanany (Lio. 1.7). Nanambara ny hahaterahan' i Jesoa koa ny anjely Gabriela (Lio. 1.21; 2.9). Nisy anjely marobe niseho tamin' ny mpiandry ondry tany an-tsaha nilaza ny fahaterahan' i Jesoa (Lio. 2.9). Nampandositra an' i Jôsefa sy i Maria ho any Egipta mba tsy hamonoan' i Herôda mpanjaka an' i Jesoa zazakely ny anjely iray ary nampiverina azy ireo indray hody any Nazareta rehefa maty ny mpanjaka (Mat. 1-2).
Nisy anjely nanakodia ilay vato nandrindrina ny fasan' i Jesoa. (Mat. 28.2). Nisy anjely koa hitan’ ireo mpamangy fasana tao amin’ ny fasana nilevenan’ i Jesoa tamin’ ny nitsanganany ho velona (Mat. 28.3).
Novohan’ ny anjely ny tranomaizina nisy ireo Apôstôly (Asa 5.19). Nisy anjelin' ny Tompo niteny tamin' i Filipo ho any Gaza mba hitoriteny amin' ny tandapa Etiôpiana iray (Asa 8.26). Nafahan' ny anjelin' ny Tompo avy tao amin' ny tranomaizina i Petera (Asa 12.7). Nisy anjelin' Andriamanitra namely an' i Herôda izay nolazain' ny olona ho manana ny feon' Andriamanitra raha nikabary (Asa 12.23).
Niresaka ny amin' ny anjely izay hiaraka aminy miverina avy any an-danitra i Jesoa (Mat. 25.31). Niresaka ny amin' ny anjely mifaly noho ny fahitany mpanota mibebaka izy (Lio. 15.10). Niresaka momba ny anjely mpiambina ny madinika (ny ankizy sns) koa izy (Mat. 18.10).
Zavamananaina ara-panahy na fanahy ny anjely (Heb. 1.13-14). Tsy manambady sady tsy mety maty ny anjely (Mat. 22.30; Mar. 12.25; Lio. 20.34-36). Mahery ny anjely hiaraka amin' i Jesoa avy any an-danitra (2Th.1.7). Mahery noho ny olona ny anjely (2Pet. 2.11). Manasitrana koa ny anjely tao amin' ny farihy Siloama (Jao. 5.4).
I Mikaela dia voalaza fa nifanditra ny amin’ ny fatin' i Mosesy tamin' ny Devoly (Joda 9). Hiady amin' ny dragona any an-danitra i Mikaela sy ny anjely maro miaraka aminy (Apôk. 12.7).
Nilaza tamin' i Zakaria ny hahaterahan' i Joany mpanao batisa ny anjely Gabriela (Lio 1.19). Nankany amin' i Maria i Gabriela hanambara ny hahaterahan' i Jesoa (Lio. 1.26).
Ny boky apôkrifa no tena miresaka be momba ny anjely.
Ny boky apôkrifa toy ny Bokin' i Henôka sy ny Bokin' ny Jobily dia miresaka ny amin' ny anjely.
Ao amin' ny Bokin' i Henôka (1Hen. 89.59; 90.14) dia voalaza fa nandefa mpiandry ondry na anjely miisa 70 Andriamanitra mba hiandry an' i Israely taorian' ny fahababoana, ka ny arkanjely Mikaela (na Misely) no ho lohan' i Israely. Voasoratra koa fa samy manana ny anjely mpiaro azy ny zava-drehetra eto an-tany hatramin’ ny fizaràn-taona aza.
Mitondra ny vavaky ny olona eo amin' Andriamanitra ny anjely (1Hen. 90.3), mitari-dalana ny olombelona koa izy ireo (1Hen. 60.11).
Voalaza ao amin’ ny Bokin’ ny Jobily (Jobily 2.2) fa noforonina tamin' ny andro voalohan' ny Famoronana ny anjely sy ny andraikiny. Ny isam-batan' olona dia samy manana ny anjely mpiaro azy. Misy ambaratongam-boninahitra sahala amin’ ny an' ny miaramila ny anjely ka manana anarana izay manambara ny andraikitra nankinin' Andriamanitra aminy avy ny ambaratonga tsirairay.
Misy ny anjely tsara, dia ireo anjely lehibe na arkanjely sy ireo anjely tsotra izay tsy fantatra anarana ny ankamaroany, ary misy koa ny anjely ratsy izay atao hoe demony.
Ny anjely mpitarika ny anjely (arkanjely) dia indraindray miisa efatra (i Mikaela, i Rafaela, i Gabriela ary i Oriela na Fanoela), indraindray fito (i Mikaela, i Rafaela, i Gabriela, i Oriela, i Ragoela, i Sarakaela ary i Remiela).
Maro ny anaran' anjely ratsy na devoly, fa ny tena fantatra dia i Losifera. Ao koa i Samaela.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Anjely (araka ny kristianisma), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.