Anjely Oriela

I Oriela na Aoriela na Ôriela (Uriel, Auriel, Oriel) dia iray amin' ny arkanjely voatonona ao amin' ny lovantsofin' ny raby taorian' ny sesitany sy amin' ny lovantsofina kristiana sasany.

Fantatra tsara izy ao amin' ny lovantsofina ôrtôdôksa rosiana sy ao amin' ny katôlisismam-bahoaka (izay samy iheverana azy ho anisan' ny arikanjely lehibe fito) ary ekena ao amin' ny Fiangonana Anglikana ho arkanjely fahefatra. Fantatra tsara koa izy ao amin' ny literatiora esôterika eorôpeana tamin' ny Andro Antenatenany. I Oriel dia fantatra koa amin' ny maha tompon' ny fahalalana sy arkanjelin' ny fahendrena azy.

Anjely Oriela
Môzaikan' i Md Oriela, nataon' i James Powell sy i Sons, ao amin' ny Fiangonan' i St John's, Warminster.

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe אוּרִיאֵל / ʾŪrīʾēl izay midika hoe "Andriamanitra no lelafoko"; amin' ny teny grika Οὐριήλ / Oúriēl; amin' ny teny kôpta ⲟⲩⲣⲓⲏⲗ / Ouriēl; amin' ny teny italiana Uriele; amin' ny teny geezy sy amharika: ዑራኤል /ʿUraʾēl na ዑርኤል /ʿUriʾēl. amin' ny teny arabo إسرافيل / Israfil.

Ao amin' ny asasoratra apôkrifa sy kabalistika ary amin' ny ôkoltisma, i Uriel na Auriel dia nampitoviana (na nafangaro) amin' i Oriala (Urial), Noriela (Nuriel), Oriana (Uryan), Jeremiela (Jeremiel), Vretila (Vretil), Sariela (Sariel), Soriela (Suriel), Poroela (Puruel), Fanoela (Phanuel), Jakôba (Jakob), Azraela (Azrael) ary Rafaela (Rafael).

Ao amin' ny Bokin' ny Tsiambaratelon' i Joany, izay asasoratra gnôstika tany am-boalohany, i Oriela dia napetraka hifehy ireo demony izay manampy an' i Ialdabaota hamorona an' i Adama.

Uriel, Auriel na Oriel (lahy) / Urielle, Eurielle na Orielle (vavy) dia anarana noraisin' ny kolontsaina bretôna seltika, noho ny fisian' i Urielle (taonjato faha-7), rahavavin' ny mpanjaka bretôna Judicael, izay nampalaza ilay anarana.

Tags:

Andro AntenatenanyAnglikanismaArkanjelyFiangonana Ôrtôdôksa RosianaKatôlisismam-bahoakaKristianismaLiteratiora rabinikaVanimpotoan' ny Tempoly Faharoa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

David FusterSakalavaMike CoughlanBiôgrafiaEjipta tamin'ny Andro TalohaAfrika AtsimoSahih MuslimOhabolanaMpisolo toerana (fitsipiteny)Fivarotana andevoEmpira SasanidaWikipediaMollasaniMarko AorelioMesôpôtamiaIndôneziaMaskareina (tamba-nosy)Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraKônfosianismaFaritra AtsinananaFamongoran-taranaka nahazo ny Totsy tao RoandaKalandrie litorjika katôlika rômanina10 MartsaFrantsaJosip SkoblarPôlinezia FrantsayNatoralisma (filôzôfia)AntesakaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraEjipta tamin' ny Andro TalohaKolontsaina malagasyFaritra AnalanjirofoBob FosseJava AndrefanaClarksville, TennesseeFiteny anglisyEugene, OregonFitiavanaBaianópolisAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaAllemant, MarneJúlio César BaptistaVendéeBahaismaVirijiny (antokon-kintana)Kabary am-panambadianaAnalakelyÔseaniaBengkuluAogostino avy any HipônaAljeriaSiddhartha GautamaTafi-Piarovan' i IsraelyMarylandAterinetoAkemenida1938FambolenaFanekem-pinoanaEvolisionaKor'anyDurrësHenryk KasperczakDonald TrumpKleôpatra VIIAl-Nasa'iAngatra (aretina)AndriamasinavalonaGregoriosy avy any NisaJerôbôama IIAndro Taloha🡆 More